Efa nitehika ho hariva ny andro raha niantso ny telo tamin’ ny mpianany hanatona Azy Jesosy dia : Petera sy Jakoba ary Jaona, ka nitarika azy ireo nitety ny saha, ary nandeha lavitra, niakatra tamin’ ny lalan-tsarotra manaraka tehezan-tendrombohitra mangingina. Lanin’ ny Mpamonjy sy ny mpianany tamin’ ny dia an-tongotra sy ny fampianarana iny andro iny, ka nanampy trotraka ny havizanany ny nananika tendrombohitra. Nanala ny enta-mavesatra tamin’ ny saina sy ny tenan’ ny olona maro nijaly Jesosy ; nalefany tao amin’ ireo vatana nihaosa ny aina mampientanentana ; nitafy ny maha-olombelona Izy ka dia niara-sasatra tamin’ ny mpianany. IFM 451.1
Mbola nitaredretra teny an-tendrombohitra ny fahazavan’ ny masoandro milentika ary nanazava tamin’ ny tarany mihatolaka ny lalana nodiaviny. Vetivety anefa dia maty ny fahazavana teo amin’ ny havoana sy teo amin’ ny lohasaha, lasa tany ambadiky ny faravodilanitra andrefana ny masoandro, ka voasaron’ ny haizin’ ny alina ireto mpiara-dia manirery. Toa nifandrindra tamin’ ny fiainany novesaran’ alahelo, izay nohodidinin’ ny rahona mitambatra sy miha-matevina ny haizina misomambisamby nandrakotra azy. IFM 451.2
Tsy sahy nanontany an’ i Kristy ny mpianatra ny amin’ izay alehany, na ny anton’ izany. Matetika Izy no -nandany alina manontolo mba hivavaka. Ny tanany no nanao ny tendrombohitra sy ny lohasaha, ka tamàna teo amin’ ny zavaboary Izy ary nahita fifaliana teo amin’ ny fahatoniana tsapany. Nanaraka teo amin’ izay lalana notarihan’ i Kristy ny mpianatra ; gaga anefa izy ireo ny amin’ ny antony nitondran’ ny Tompony azy hanao ity fananihana mandreraka ity sady efa vizana, ary Izy koa mba mila flalan-tsasatra. IFM 451.3
Ankehitriny dia miteny aminy Kristy mba tsy handeha lavidavitra kokoa intsony. Nandeha kely nihataka taminy Ilay Lehilahy ory ka nampitosaka ny fitalahoany tamin’ ny fitarainana mafy sy ny ranomasobe. Nangataka hery haharetany amin’ ity fisedrana zakainy ho an’ ny olombelona ity izy. Ny tenany dia tsy maintsy mamikitra amin’ Ilay manana ny hery rehetra ; amin’ izany fomba izany ihany mantsy no ahazoany mibanjina ny ho avy. Natosany koa ny faniriana tao am-pony ho an’ ny mpianany, mba tsy ho diso ny finoany ao amin’ ny ora hanjakan’ ny haizina. Mavesatra ny ando milatsaka amin’ ny tenany, miankohoka Izy nefa tsy noraharahainy izany. Nitangorona matevina manodidina Azy ny aloky ny alina, nefa tsy noheveriny ny haiziny misomambisamby. Nifandimby moramora toy izany ny ora. Tamin’ ny voalohany dia nampiraisin’ ny mpianatra tamin’ ny Azy ny fivavahany sy ny fangatahana nataony tamin’ ny fony tokoa ; rehefa afaka kelikely anefa dia resin’ ny havizanana izy ireo, ary na dia niezaka ny hitana ny sainy hifantoka amin’ ny toe-javatra aza izy, dia resin-tory. Nambaran’ i Jesosy taminy ny fijaliany ; nitondra azy niaraka taminy Izy mba hiraisany Aminy eo amin’ ny fivavahana ; amin’ izao fotoana izao indrindra dia mivavaka ho azy ireo Jesosy. Hitan’ ny Mpamonjy ny alahelon’ ny mpianany ary niriny mafy ny hanamaivana ny fahoriany amin’ ny fanomezan-toky azy fa tsy ho very maina tsy akory ny finoany. Tsy ny rehetra, na dia ny roa ambin’ ny folo lahy aza, no afaka handray ny fanambarana tiany homena. Ny telo lahy hanatri-maso ny ady mihatra aman’ aina hatrehiny ao Getsemane ihany no nofidiny niaraka taminy ho ao an-tendrombohitra. Izao no antombavaka nitambesatra taminy dia ny ahazoana manome azy ireo fanehoana ny voninahitra izay efa niarahany nanana tamin’ ny Ray talohan’ ny nisian’ izao tontolo izao, mba hahazoana maneho ny fanjakany amin’ ny mason’ olombelona, ka mba hahazoan’ ny mpianatra fampaherezana ny fibanjinana izany. Nitalahoany ny ahazoany manatri-maso ny fanehoana ny maha-Andriamanitra Azy izay hampahery Azy ireo amin’ ny oran’ ny adiny mafy indrindra mihatra aman’ aina amin’ ny fahalalana fa azo antoka ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy ary ampahan’ ny drafitry ny fanavotana ny fahafatesany mahamenatra. IFM 452.1
Re ny fivavahany. Raha mbola niondrika tamim-panetren-tena teo amin’ ny tany be vato Izy, dia nisokatra tampoka ny lanitra. novohana midanadana ny vavahady volamenan’ ny tanànan’ Andriamanitra, ka tara-pahazavana masina no nidina teo amin’ ny tendrombohitra ary nanodidina ny tenan’ ny Mpamonjy. Namirapiratra teo amin’ ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra avy ao anatiny ka nihaona tamin’ ny voninahitra avy any ambony. Nitraka ary tsy nihohoka intsony i Kristy ka nijoro tao amin’ ny fiandrianana tahaka an’ Andriamanitra. Lasa ny ady mihatra aman’ aina teo amin’ ny fanahiny. Mamirapiratra «tahaka ny masoandro» ny endriny, ary «fotsy tahaka ny mazava» ny fitafiany 1Mifototra amin’ ny Mat. 17 : 1-8 ; Mar. 9 : 2-8 ; Lio. 9 28-36. IFM 452.2
Nifoha ny mpianatra ka nibanjina ny voninahitra nitosaka izay nanazava ny tendrombohitra. Natahotra sady gaga izy nijery ny tenan’ ny Tompony namirapiratra. Rehefa nanjary afaka nahazaka ilay fahazavana mahagaga izy ireo, dia hitany fa tsy irery Jesosy. Teo akaikiny dia nisy olona roa avy any an-danitra, nanakaiky sy niresaka taminy. Mosesy izany, izay efa niresaka tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny tendrombohitra Sinay, sy Elia, ilay nomena tombon-tsoa ambony dia ambony — tombon-tsoa tsy natolotra afa-tsy ho an’ ny anankiray hafa amin’ ny zanak’ i Adama, — dia ny tsy ho ambanin’ ny herin’ ny fahafatesana mihitsy. IFM 453.1
Diman-jato sy arivo taona talohan’ izao teo amin’ ny tendrombohitra Pisga Mosesy no nijoro nitazana ny tailin’ ny teny fikasana. Noho ny fahotany tao Meriba anefa, dia tsy nomena azy ny niditra tao. Tsy nomena azy ny fìfaliana nitarika ny tafik’ Isiraely ho ao amin’ ny lovan’ ny razany. Ny fiangaviany niredareda nanao hoe : «Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any andafin’ i Jordana dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona»2Deo. 3 : 25, dia notsipahina. Ny fanantenana izay nanazava ny haizina teo amin’ ireo mpirenireny tany an-efitra nandritra ny efapolo taona, dia tsy maintsy nolavina. Fasana tany an-efitra no niafaran’ ny dia nandritra ireo taona maro niasana mafy sy nizakany ahiahy teo amin’ ny fony. Ilay «mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra anefa, eny mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika»3Efes. 3 : 20, dia namaly ny fivavahan’ ny mpanompony amin’ izany lafiny izany. Nandalo tao ambanin’ ny fanapahan’ ny fahafatesana i Mosesy, nefa tsy natao hijanona ao amin’ ny fasana izy. Kristy mihitsy no niantso azy ho velona. Nitaky ny fatin’ i Mosesy i Satana ilay mpaka fanahy noho ny fahotany ; nefa namoaka azy avy ao am-pasana Kristy Ilay Mpamonjy4Joda 9. IFM 453.2
Vavolombelon’ ny fandresen’ i Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana, i Mosesy teo amin’ ny tendrombohitra fiovan-tarehy. Nampiseho ireo izay hivoaka avy ao am-pasana amin’ ny fitsanganan’ ny marina izy. Elia kosa, izay nakarina tany an-danitra tsy nahita fahafa- tesana, dia nampiseho ireo izay ho velona eto an-tany amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany, ka «hovana», «vetivety toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany» ; rehefa «tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity» ary «hitafy ny tsi-fahalovana ity mety lo ity»5I Kor. 15 : 51-53. Notafiana tamin’ ny fahazavan’ ny lanitra Jesosy, tahaka ny hisehoany rehefa «hiseho fanindroany, tsy amin’ ota amin’ izay miandry Azy ho famonjena Izy. Fa ho avy Izy «amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjeliny masina» 6Heb. 9 : 28;Mar. 8 : 38. Tanteraka izao ny teny fikasana nataon’ ny Mpamonjy tamin’ ny mpianatra. Naseho kely dia kely kanefa araka ny tena izy teo an-tendrombohitra ny fanjakan’ ny voninahitra ho avy, — dia Kristy Mpanjaka, Mosesy, solontenan’ ny olo-masina nitsangana tamin’ ny maty, ary Elia solontenan’ ireo hiakatra velona. IFM 453.3
Tsy azon’ ny mpianatra anefa ny hevitry ny toe-javatra naseho, fa nahafaly azy ny nahita fa nohajain’ ireo nankasitrahan’ ny lanitra Ilay Mpampianatra be faharetana, Ilay malemy fanahy sady tsy miavona am-po, izay nivezivezy tetsy sy teroa toa vahiny tsy misy mpanampy. Nino izy fa tonga hanambara ny fanjakan’ ny Mesia i Elia, ary efa akaiky ny hananganana ny fanjakan’ i Kristy eto antany. Havalony mandrakizay ny fahatsiarovany ny tahony sy ny fahadisoam-panantenany. Eo amin’ io toerana io, izay nanehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, no niriny hijanonana. Niloa-bava i Petera nanao hoe : «Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika ; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto : ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia». Natoky ny mpianatra fa nalefa i Mosesy sy Elia mba hiaro ny Tompony, sy hanangana ny fahefany amin’ ny maha-Mpanjaka Azy. IFM 454.1
Nefa mialoha ny satroboninahitra dia tsy maintsy misy ny hazo fijaliana. Tsy ny fitokanana an’ i Kristy ho Mpanjaka, fa ny fahafatesany tanterahina any Jerosalema no anton-dresaka nifanaovana tamin’ i Jesosy. Nitondra ny fahalemen’ ny maha-olombelona Jesosy, ary novesaran’ ny alahelony sy ny fahotany, raha nandeha samirery teo anivon’ ny olombelona. Raha nanindry Azy ny haizin’ ny fitsapana mananontanona Azy, dia irery am-panahy Izy, tao amin’ izao tontolo izao izay tsy nahalala Azy. Na dia ny mpianany malala aza, izay variana tao amin’ ny fisalasalana sy ny alahelo, ny hambompony sy ny fanantenany, dia tsy nahazo ny zava-miafina raketin’ ny asa nanirahana Azy. Nitoetra teo anivon’ ny fitiavana sy ny firaisan- kinan’ ny lanitra Izy ; nefa teo amin’ izao tontolo izao izay nohariany, dia irery Izy. Nandefa ny irany ho eo amin’ i Jesosy ankehitriny ny lanitra ; tsy anjely, fa olona izay efa niaritra fahoriana sy alahelo, ka afaka miray fo amin’ ny Mpamonjy eo amin’ ny fitsapan’ ny fiainana eto an-tany. Efa mpiara-miasa tamin’ i Kristy i Mosesy sy Elia. Efa nandray anjara tamin’ ny faniriany mafy hamonjy ny olona izy ireo. Efa nitalaho ho an’ Isiraely i Mosesy nanao hoe : «Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Ianao ! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ ny bokinao izay nosoratanao ny anarako»7Eks. 32 : 32. Nahalala izany irery am-panahy i Elia, nandritra ny telo taona sy tapany nisian’ ny mosary raha nizaka enta-mavesatra noho ny fankahalan’ ny firenena sy ny fahoriana nianjady taminy izy. Nijoro irery ho an’ Andriamanitra izy teo an-tendrombohitr’ i Karmela. Izy irery no nandositra tany an-efitra noho ny tebiteby sy ny famoizam-po. Ireo olona ireo, izay naleo noho ireo anjely manodidina ny seza fiandrianana, dia tonga niray fo tamin’ i Jesosy momba ireo toe-javatra hisehoan’ ny fahoriany, ka hampahery Azy amin’ ny fanomezan-toky fa mankasitraka Azy ny lanitra, Ny fanantenan’ izao tontolo izao, ny famonjena ny olombelona rehetra, no votoatin’ ny resaka nifanaovany. IFM 454.2
Na dia resin’ ny torimaso aza ny mpianatra, dia nisy kely ren’ izy ireo ihany momba izay nitranga teo amin’ i Kristy sy ireo iraka avy tany an-danitra. Tsy niambina sy nivavaka izy, ka tsy nandray izay irin’ Andriamanitra nomena azy, — dia fahalalana ny amin’ ny fijalian’ i Kristy, sy ny voninahitra izay hanaraka izany. Veriny ny fitahiana tokony ho azy tamin’ ny fandraisany anjara tamin’ ny fahafoizan-tenany. Niadana ny fon’ ireo mpianatra ireo hino, ka kely ny fahatsapany ny haren-tsarobidy izay niezahan’ ny Lanitra hampanankarena azy. IFM 455.1
Nandray fahazavana lehibe izy anefa. Azony antoka fa mahafantatra ny fahotan’ ny firenena Jiosy noho izy mandà an’ i Kristy ny lanitra manontolo. Nomena fahitana mazava kokoa ny amin’ ny asan’ ny Mpanavotra izy. Ny masony no nahita ary ny sofiny no nandre zavatra izay mihoatra ny mety ho azon’ ny olombelona. «Efa nahita ny fiandrianany ny masony» 82Pet. 1:16, ary tsapany mazava fa Jesosy tokoa no Ilay Mesia, izay nanaovan’ ny patriarka sy ny mpaminany vavolombelona, ary izao rehetra izao any an-danitra manontolo dia manaiky Azy ho toy izany. IFM 455.2
Raha mbola nijery ny toe-javatra teo an-teno mbohitra izy, dia «nisy rahona mazava nanarona azy ireo, ary injao nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe : «Ity no Zanako malalako Izay sitrako ; Izy no henoy». Raha nibanjina ilay rahona be voninahitra izy, namirapiratra noho izay nandeha teo anoloan’ ireo fokon’ Isiraely tany an-efitra, raha nandre ny feon’ Andriamanitra niteny tamin’ ny fiandrianana mahatahotra izay nampangovitra ny tendrombohitra, dia lavo niankohoka tamin’ ny tany ny mpianatra. Nijanona nihohoka teo izy, ny tavany nafeniny, mandra-panaton’ i Kristy ka nikasika azy, ary nampisava ny tahony tamin’ ilay feo fantany tsara nanao hoe : «Mitsangana, fa aza matahotra». Nandramany nasandratra ny masony, ka hitany fa efa lasa ilay voninahitry ny lanitra. ary efa tsy teo intsony ny tenan’ i Mosesy sy Elia. IFM 456.1