Nipetraka teo amin’ ny lohasaha rakotra ahitra ny vahoaka, rehefa somambisamby ny andro iny harivan’ ny lohataona iny, nihinana ny hanina izay nomen’ i Kristy. Tonga taminy toy ny feon’ Andriamanitra ny teny tamin’ io andro io. Ny asa fanasitranana hitany maso, dia ny herin’ Andriamanitra ihany no afaka manao izany. Nahasintona ny isam-batan’ olona tao amin’ ny vahoaka marobe anefa ny fahagagana momba ny mofo. Samy nandray tombontsoa tamin’ izany avokoa izy. Tamin’ ny andron’ i Mosesy, dia namahana ny Isiraely tamin’ ny mana tany an-efitra Andriamanitra; ary iza moa Ity namahana azy tamin’ ity andro ity, raha tsy Ilay efa nambaran’ i Mosesy mialoha ? Tsy misy herin’ olombelona afaka hamorona hanina ampy, hamahanana olona noana an’ arivony avy amin’ ny mofo vary hordea dimy sy hazandrano kely anankiroa. Koa nifampilaza izy hoe : «Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’ izao tontolo izao». IFM 395.1
Nihamafy izany faharesen-dahatra izany nandritra ny andro. Io asa fara-tampony nataony io no toky fa teo anivony Ilay Mpanafaka nandraindraina ela. Nisondrotra hatrany ihany ny fanantenan’ ny vahoaka. Io no hanao an’ i Jodia ho paradisa eto an-tany, ho tany tondra-dronono sy tantely. Mahafa-po ny faniriana rehetra Izy, ary hahatapaka ny fahefan’ ireo Romana nankahalaina. Izy no hanafaka an’ i Joda sy Jerosalema. Afaka hahasitrana ny miaramila marary any an’ ady Izy, afaka hanome sakafo ny tafika manontolo. Haharesy ny firenena Izy ary afaka hanome ny Isiraely ny fanjakana nokatsahiny hatramin’ ny ela. IFM 395.2
Noho ny firehetam-pon’ ny vahoaka dia vonona ny hanosotra Azy ho mpanjaka avy hatrany izy. Hitany fa tsy nisy ezaka nataony mba hisintonana ny saina ho eo Aminy na nanao izay hahazoany antoka ny voninahitra ho an’ ny tenany. Hafa indrindra tamin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka Izy ny amin’ izany, ary natahotra ireo sao hitaky mihitsy ny zony ho amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida Izy. Dia nifampidinika izy, ka nifanaraka fa haka Azy an-keriny, ary hanandratra Azy ho Mpanjakan’ Isiraely. Niray tamin’ ny vahoaka ny mpianatra tamin’ ny fanambarana fa lovan’ ny Tompony ara-dalàna ny seza fiandrianan’ i Davida. Ny fanetren-tenan’ i Kristy, hoy izy, no mahatonga Azy handà izany voninahitra izany. Aoka ny vahoaka hanandratra ny Mpanafaka azy. Aoka ho voatery hanaja an’ Ilay tonga nitafy ny fahefan’ Andriamanitra ny mpisorona sy ny mpanapaka mpirehareha. IFM 396.1
Naniry mafy ny hanao lamina hanatanterahana ny fikasany izy ireo. Hitan’ i Jesosy anefa izay novolavolainy ary takatry ny sainy avy hatrany izay mety ho vokatry ny fihetsiketsehana toy izany. Efa nihaza ny ainy sahady ny mpisorona sy ny mpanapaka tamin’ izay. Nampangain’ ireo ho nitarika ny vahoaka hiala taminy Izy. Herisetra sy fikomiana no tsy maintsy ho vokatry ny ezaka atao hametrahana Azy eo amin’ ny seza fiandrianana, ka ho voasakana ny asan’ ny fanjakana ara-panahy. Tsy maintsy hajanona tsy misy hatak’ andro izao fihetsiketsehana izao. Niantso ny mpianany Jesosy, ka nibaiko azy hiditra ao an-tsambo ary hiverina avy hatrany any Kapernaomy, fa Izy kosa no mampirava ny vahoaka. IFM 396.2
Tsy mbola nisy mihitsy hatramin’ izao baikon’ i Kristy toa tsy azo tanterahina toy ity. Efa ela no nanirian’ ny mpianatra mafy mba hisian’ ny fihetsiketseham-bahoaka hametrahana an’ i Jesosy eo amin’ ny seza fiandrianana; tsy zakan’ ny eritreriny raha tsy hisy vokany izao hafanam-po izao. May ta-hahita ilay mpaminany vaovao ny vahoaka marobe izay nivory hitandrina ny Paska. Araka ny fijerin’ ny mpanaraka Azy dia toa io no fotoam-bolamena mety hametrahana ny Tompo malalany eo amin’ ny seza fiandrianan’ Isiraely. Raha ny firehetam-pony eo amin’ izao hambom-po vaovao izao, dia sarotra taminy ny handeha, ka hamela an’ i Jesosy irery eto amin’ ity morondrano mangina ity. Notoheriny ny fandaminana; nefa tamimpahefana tsy mbola fahita no nibaikoan’ i Jesosy azy hiampita. Fantatr’ izy ireo fa tsy hisy vokany ny fanoherana ny teniny, ka nandeha ho any an-dranomasina tamim-pahanginana izy.1 Mifototra amin’ ny Matio 14 : 22-33 ; Marka 6 : 45-52 ; Jaona 6 : 14 ity toko ity. IFM 396.3
Mibaiko ny vahoaka hiparitaka Jesosy ; hentitra indrindra ny fihetsiny, ka tsy sahiny ny tsy hankato Azy. Nitsahatra ho azy ny teny fiderana sy fanandratana teo amin’ ny molony. Raha hanatona indrindra haka Azy an-keriny izy ireo, dia voatery niato tampoka ary nanjavona teo amin’ ny endriny ilay fijeriny feno fifaliana sy risi-po teo. Nisy olona nanana sitrapo mahery sy fanapahan-kevitra hentitra tao amin’ ireo vahoaka be ireo ; nefa nampitony ny tabataba sy nanakana ny fikasany ny fihetsika feno fahefana nasehon’ i Jesosy sy ny teny vitsy sy tony nibaikoiny azy. Tsapan’ izy ireo fa nisy hery ambonin’ ny fahefana rehetra teto an-tany tao Aminy, koa nilefitra tsy nisy adi-hevitra izy. IFM 397.1
Rehefa Jesosy irery sisa no teo, dia lasa «nankeny an-tendrombohitra hivavaka» Izy. Naharitra nitalaho tamin’ Andriamanitra nandritra ny ora maro Izy. Tsy ho an’ ny tenany ny fitarainana nataony fa ho an’ ny olona nangataka izany fivavahana izany. Nivavaka Izy mba hahazo hery hanehoany amin’ ny olona ny toetra araka an’ Andriamanitra eo amin’ ny asa nanirahana Azy, nivavaka Izy mba tsy hohamaizinin’ i Satana ny sainy mahataka-javatra, ka haviliny lalana ny sainy manadihady. Fantatry ny Mpamonjy fa efa madiva hifarana ny andro hiasan’ ny tenany manokana eto an-tany, nefa mbola vitsy no nandray Azy ho Mpanavotra ny tenany. Niady mafy sy nitolona am-panahy Izy raha nivavaka ho an’ ny mpianany. Handalo fitsapana mahamay izy ireo, ho diso fanantenana sy ho ory indrindra, ary hitsanga-menatra raha ho foana hatreo ny fanantenana nankamamiany hatramin’ ny ela, satria nifototra tamin’ ny hevitra tsy izy teo amin’ ny vahoaka izany. Tsy ny fanandratana Azy eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida no ho hitany, fa ny fanomboana Azy eo amin’ ny hazo fijaliana no hatrehin’ ny masony. Mbola ho avy ny tena fanomezana satroboninahitra Azy marina. Tsy ho hitan’ ireo anefa izany, ka dia tsy maintsy mbola hianjadian’ ny fakam-panahy mahery vaika izy ary ho sarotra aminy ny hahafantatra izany fakam-panahy izany mialoha. Raha tsy ny Fanahy Masina no hanazava ny sain’ ny mpianatra sy hampitatra ny fahalalany, dia ho resy ny finoany. Nampahory an’ i Jesosy ny fiheveran’ izy ireo ny fanjakany izay nantenainy loatra ho voafaritry ny fitomboana sy ny voninahitra araka izao tontolo izao. Navesatra tamin’ ny fon’ i Jesosy ny entamavesatra amin’ izy ireo, ka nipololotra avy tao am-pony ny fitarainany hahazoany miatrika ny ady mahatsiravina mihatra aman’ aina aminy. IFM 397.2
Tsy niainga avy hatrany, niala an-tanety araka ny nibaikoan’.i Jesosy azy ny mpianatra. Niandry kely izy satria nanantena fa mbola ho avy eo aminy ny Tompo. Rehefa hitany anefa fa nihamaizina. haingana ny andro dia «niondrana an-tsambokely izy, ka nita ranomasina nankany Kapernaomy». Tsy faly ny fony raha nandao an’ i Jesosy ary sorena taminy mihoatra noho ny tamin’ ny lasa rehetra izy hatramin’ ny nanekeny Azy ho Tompony. Nimonomonona izy satria tsy navela hanandratra Azy ho mpanjaka ary nanome tsiny ny tenany aza izy fa nilefitra haingana loatra tamin’ ny baikon’ i Jesosy. Raha nanana fikirizana bebe kokoa angamba izy hoy ny fisainany, dia nety ho tanteraka ny fikasany. IFM 397.3
Nanjaka tao an-tsainy sy tao am-pony ny tsy finoana. Nanajamba azy ny fitiavam-boninahitra. Fantany fa halan’ ny Fariseo Jesosy, ka niriny mafy ny hahita Azy misandratra araka ny tokony ho izy. Fitsapana tsy hainy zakaina loatra izany ho tafaray amin’ ny Mpampianatra izay afaka hanao fahagagana lehibe, nefa hotenennin-dratsy ka lazaina fa mpamitaka. Hampangaina ho mpanaraka mpaminany sandoka ve izy ? Moa ve tsy azon’ i Kristy atao mihitsy ny hampiseho fahefana amin’ ny maha-mpanjaka Azy ? Nahoana Ilay manana fahefana lehibe toy izao no tsy miseho eo amin’ izay tena toetrany marina, mba tsy ho voatery handeha amin’ ny lalana hampahory loatra ? Nahoana no tsy novonjeny tamin’ ny fahafatesana feno herisetra i Jaona Mpanao Batisa ? Toy izany no fisainan’ ny mpianatra, mandra-panaron’ ny aizim—panahy azy tanteraka. Nanontany tena azy izy hoe: «Mety ho mpisandoka araka ny fanizingizinan’ ny Fariseo ve Jesosy ?» IFM 398.1
Nanatri-maso ny asa mahagaga nataon’ i Kristy ny mpianatra tamin’ iny andro iny. Toa nidina teto an-tany ny lanitra. Tokony hameno finoana sy fanantenana azy ny fahatsiarovana an’ iny andro sarobidy sy be voninahitra iny. Raha niara-niresaka momba ireny zavatra ireny izy, araka izay nahafeno ny fony, dia tsy ho tafiditra tao amin’ ny fakam-panahy toy izao. Nambabo ny sainy anefa ny fahadisoam-panantenana. Tsy noheveriny ny tenin’ i Kristy hoe : «Angony ny sombintsombiny mba tsy hisy ho very». Ora be fitahiana ho an’ ny mpianatra izany, nefa dia hadinon’ izy rehetra. Tsaroany ho teo afovoan’ ny ranobe nitopatopa izy. Nisamboaravoara ny sainy sady tsy nahay nandanjalanja ; koa nomen’ ny Tompo zavatra hafa hampahory ny fanahiny sy hameno ny sainy izy. Manao izany matetika Andriamanitra rehefa mamorona enta-mavesatra sy manahirana ho an’ ny tenany ny olona. Tsy nilain’ ny mpianatra ny hamorona zava-manahirana. Efa nirimorimo nanatona azy ny loza. IFM 398.2
Nisy rivo-doza mahery nanatona azy moramora, nefa tsy vonona ho amin’ izany izy. Niova tampoka ny toetr’ andro, tsara dia tsara mantsy ny andro tamin’ ny antoandro, ka dia raiki-tahotra izy rehefa namely azy ny rivotra mahery. Hadinony ny adidiny, ny tsy finoany, ny fahasorisorenany. Samy nilofo hiaro ny sambo tsy ho rendrika izy rehetra. Tsy lavitra akory ny lalana avy ao Betsaida ho eo amin’ ny toerana nantenainy hihaonana tamin’ i Jesosy raha mandeha amin’ ny ranomasina, ary amin’ ny andro tsara dia ora vitsy foana no anaovana izany lalana izany; izao kosa anefa dia toa nihananalavitra hatrany ny toerana notadiaviny itodiana. Niasa mafy nivoy hatramin’ ny fiambenana fahefatra amin’ ny alina izy. Dia tratran’ ny famoizam-po ireto olona sasatra ireto, ary nanampo ny ho faty. Tao amin’ ny tafiodrivotra sy ny haizina no nampianaran’ ny ranomasina azy ny fahalemen’ ny tenany, ka naniriany mafy ny fanatrehan’ ny Tompony. IFM 398.3
Tsy nanadino azy akory Jesosy. Hitan’ Ilay Mpiambina teo amoron-drano ireto olona mati-tahotra miady amin’ ny tafiodrivotra. Tsy nisy fotoana na kely aza nialan’ ny masony tamin’ ny mpianany. Tamim-pitiavana lalina indrindra no nanarahany ilay sambokely natopatopan’ ny rivo-doza nitondra ity entany sarobidy; ho fahazavan’ izao tontolo izao mantsy ireo olona ireo. Tahaka ny reny manara-maso ny zanany amim-pitiavana Ilay Tompo feno fangorahana manara-maso ny mpianany. Rehefa nilefitra ny hambom-pony tsy masina ka nangina, vao afaka nivavaka tamimpanetren-tena izy nangataka fanampiana, dia nomena azy izany. IFM 399.1
Tamin’ ny fotoana nanampoizany hahafaty azy indrindra no nahatazanany tara-pahazavana nampiseho tsanganana nifono zavamiafina nanatona azy teo ambonin’ ny rano. Tsy fantany anefa fa Jesosy io. Ilay Anankiray tonga hanampy azy dia noheveriny ho fahavalo. Nihorohoro izy ka resin-tahotra. Nivaha ny tanana izay namikitra tamin’ ny fivoy, ary niketraka ireo hozatra toy ny vy. Navalambalan’ ny onja ny sambokely, nefa nifantoka teo amin’ ity fahitana hafahafa ity ny maso rehetra ka nibanjina ilay Lehilahy mandeha eo ambonin’ ny alon-drano mangia-potsy teo amin’ ny ranomasina misafoaka. IFM 399.2
Noheveriny fa matoatoa nanambara ny fahafatesany. izany, ka niantsoantso noho ny tahotra izy. Dia nanatona Jesosy nefa toa hihoatra azy. Tamin’ izay vao fantatr’ izy ireo Izy ka nantsoiny ary nitalahoany fanampiana. Nitodika ny Tompo malalany ; nampitony ny tahony ny feony nanao hoe : «Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra». IFM 399.3
Raha vantany vao nanatri-maso izany zava-mahagaga izany izy ireo, dia tsy hitan’ i Petera intsony izay asiany ny ainy noho ny hafaliany. Toa nila tsy ho afaka hino izy ka niantsoantso hoe : «Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ ny rano aho. Ary hoy Izy : Manatòna». IFM 400.1
Raha mbola nibanjina an’ i Jesosy Petera, dia nandeha tsy tamintahotra ; nefa noho ny fireharehany dia nitodika tany amin’ ireo namany nilaozany tao anaty sambokely izy, ka niala tsy ho eo amin’ ny Mpamonjy ny masony. Nifofofofo ny rivotra. Nisavoana ambony ny onja ka nampisaraka mivantana azy sy ny Tompony ; koa natahotra izy. Nisy fotoana fohy nahatakona an’ i Kristy tsy teo imasony, ka resy ny finoany. Nanomboka nilentika izy. Nefa raha tazany fa hitelina azy ho faty ny onjan-drano, dia nanandratra ny masony niala tamin’ ny rano nisafoaka i Petera, ka nampifantoka azy tamin’ i Jesosy, ary niantso hoe : «Tompo ò, vonjeo aho». Sady namonjy azy niaraka tamin’ izay Jesosy no niteny taminy hoe : «Ry kely finoana, nahoana no niahanahana hianao ?» IFM 400.2
Dia niara-nandeha izy, ny tanan’ i Petera tao amin’ ny tanan’ ny Tompony, ka niara-nandroso ho eo amin’ ny sambokely. Nilefitra i Petera ary nangina tsy nahitan-teny. Tsy nisy antony tokony hireharehany tamin’ ny namany, satria ny tsy finoana sy ny fanandratan-tenany no efa saika nahafaty ny ainy. Rehefa nampitodika ny masony niala teo amin’ i Jesosy izy, dia tsy nahafahatra ny tongony, ka nilentika tao anaty onja izy. IFM 400.3
Rehefa tonga amintsika ny zava-manahirana, dia impiry akory moa isika no tahaka an’ i Petera. Mijery ny onjan-drano isika, fa tsy mitana ny masontsika hifantoka amin’ ny Mpamonjy. Mibolasitra ny tongotsika, ka manafotra ny fanahintsika ny setrasetran’ ny ranobe. Tsy nibaiko an’ i Petera ho eo Aminy Jesosy mba hahafaty azy ; tsy miantso antsika hanaraka Azy koa Izy mba handavantsika Azy. IFM 400.4
«Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho ; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao. Raha mita ny rano hianao, dia homba anao Aho ; ary raha mita ny ony hianao, dia tsy hanafotra anao izy ; raha mandeha mamaky ny afo hianao, dia tsy ho may, ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, Mpamonjy anao» 2Isaia 43 : 1-3. IFM 400.5
Nahafantatra ny toetra amam-panahin’ ny mpianany Jesosy. Fantany fa hosedraina amin’ ny fomba maharary tokoa ny finoany. Tiany naseho tamin’ i Petera teo amin’ io toe-javatra teo amorondranomasina io ny fahalemen’ ny tenany, mba hampiseho aminy fa eo amin’ ny fiankinana hatrany amin’ ny herin’ Andriamanitra ny antoka ho azy. Teo anivon’ ny rivo-maherin’ ny fakam-panahy dia tsy afaka mandeha amin-toky izy raha tsy miala tanteraka amin’ ny fahatokian-tena ka miankina amin’ ny Mpamonjy. Teo amin’ izay niheveran’ i Petera ny tenany ho mahery no nahaosa azy indrindra, ary raha tsy tsapany ny fahalemeny dia tsy nety ho tsapany ny filany fiankinana amin’ i Kristy. Raha nianatra ny lesona niezahan’ i Jesosy hampianarina azy teo amin’ ity fanandramana ity teo amin’ ny ranomasina izy, dia tsy ho resy rehefa tonga taminy ny fisedrana lehibe kokoa. IFM 401.1
Mampianatra ny zanany isan’ andro Andriamanitra. Ny toejavatra mitranga eo amin’ ny fiainana andavanandro no hanomanany azy hanao ny anjarany amin’ ny sehatra lehibe kokoa izay nanendren’ ny fitondran’ Andriamanitra azy. Ny vokatry ny fisedrana andavanandro no manapaka ny fandresena na ny faharesena eo amin’ ny zava-tsarotra lehibe eo amin’ ny fiainana. IFM 401.2
Izay tsy mahatsapa ny fiankinany mandrakariva amin’ Andriamanitra, no ho resin’ ny fakam-panahy. Mety hihevitra isika fa mijoro tsara, ka azo antoka ny tongotsika, ary tsy voahozongozona mihitsy. Mety hilaza amim-pitokisana isika hoe : Fantatro izay inoako; ary tsy misy mahahozongozona ny finoako an’ Andriamanitra sy ny teniny. Manao drafitra anefa i Satana haka tombony amin’ ny lafintoetrantsika nolovana sy nokolokoloina, sy hahajamba ny masontsika tsy hahita izay ilaintsika sy ny toetra raisintsika. Raha tsy mahatsapa ny fahalementsika isika, ka tsy mampifantoka ny masontsika amin’ i Jesosy, dia tsy ho azo antoka ny diantsika. IFM 401.3
Raha vantany vao naka toerana tao amin’ ny sambokely Jesosy, dia nitsahatra ny rivotra, ary «niaraka tamin’ izay ny sambokely dia tonga tamin’ ny tany izay nalehany». Nosoloin’ ny fahazavan’ ny masoandro miposaka ny, alin’ ny horohoro. Niankohoka teo an-tongotr’ i Jesosy ny mpianatra sy izay tao an-tsambo, ka feno fisaorana ny fony nanao hoe : «Zanak’ Andriamanitra tokoa Hianao». IFM 401.4