Niposaka ny andro teo amin’ ny Ranomasin’ i Galilia. Sasatry ny alina niasana mafy tsy nisy vokany ny mpianatra, ka mbola tao amin’ ny sambokely fanjonoany teo amin’ ny farihy. Tonga teo amoron-drano Jesosy handany ora hilamindaminana. Nanantena fotoana fohy hialana sasatra lavitry ny vahoaka nanaraka Azy isan’ andro Izy. Vetivety anefa dia nanomboka nitangorona teo Aminy ny vahoaka. Nitombo haingana ny isany, hany ka voahodidina hatraiza hatraiza Izy. Nandritra izany fotoana izany dia efa nidina an-tanety ny mpianatra. Mba hialany amin’ ny faneren’ ny vahoaka dia niditra tao amin’ ny sambon’ i Petera Jesosy, ka nangataka taminy hihataka kely amin’ ny tany. Mety ho hita sy ho ren’ ny rehetra tsara kokoa Jesosy eo, ary avy tao amin’ ny sambokely no nampianarany ny vahoaka marobe teo amoron-drano.1Mifototra amin’ ny Matio 4 : 18-22 ; Marka 1 : 16-20 ; Lioka 5 : 1-11. IFM 247.1
Fisehoan-javatra manao ahoana re ity atrehin’ ny anjely ity ! Ilay Komandiny be voninahitra, mipetraka ao amin’ ny sambokelin’ ny mpanjono, atopatopan’ ny onja tsy an-kijanona, ary manambara ny vaovao mahafalin’ ny famonjena amin’ ny vahoaka be manongilantsofina, izay mifanizina eo amoron’ ny rano ! Ilay nomen’ ny Lanitra ny voninahitra dia nanambara zava-dehibe momba ny fanjakany teo ankalamanjana tamin’ ny olona faran’ izay tsotra. Nefa nety nisy toerana mety kokoa hiasany. Ny farihy, ny tendrombohitra, ny saha midadasika, ny tara-pahazavan’ ny masoandro manafotra ny tany, izany rehetra izany dia samy nentiny nanazava ny lesona nataony sy nandatsaka izany lalina tao am-po. Ary tsy nisy lesona nataon’ i Kristy izay tsapa fa tsy nisy vokany. Ny hafatra rehetra avy tamin’ ny molony dia nitondra teo amin’ ny fanahy ny tenin’ ny fiainana mandrakizay. Nitombo araka ny fandehan’ ny fotoana rehetra ny vahoaka teo amoron-drano. Ny antitra niankina tamin’ ny tehiny, ny tantsaha matanjaka mitsontsorika ny havoana, ny mpanjono avy niasa mafy teo amin’ ny farihy, ny mpivarotra sy ny raby, ny manankarena sy ny avara-pianarana, ny antitra sy ny tanora dia samy nitondra ny marariny sy ny nijaly tao aminy, nifanizina hihaino ny tenin’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra. IFM 247.2
Ny toe-javatra toy izany no efa tazan’ ny mpaminany mialoha ka nanoratra izy hoe : IFM 248.1
«Ny tanin’ ny Zebolona sy ny tanin’ ny Naftaly,
Ao amin’ ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana,
Galilia, tanin’ ny jentilisa,
Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina dia nahita mazava lehibe ;
Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana
No iposahan’ ny fahazavana» 2Mat. 4 : 15,16. IFM 248.2
Ankoatry ny vahoaka marobe teo amoron’ i Genesareta dia nisy mpihaino hafa koa tazany an-tsaina nihaino ny toriteny nataony teo amoron’ ny ranomasina. Nibanjina ny andro nifandimby Izy, ka nahatazana ireo olony mahatoky ao an-tranomaizina sy ao amin’ ny trano fitsarana, alaim-panahy, manirery ary tra-pahoriana. Nivelatra teo anatrehany avokoa ireo sehatra nisehoan’ ny fifaliana sy ny adin-tsaina ary ny fahaverezan-kevitra. Tamin’ ny teny nataony tamin’ ireo olona nivory nanodidina Azy, dia niteny tamin’ ireo fanahy hafa ireo Izy, ary ny teny indrindra izay hitondra hafatry ny fanantenana eo amin’ ny fitsapana, hitondra fampiononana eo amin’ ny alahelo, sy fahazavan’ ny lanitra eo amin’ ny haizina no nataony ho azy ireo. Amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina dia ho re ilay feo izay nitený avy teo amin’ ny sambokelin’ ny mpanjono teo amin’ ny Ranomasin’ i Galilia, hiteny fiadanana amin’ ny fon’ olombelona mandra-piavin’ ny farany. IFM 248.3
Nifarana ny lahateny, nitodika tany amin’ i Petera Jesosy ka nibaiko azy handroso ho amin’ ny lalina ary handatsaka ny haratony hahazoana hazandrano. Kivy anefa i Petera. Tsy nahazo na inona na inona izy nandritra ny alina. Nandritra ireo ora naha-irery azy, dia nieritreritra ny amin’ izay nanjo an’ i Jaona Mpanao batisa izy, izay niferinaina samirery tao an-tranomaizina. IFM 248.4
Nihevitra sy nanombantombana ny ho avin’ i Jesosy sy ny mpanaraka Azy izy, ny tsy fahombiazan’ ny asa tany Jodia, ary ny fahasiahan’ ny mpisorona sy ny raby. Na dia ny asan’ ny tenany aza tsy nanambina azy ; ary raha niandry teo akaikin’ ireo harato foana tsy nisy na inona na inona izy, dia toa maizina sy nahakivy azy ny ho avy. «Tompoko, hoy izy, nandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato». IFM 249.1
Ny alina ihany no fotoana mety handratoana ao amin’ ny rano madio ao amin’ ny farihy. Rehefa niasa mafy nandritra ny alina tsy nisy vokany, dia toa tsy misy fanantenana ho azy izany hanipy ny harato amin’ ny andro izany; nibaiko anefa Jesosy ary nanosika ny mpianatra hankatò ny fitiavana ny Tompony. Niaraka nandatsaka ny haratony i Simona sy ny rahalahiny. Rehefa nandramany nosintonina izany, dia be indrindra ny trondro tao anatiny ka efa ho triatra ny harato. Voatery niantso an’ i Jakoba sy Jaona hanampy azy izy, ary vetivety foana dia feno trondro ny sambokely anankiroa, hany ka notandindomin-doza hilentika. IFM 249.2
Izao anefa i Petera dia tsy nihevitra ny sambokeliny na ny tao anatiny. Io fahagagana io, mihoatra noho izay rehetra efa natrehiny maso, dia fanehoana ny herin’ Andriamanitra ho azy. Hitany teo amin’ i Jesosy Ilay mitana ny zavaboary rehetra eo ambanin’ ny fifehezany. Nampiseho ny tsy fahamasinan’ ny tenany ny fanatrehan’ Andriamanitra. Ny fitiavany ny Tompony, ny fahamenarany noho ny tsy finoan’ ny tenany, ny fankasitrahany ny fampanaranan’ i Kristy, ary ambonin’ ny zavatra rehetra, ny fahatsapany ny fahalotoany eo anatrehan’ ny fahadiovana tsy misy fetra, izany rehetra izany dia nitambesatra taminy avokoa. Raha mbola nametraka ny tao anatin’ ny harato tamin’ ny toerana azo antoka ireo namany, dia niankohoka teo an-tongotry ny Mpamonjy kosa i Petera ka niloa-bava hoe : «Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho». IFM 249.3
Io fanatrehan’ ny fahamasinan’ Andriamanitra io ihany no nahatonga ny mpaminany Daniela ho lavo tahaka ny maty teo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra. Hoy izy : «Nihasimba sy nivaloarika ny tarehiko». Toy izany koa Isaia, rehefa nibanjina ny voninahitr’ i Jehovah izy, dia niloa-bava hoe : «Lozako ! maty aho ! fa lehilahy maloto molotra sady ato amin’ ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny Mpanjaka, dia Jehovah Tompon’ ny maro no efa hitan’ ny masoko» 3Dan.10 : 8 ;isaia 6 : 5.. Naseho ny maha-olombelona miaraka amin’ ny fahalemcny sy ny fahotany hifanohitra amin’ ny fahatanterahan’ ny maha-Andriamanitra, koa miara-tsapany ny fahabangany sy ny tsy tahamasinany. Toy izany izay rehetra nomena ny hahita ny fahalehibeazan’ Andriamanitra sy ny voninahiny. IFM 249.4
Hoy i Petera: «Miala amiko; fa olo-meloka aho» ; namikitra teo an-tongotr’ i Jesosy anefa izy, nahatsapa fa tsy afaka misaraka Aminy. Hoy ny navalin’ ny Mpamonjy : «Aza matahotra ; hatramin’ izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao». Rehefa nahita ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ny tsy fahamendrehan’ ny tenany Isaia vao nankinina taminy ny hafatra avy amin’ Andriamanitra. Rehefa voatarika hahafoy ny izaho sy hiankina amin’ ny herin’ Andriamanitra i Petera vao nandray ny antso hiasa ho an’ i Kristy. IFM 250.1
Hatramin’ io fotoana io dia mbola tsy nisy tamin’ ireo mpianatra ireo, niara-niasa tanteraka tamin’ i Kristy. Efa nanatri-maso fahagagana maro izy ary efa nandre ny fampianarany; nefa tsy nandao tanteraka ny asany teo aloha. Fahadisoam-panantenana mangidy ho azy rehetra ny nanaovana an’ i Jaona Mpanao batisa tany am-ponja. Raha toy izany no niafaran’ ny asa nampanaovina an’ i Jaona, dia kely ny fanantenany ho an’ ny Tompony, noho ireo mpitarika arapivavahana rehetra niray hina hanohitra Azy. Teo amin’ ny toe-javatra toy izany dia nanamaivamaivana azy ny niverina fotoana fohy tany amin’ ny fanjonoany. Ankehitriny anefa niantso azy Jesosy handao ny fiainany teo aloha ka hiray tombon-tsoa Aminy. Efa nanaiky ny antso i Petera. Rehefa tonga teo amoron-drano Jesosy dia nibaiko ny mpianatra telo hafa Izy hoe : «Manaraha Ahy, dia hataoko mpanarato olona hianareo». Avy hatrany dia nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nanaraka Azy. IFM 250.2
Talohan’ ny nangatahany azy handao ny haratony sy ny sambokely fanjonoany, dia nanome toky azy Jesosy fa Andriamanitra no hanome izay ilainy. Nisy setriny sarobidy ny nampiasana ny sambokelin’ i Petera ho amin’ ny asan’ ny filazantsara. Ilay «manankarena homeny izay rehetra miantso Azy», dia nanao hoe : «Omeo dia mba homena hianareo, fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo»4Rom. 10 : 12 ; Lio. 6 : 38. Io fatra io no efa namaliany soa ny asa fanompoana nataon’ ny mpianatra. Ary ny fahafoizan-tena rehetra izay atao amin’ ny asa fanompoana Azy dia hisy valisoany araka ny «haren’ ny fahasoavany»5Efes. 3 : 20 ; 2 : 7. IFM 250.3
Nandritra io alina nanjombona teo amin’ ny farihy io, rehefa tafasaraka tamin’ i Kristy ny mpianatra, dia latsaka tao amin’ ny tsy finoana, sady sasatry ny asa mafy tsy nisy vokany. Namelona ny finoany anefa ny fanatrehany, ka nitondra fifaliana sy fahombiazana ho azy. Toy izany koa amintsika; raha misaraka amin’ i Kristy, dia tsy misy vokany ny asantsika, ary zavatra mora ny tsy matoky sy ny mimonomonona. Nefa rehefa akaiky Izy, ka miasa eo ambanin’ ny fitarihany isika, dia mifaly isika eo amin’ ny fahitana mazava ny heriny. Asan’ i Satana ny manakivy ny fanahy ; asan’ i Kristy ny manainga ny finoana sy ny fanantenana. IFM 251.1
Ny lesona lalina kokoa izay nentin’ ny fahagagana ho an’ ny mpianatra, dia lesona ho antsika koa, dia izao : Ilay afaka nanangona ny hazandrano avy ao amin’ ny ranomasina tamin’ ny teniny, dia afaka koa handatsaka lalina ny teniny ao am-po ka hitarika azy amin’ ny mahazakan’ ny fitiavana, hany ka mety ho tonga «mpanarato olona» ny mpanompony. IFM 251.2
Olona tsotra sady tsy nahita fianarana ireto mpanaraton’ i Galilia ireto, nefa Kristy kosa, izay fahazavan’ izao tontolo izao, dia tena afaka tokoa hanome azy ny toetra tena ahazoany mitana ny toerana efa nofidiny ho azy. Tsy manao tsinontsinona ny fianarana tsy akory Andriamanitra; rehefa fehezin’ ny fitiavan’ Andriamanitra ka voatokana ho an’ ny asany ny fahaizana ara-tsaina dia manjary fitahiana. Nialany ireo olon-kendry tamin’ ny androny, satria natoky tena loatra ireo ka tsy afaka hiray fo amin’ ny taranak’ olombelona mijaly, ka ho tonga mpiara-miasa amin’ Ilay Lehilahin’ i Nazareta. Noho ny fitiavam-bavaka diso lalana teo aminy dia nohamavoiny izany hoe ampianarin’ i Kristy. Mitady ny fiaraha-miasa amin’ izay rehetra te-ho tonga fantsona tsy tsentsina hampita ny fahasoavany ny Tompo Jesosy. Ny zavatra voalohany hianaran’ izay rehetra te-hiasa miaraka amin’ Andriamanitra, dia ny lesona momba ny tsy fahatokiana ny «izaho» ; amin’ izay dia voaomana izy tamin’ ny nizarany taminy ny toetra amam-panahin’ i Kristy. Tsy ny fanabeazana any amin’ ny sekoly ara-tsiansa ambony indrindra no ahazoana izany. Vokatry ny fahendrena azo izay avy amin’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra ihany izany. IFM 251.3
Nifidy mpanarato tsy nahita fianarana Jesosy, satria tsy nampianarina hanaraka ny lovan-tsofina sy ny fomba amam-panao mirakitra hevi-diso tamin’ izany fotoana izany izy ireo. Olona nanana talenta voajanahary izy ireo. ary olona tsotra sady azo ampianarina, olona izay azony beazina ho amin’ ny asany. Eo amin’ ny lalam-be fizoran’ ny besinimaro dia misy olona maro mamindra amim-paharetana eo amin’ ny asa andavanandro mihodinkodina eo. tsy mahafantatra fa manana hery izy, izay raha asaina ampiasaina. dia hanandratra azy hitovy amin’ ny olona omem-boninahitra indrindra eo amin’ izao tontolo izao. Ilaina hikasika ireny talenta matoritory ireny ny tanana kinga mba hamoha azy. Olona toy izany no nantsoin’ i Jesosy hiaramiasa Aminy, ary nomeny tombon-tsoa ho mpikambana Aminy mihitsy. Tsy mbola nanana mpampianatra toy izany mihitsy ny olona ambony eto amin’ izao tontolo izao. Rehefa avy nizatra teo amin’ ny Mpamonjy ny mpianatra, dia tsy kely fahalalana sy tsy nahalala fomba intsony izy. Nanjary tahaka Azy izy teo amin’ ny saina sy ny toetra amam-panahy, ary nandray fahalalana tamin’ ireo izay efa niaraka tamin’ i Jesosy ny olona. IFM 251.4
Tsy ny mampita fahalalana fotsiny no anjara asa lehibe indrindra eo amin’ ny fanabeazana, fa ny mizara hery mitondra aina izay raisintsika avy amin’ ny fifampikasohan’ ny saina amin’ ny saina, ary ny fanahy amin’ ny fanahy. Ny aina ihany no miteraka aina. Tombon-tsoa nanao ahoana ary ny an’ ny mpianatra izay nifampikasoka isan’ andro nandritra ny telo taona tamin’ ny ain’ Andriamanitra izay nitosahan’ ny hery manosika mitondra aina izay mitahy an’ izao tontolo izao. Nihoatra noho ny tamin’ ny mpiara-dia taminy rehetra i Jaona ilay mpianatra malala izay nilefitra tamin’ ny herin’ io fiainana mahagaga io. Hoy izy : «Fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ ny Ray ka efa naseho taminay». Fa tamin’ ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana»61 Jao. 1 : 2 ; Jao. 1 : 16. IFM 252.1
Tsy nisy na inona na inona nitondra voninahitra ho an’ ny tenany teo amin’ ireo apostolin’ ny Tompo. Hita mazava fa avy amin’ Andriamanitra irery ihany ny fahombiazana teo amin’ ny asany. Ny fiainan’ ireo olona ireo, ny toetra amam-panahy nampitomboiny, ary ny asa mahery vaika notanterahin’ Andriamanitra tamin’ ny alalany, no vavolombelona ny amin’ izay tiany hatao ho an’ izay rehetra azo ampianarina sy mankatò. IFM 252.2
Izay tia an i Kristy indrindra no hanao asa soa miavosa be indrindra. Tsy misy fetrany ny fahazoana manao soa eo amin’ izay mametraka ny «izaho», ary mamela toerana hiasan’ ny Fanahy Masina ao amin’ ny fony, ka miaina amin’ ny fiainana voatokana tanteraka ho an’ Andriamanitra. Raha tsy maintsy hiaritra ny fifehezan-tena ilaina ny olona, ka tsy hitaraina na ho reraka eny an-dalana, dia hampianatra azy isan’ ora isan’ ora, sy isan’ andro isan’ andro Andriamanitra. Maniry mafy ny haneho ny fahasoavany Izy. Raha hesorin’ ny olona ny zava-misakana, dia handrotsaka ny onin’ ny famonjena hitosaka be dia be amin’ ny alalan’ ny olombelona natao fantsona Izy. Raha ampaherezina hanao ny soa rehetra mety ho vitany ny olona manana fiainana tsotra, raha tsy misy tanana misakana mipetraka aminy ka mampihemotra ny hafanam-pony, dia hisy mpiasa zato ho an’ i Kristy amin’ ny toerana tsy misy afa-tsy anankiray. IFM 252.3
Raisin’ Andriamanitra araka izay maha-izy azy ny olona ka beaziny hanompo Azy, raha mety hilefitra Aminy. Ny Fanahin’ Andriamanitra, izay raisina ao amin’ ny fanahy, no hanome aina ny fahaizany rehetra. Eo ambanin’ ny fitarihan’ ny Fanahy Masina dia mitombo amin’ ny fomba mirindra ny saina izay voatokana tsy misy fepetra ho an’ Andriamanitra, ka mahazo hery hahazo sy hanatanteraka ny fitakian’ Andriamanitra. Ny toetra amam-panahy malemy sy marefo dia ovana ho manan-kery sy mahafahatra. Mampiorina firaisana akaiky indrindra amin’ i Jesosy sy ny mpianany ny fanolorantena mitohy, hany ka manjary tahaka Azy ny kristiana eo amin’ ny saina sy ny toetra amam-panahy. IFM 253.1
Amin’ ny alalan’ ny fifandraisana amin’ i Kristy dia hanana fomba fijery mazava kokoa sy malalaka kokoa izy. Ho lalina kokoa ny sainy mamakafaka, ho tsara fandanjalanja kokoa ny sainy mitsara. Izay maniry mafy hanompo an’ i Kristy dia velombelomin’ ny hery mitondra aina eo amin’ ny Masoandron’ ny Fahamarinana, hany ka afaka mitondra vokatra betsaka ho voninahitr’ Andriamanitra izy. IFM 253.2
Misy olona nobeazina hatramin’ ny faratampony teo amin’ ny zava-kanto sy ny siansa, no nianatra lesona sarobidy avy amin’ ny kristiana tso-piaina izay notondroin’ izao tontolo izao ho tsy manampahalalana. Ireny mpianatra tsy fanta-daza ireny anefa dia nandray fanabeazana tao amin’ ny sekoly ambony indrindra amin’ izy rehetra. Nipetraka teo an-tongotr’ Ilay niteny toy ny tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany izy. IFM 253.3