Nidina sy nietry tokoa ny Mpanjakan’ ny voninahitra mba handraisany ny maha-olombelona. Tsy mahay manaja sady kitokitoina ireo mpiara-monina taminy teto an-tany. Nosaronana ny voninahiny, mba tsy hanjary zava-manintona ny olona ny fahalehibeazan’ ny endriny ivelany. Nialany izay fisehosehoana ivelany rehetra. Ny harena, ny voninahitra araka izao tontolo izao sy fahambonian’ olombelona dia tsy afaka hamonjy na oviana na oviana fanahy iray amin’ ny fahafatesana ;nokendren’ i Jesosy ny tsy fisian’ ny zavatra ara-nofo hiantso ny olona hiandany Aminy. Ny hakanton’ ny fahamarinan’ ny lanitra ihany no tsy maintsy hitaona izay tahanaraka Azy. Efa ela no voambara mialoha tao amin’ ny faminaniana ny toetra amam-panahin’ ny Mesia, koa niriny ny haneken’ ny olona Azy noho ny teny vavolombelona ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra. IFM 33.1
Nahazendana ny anjely ilay drafitry ny fahendrena be voninahitra. Nahaliana azy fatratra ny hahita izay fomba handraisan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ny Zanany nitafy ny endriky ny mahaolombelona. Nisy anjely tonga namangy ilay vahoaka voafidy. Ny firenenana hafa tamin’ izay dia nanaraka anganongano nanompo andriamani-tsi-izy. Teo amin’ ny tany izay efa nanehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, sy namirapiratan’ ny voninahitry ny faminaniana no nahatongavan’ ny anjely. Tsy hitan’ i Jerosalema ny nahatongavan’ izy ireo, tsy hitan’ ireo izay notendrena hamelabelatra ny Teny Masina sy ireo mpanao fanompoana tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra. Efa nambara tamin’ i Zakaria mpisorona rahateo ny faha- kaikezan’ ny fiavian’ i Kristy raha nanao famonoana teo anoloan’ ny alitara izy. Efa teraka rahateo ny mpialoha lalàna, ary nohamafisin’ ny fahagagana sy ny faminaniana, ny asa nanirahana azy. Efa niparitaka hatraiza hatraiza ny vaovao momba ny nahaterahany sy ny hevitra mahagaga raketin’ ny asa nanirahana Azy. Nefa tsy vonona i Jerosalema handray ny Mpanavotra azy. IFM 33.2
Gaga ireo mpitondra hafatry ny lanitra nahita ny tsy firaihan’ ny vahoaka izay nantsoin’ Andriamanitra hampita ny fahazavan’ ny fahamarinana masina ho an’ izao tontolo izao. Narovana ny firenena jiosy mba ho vavolombelona fa ao amin’ ‘ny taranak’ i Abrahama sy ny firazanan’ i Davida no hahaterahan’ i Kristy ; tsy fantany anefa fa akaiky izao ny fiaviany. Nanondro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra isan’ andro ny fanatitra fanao maraina sy hariva tao amin’ ny tempoly, nefa na dia tao aza dia tsy nisy fiomanana handray Azy. Tsy fantatr’ ireo mpisorona sy mpampianatra hafa tao amin’ ny firenena fa efa hiseho ilay toe-javatra lehibe indrindra tamin’ ny andro nifandimby rehetra. Namerimberina ny fivavahany tsy misy dikany izy ireo ary notontosainy ireo fombam-pivavahana mba ho hitan’ ny olona. nefa nifaninana hahazo harena sy voninahitra araka izao tontolo izao izy fa tsy vonona tamin’ ny fisehoan’ ny Mesia. Io tsy firaihana io ihany no nanenika ny tanin’ Isiraely. Tsy nampihontsona ny fo feno fitiavan-tena sy feno an’ izao tontolo izao ilay fifaliana mampangitakitaka ny lanitra manontolo. Vitsy ihany ireo izay manina ny hahita Ilay tsy hita. Ireo no nandefasana ny iraka avy any an-danitra IFM 34.1
Nisy anjely niaraka tamin’ i Josefa sy Maria teo amin’ ny diany niala tao an-tokantranony ho any Nazareta, tanànan’ i Davida. Nipaka hatrany amin’ ireo mponina tao amin’ ny vohitr’ i Galilia ny didy navoakan’ ny Amperora tany Roma momba ny fanisam-bahoaka tao amin’ ny fanjakany midadasika. Tahaka ny niantsoana an’ i Kirosy fahiny teo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana nanerana an’ izao tontolo izao mba hanafahana ireo olon’ i Jehovah babo tamin’ izay, dia toy izany koa. Aogosto Kaisara. nampiasaina ho fanatanterahana ny fikasan’ Andriamanitra ahatongavan’ ny renin’ i Jesosy any Betlehema. Taranak’ i Davida izy, ary ilay Zanak’ i Davida dia tsy maintsy ho teraka ao amin’ ny tanànan’ i Davida. Avy ao Betlehema, hoy ny mpaminany, «no hivoahan’ Izay anankiray ho mpanapaka ho Ahy ao amin’ Isiraely; hatry ny fahagola no efa nivoahan’ izany, dia hatrizay hatrizay»1Mika.5:1 Mifotora amin’nyLio. 2: 1-20 ity toko ity Nefa tsy nisy nahafantatra ary tsy nisy nanaja an’ i Josefa sy Maria tao amin’ ilay tanàna nahataranak’ andriana azy. Sasatra sady tsy nahita izay hitoerany izy, nitety ilay lalana ety tamin’ ny halavany manontolo, avy eo ambavahadin’ ny tanàna ka hatrany an-tendrony atsinanan’ ny tanàna, nitady toerana hialana sasatra ho amin’ ny alina fa tsy nahita. Tsy nisy toerana ho azy tao amin’ ny tranom-bahiny efa hibok’ olona. Tao amin’ ny toerana ratsiratsy fametrahana ny biby no nahitany fialofana nony farany, ary tao ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao no teraka. IFM 34.2
Tsy fantatry ny olona izany, nefa nahafeno haravoana ny lanitra ny vaovao mahafaly. Voasarika teto an-tany ireo masina avy amin’ izao tontolo izao feno hazavana noho izy ireo liana bebe kokoa sy nentanim-pitiavana bebe kokoa. Namirapiratra ny fanatrehan’ i Kristy izao tontolo izao. Nitangorona teo ambonin’ ny havoanan’ i Betlehema ireo anjely alinkisa. Niandry ny famantarana izy ireo mba hanambarany ny vaovao mahafaly tamin’ izao tontolo izao. Raha nahatoky tamin’ ny hafatra napetraka taminy ireo mpitarika tao Isiraely, dia nety ho nandray anjara tamin’ ny fanambarana ny fahaterahan’ i Jesosy izy. Nefa nodinganina izy izao. IFM 35.1
Hoy Andriamanitra hoe : «Fa handatsaka rano amin’ izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin’ izay tany karankaina». «Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy»2Isa. 44 :3; Sal. 112 : 4. Ho an’ izay mitady mazava, ka mandray izany amim-pifaliana no hamirapiratan’ ny tara-pahazavana avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. IFM 35.2
Tao amin’ ireo saha izay nitondran’ i Davida ny andian’ ondry fony izy mbola kely, no mbola niaretan’ ireo mpiandry ondry tory tamin’ ny alina. Nandritra ireo ora mangina ireo dia niresaka ny amin’ Ilay Mpamonjy nampanantenaina izy, ka nivavaka mba hiavian’ Ilay Mpanjaka ho eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida. «Ary nisy anjelin’ ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra ; fa indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao antanànan’ i Davida, dia Kristy Tompo. IFM 35.3
Raha nandre izany ireo mpiandry ondry nanongilan-tsofina, dia fahitana be voninahitra no nameno ny sainy. Tonga Ilay Mpanafaka an’ Isiraely ! Fahefana, fankalazana. fandresena, izany no tafaray amin’ ny fiaviany. Tsy maintsy manomana azy ireo anefa ny anjely amin’ ny famantarany Ilay Mpamonjiny ao amin’ ny fahantrany sy ny fanetren-tenany. «Ary izao no ho famantarana ho anareo». hoy izy ; «hianareo hahita zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona»3Lio.2: 12. IFM 36.1
Nampitony ny tahotr’ izy ireo ilay mpitondra hafatra avy any an-danitra. Nolazainy taminy ny fomba ahitany an’ i Jesosy. Nitsimbina tamim-pitiavana ny fahalemena eo amin’ ny maha-olombelona azy ireo izy ka nisy fotoana navelany aloha ahazatra azy amin’ ny famirapiratan’ Andriamanitra. Rehefa izany dia tsy azo nafenina intsony ny fifaliana sy ny voninahitra. Nohazavain’ ny famirapiratan’ ireo tafik’ Andriamanitra ny lohasaha manontolo. Nangina ny tany, ary niondrika ny lanitra nihaino ny hira manao hoe : IFM 36.2
Voninahitra any amin’ ny avo indrindra ho an’ Andriamanitra!
Ary fiadanana ho ety ambonin’ ny tany amin’ ny olona
ankasitrahany». IFM 36.3
O! Raha mba ren’ ny taranak’ olombelona moa io hira io ankehitriny! Ny fanambarana natao tamin’ izay, dia hihamafy hatrany mandra-pifaran’ ny andro ka hanakoako hatrany amin’ ny faran’ ny tany. Rehefa hiposaka ny Masoandron’ ny Fahamarinana. manana fanasitranana eo amin’ ny tanany, dia horedonin’ ny feon’ ny vahoaka betsaka. toy ny ranobe mirohondrohana ny hira hoe : «Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitsika dia ny Tsitoha, no Mpanjaka»4Apok. 19: 16. IFM 36.4
Rehefa niala ny anjely, dia lasa ny fahazavana. ary nilatsaka indray teo amin’ ny havoanan’ i Betlehema ny aloky ny alina. Nijanona tao an-tsain’ ny mpiandry ondry anefa ny sary namirapiratra indrindra tsy mbola hitan’ ny mason’ olombelona. «Ary tamin’ izany, rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe : Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ ny Tompo antsika. Dia nandeha faingana izy ka nahita an’ i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo ampihinanam-bilona». Feno fifaliana lehibe izy raha niala teo, ka nampahafantatra ny zavatra efa hitany sy reny. «Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’ izay zavatra nolazain’ ny mpiandry ondry taminy. Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza an Andriamanitra». IFM 36.5
Tsy tafasaraka bebe kokoa noho ny tamin’ ny fotoana nandrenesan’ ny mpiandry ondry ny hiran’ ny anjely tsy akory ny lanitra sy ny tany. Mbola mikarakara ny taranak’ olombelona ihany ny lanitra tahaka ny fony nisy olona tsotra nanana asa aman-draharaha tsotra mhaona tamin’ ny anjely tamin’ ny andro antoandro, ka niresaka tamin’ ireo mpitondra hafatry ny lanitra tany amin ny tanimboaloboka sy tany an-tsaha. Mety ho tena akaiky antsika ny lanitra raha eo amin’ ny lalan-tsarotry ny fiainana andavanandro isika. Hisy anjely avy any amin’ ny lapa any ambony hanaraka ny dian’ ireo izay mandeha manaraka ny baikon’ Andriamanitra. IFM 37.1
Tahirin-kevitra tsy mety ritra ny tantaran’ i Betlehema. Ao no iafenan’ ny «halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany»5Rom. 11 : 33! Mahagaga antsika ny sorona nataon’ ny Mpamonjy tamin’ ny nanakalozany ny seza fiandrianan’ ny lanitra tamin’ ny fihinanam-bilona, ary ny fiarahany tamin’ ny anjely nitsaoka Azy. izay natakalony ny fiarahana tamin’ ny biby tao an-tranonomby. Meloka eo anatrehany ny avonavon’ ny olombelona sy ny fiheveran-tenany ho ampy. Nefa vao fiandohan’ ny fietreny mahagaga izany. Efa tena ho fanambaniana tsy hita fetra ny Zanak’ Andriamanitra ny nandray ny nofon’ olombelona na dia tamin’ ny fotoana tsy nananan’ i Adama tsiny tao Edena aza. Nefa neken’ i Jesosy ny nandray ny maha-olombelona efa trotraky ny efatra arivo taona nanjakan’ ny fahotana. Tahaka ny zanak’ i Adama rehetra dia nanaiky ny vokatry ny asan’ ilay lalàna lehibe momba ny toetra ifandovana Izy. Ary inona no nasehon’ izany vokatra izany teo amin’ ny tantaran’ ireo razambeny tety an-tany. Niaraka tamin’ izany fandovana izany no nahatongavany mba hizakany ny fahoriana sy ny fakam-panahy mahazo antsika ary mba hanomezany antsika ny ohatry ny fiainana tsy misy fahotana. IFM 37.2
Tany an-danitra no efa nankahalan’ i Satana an’ i Kristy noho ny toerany tao amin’ ny lapan’ Andriamanitra. Vao mainka nitombo ny fankahalany azy rehefa nesorina tamin’ ny toerany izy. Nankahala Azy izy raha natolony ny tenany hanavotana ny taranaky ny mpanota. Nefa teto amin’ ity izao tontolo izao ity izay iamboan’ i Satana fa fanjakany, no namelan’ Andriamanitra hiavian’ ny Zanany, ho zazakely tsy manan-kery. iharan’ ny fahalemen’ ny maha-olombelona. Navelany hisetra ny loza fahitan’ ny fanahin’ olombelona tsotra eo amin’ ny fiainany izy, navelany hikatroka ny ady tsy maintsy hikatrohan’ ny zanak’ olombelona rehetra Izy, na dia nety nihatra taminy aza ny tsy fahombiazana sy ny fahaverezana mandrakizay. IFM 37.3
Malahelo ny zanany ny fon’ ny ray olombelona. Mijery ny endriky ny zanany kely izy, ka tora-kovitra rehefa mieritreritra ny loza eo amin’ ny fiainana. Iriny tokoa ny hiaro ny malalany amin’ ny herin’ i Satana, ny hihazona azy tsy ho tratran’ ny fakampanahy sy ny ady Hiatrika ady mafaitra sy misy zava-doza mampahatahotra be lavitra no nanomezan’ Andriamanitra ny Zananilahy tokana. mba ho azo antoka ho an’ ireo zanatsika kely ny lalan’ ny fiainana. «Indro ny fitiavana». Aoka ho gaga ny lanitra ary hitolagaga ny tany ! IFM 38.1