Nandritra ny fotoana rehetra nolanian’ i Jesosy tany Jerosalema tamin’ ny andro firavoravoana, dia nitsongo dia azy miafina ny mpitsikilo. Isan’ andro isan’ andro dia nisy tetika niezahana hampangina Azy. Na ny pretra na ny loholona dia nitady ny hamandrika Azy 1Mifototra amin’ny Joa 7 : 16-36, 40-53 ; 8 : 1-11 . Nanao drafitra izy ireo hanakana azy amin’ ny alalan’ ny herisetra. Tsy izany ihany anefa. Niriny koa ny hampietry ity raby Galiliana eo anatrehan’ ny vahoaka. IFM 487.1
Tamin’ ny andro voalohany nanatrehany ny andro firavoravoana, dia tonga teo aminy ny mpanapaka, ka nanontany na fahefana inona no nampianarany. Tiany ny hampivily ny saina tsy hifantoka Aminy fa amin’ ny fanontaniana mikasika ny zony ampianarany, ary amin’ izany dia hampifantoka ny saina amin’ ny maha-ambony azy ireo sy ny fahefany. IFM 487.2
«Tsy Ahy ny fampianarako, hoy Jesosy, fa an’ Izay naniraka Ahy. Raha misy olona ta hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho». Mba hamaliana ny fanontanian’ ireo mpanaraby ireo, dia tsy fanarabiana no nasetrin’ i Jesosy azy, fa nosokafany teo anatrehany ny fahamarinana iankinan’ ny aina ho amin’ ny famonjena ny fanahy. Miankina bebe kokoa amin’ ny fo mihoatra noho ny amin’ ny saina, hoy Izy, ny fahafantarana sy ny fahazoana mankasitraka ny fahamarinana. Tsy maintsy horaisina ao amin’ ny fanahy ny fahamarinana ; mitaky fanajana fatratra avy amin’ ny sitrapp izany. Raha azo atao ny mampilefitra ny fahamarinana amin’ ny saina mandanjalanja irery, dia tsy hanembatsembana ny lalana handraisana azy ny avonavona. Tsy maintsy horaisina amin’ ny alalan’ ny asa fanasoavana ao am-po izany ; ary miankina amin’ ny famoizana ny fahotana rehetra izay hasehon’ ny Fanahin’ Andriamanitra ny fandraisana izany. Ho hita fa tsy hitondra soa ho an’ ny olona ny tombon-tsoa raisiny amin’ ny fandraisana ny fahalalana ny fahamarinana, na dia lehibe aza ireny tombon-tsoa ireny, raha tsy vohaina ny fo handray ny fahamarinana, ka misy fampileferana iniana ny fahazarana sy ny fanao rehetra izay mifanohitra amin’ ny foto-keviny. Izay milefitra toy izany amin’ Andriamanitra, maniry marina tokoa hahalala sy hanao ny sitrapony, dia anehoana ny faha-marinana amin’ ny maha-herin’ Andriamanitra Azy ho amin’ ny famonjena azy. Ireny dia ho afaka hanavaka izay miteny amin’ Andriamanitra, sy izay miteny avy amin’ ny tenany fotsiny. Tsy napetraky ny Fariseo hiandany amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra ny sitrapony. Tsy niezaka ny hahalala ny fahamarinana izy, fa ny hahita fialan-tsiny handosirana izany ; nasehon’ i Kristy fa izay no antony tsy ahazoany ny fampianarany. IFM 487.3
Nanome fomba fisedrana izay ahazoany manavaka ny tena mpampianatra sy ny mpamitaka Izy izao : «Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany ; fa izay mitady ny voninahitr’ Izay naniraka Azy no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy». Izay mitady ny voninahitry ny tenany dia miteny avy amin’ ny tenany ihany. Ny toe-tsaina mitady ny tombon-tsoan’ ny tena dia maneho ny niavian’ izany. Kristy kosa nitady ny voninahitr’ Andriamanitra. Nilaza ny tenin’ Andriamanitra Izy. Io no porofo mazava ny amin’ ny fahefany ny amin’ ny maha mpianatry ny fahamarinana Azy. IFM 488.1
Nanome porofo ny raby ny amin’ ny maha-Andriamanitra Azy Jesosy tamin’ ny fanehoany fa mahay mamaky ny ao am-po Izy. Hatramin’ ny fanasitranana tany Betesda dia efa nifofo izay ahafaty Azy izy ireo. Tamin’ izany dia izy tenany no nandika ny didy izay nolazaina fa narovany. «Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna ? hoy Izy, nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana hianareo no mitady hamono Ahy». IFM 488.2
Tahaka ny fahazavana mitselatra tampoka ireo teny ireo izay nampiseho tamin’ ny raby ny lavaka mangitsokitsoky ny fahafatesana izay efa hirobohany. Feno horohoro izy aloha fotoana kely. Hitany fa niady tamin’ ny hery tsy hita fetra izy. Tsy tiany anefa ny hanarina. Mba hihazonany ny heriny miasa mangina amin’ ny vahoaka, dia tsy maintsy hafenina ny fikasany hamono olona. Nialany ny fanontaniana nataon’ i Jesosy, ka hoy izy hoe :: «Manana demonia Hianao, iza no mitady hamono Anao?» Nasisiny ny hevitra milaza fa ny asa mahagaga vitan’ i Jesosy dia nampanaovin’ ny fanahy ratsy. IFM 488.3
Tsy noraharahain’ i Kristy io hevitra io. Notohizany izay hanehoany fa mifandrindra amin’ ny lalàna momba ny Sabata ny asa fanasitranana tany Betesda, ary ny fomba fandraisan’ ny Jiosy ny lalàna mihitsy dia manamarina izany. Hoy Izy : «Izao no nanomezan’ i Mosesy anareo ny famorana . . . ka na dia amin’ ny Sabata aza dia mamora ihany hianareo». Araka ny lalana dia tsy maintsy forana amin’ ny andro fahavalo ny zaza rehetra. Na dia mianjera Sabata aza ny andro voatondro, dia tsy maintsy tanterahina amin’ izay ny fomba. Koa manoatra lavitra noho izany no tsy maintsy ifandrindran’ ny nanaovany olona anankiray «sitrana avokoa ny tenany rehetra amin’ ny Sabata» amin’ ny toe-tsain’ ny lalàna. Dia nananatra azy Izy tsy «hitsara araka ny miseho, fa mba hitsara marina». IFM 489.1
Nangina ireo mpanapaka ; ary betsaka ny olona no niloa-bava hoe : «Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina ? Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy mitana Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa io no Kristy ?» IFM 489.2
Betsaka tamin’ ireo mpihaino an’ i Kristy no mponina tany Jerosalema izay nahafantatra tsara ny fandrika nataon’ ny mpanapaka hamelezana Azy, no voatarika ho eo Aminy tamin’ ny alalan’ ny hery tsy hay tohaina. Nanindry azy ny faharesen-dahatra fa Izy no Zanak’ Andriamanitra. Vonona anefa i Satana hanipy hevitry ny fisalasalana ; ary nanomana ny lalana ho amin’ izany ny hevidiso nananan’ izy ireo momba ny Mesia sy ny fiaviany. Ninoan’ ny besinimaro fa ho teraka any Betlehema Kristy, nefa rehefa afaka fotoana kely’ dia tsy ho hita izay alehany, ary amin’ ny fisehoany fanindroany dia tsy hisy hahalala izay niaviany. Tsy vitsy no nitana fa tsy hanana fifandraisana ara-nofo amin’ ny maha-olombelona ny Mesia. Koa satria tsy neken’ i Jesosy avy any Nazareta ny fiheveran’ ny besinimaro momba ny voninahitry ny Mesia, dia maro no nihaino ny hevitra nasisika hoe : «Nefa fantatsika izay niavian’ Ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hiaviany». IFM 489.3
Raha mbola nihahanahana teo anelanelan’ ny fisalasalana sy ny finoana toy izany izy, dia noraisin’ i Jesosy ny eritreriny ka novaliany hoe : «Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay niaviako, ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo. Nilaza izy fa manana fahalalana momba ny tokony ho fiainan’ i Kristy, nefa tsy nisy na inona na inona fantany ny amin’ izany. Raha nivelona araka ny sitrapon’ Andriamanitra izy, dia ho fantany fa naseho teo aminy ny Zanany. IFM 489.4
Tsy afaka ny tsy hahazo ny tenin’ i Kristy ny mpihaino Azy. Famerenana mazava izay nolazainy teo anatrehan’ ny Synedriona izany, volana maro talohan’ izao, raha nanambara ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra Izy. Niezaka ny hamono Azy moa ny mpanapaka tamin’ izay, koa nataony izay hisamborana Azy tamin’ io fotoana io ; nisy hery tsy hita maso nisakana Azy anefa, izay nametra ny faharomotany, toa nilaza taminy hoe : «hatreto no alehanao ary tsy mihoatra izany». IFM 490.1
Teo anivon’ ny vahoaka dia betsaka no nino Azy, ka nanao hoe : «Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ ity Lehilahy ity va Izy ?» Ren’ ireo mpitarika ny Fariseo izay nitebiteby nanara-maso ny fandehan-javatra dia nahatsikaritra ny teny nitory firaisam-po tamin’ i Kristy teo amin’ ny vahoaka. Niolomay tany amin’ ny lehiben’ ny mpisorona izy ireo ka nametraka ny drafitra nataony hisamborana Azy. Nokendreny, na dia izany aza, ny handray Azy rehefa irery Izy ; tsy sahiny mantsy ny hitana Azy eo anatrehan’ ny vahoaka. Nasehon’ i Jesosy indray fa mamaky ny fikasany tao am-pony Izy. «Kely foana hoy Izy, no itoerako eto aminareo, dia hankany amin’ ny naniraka Ahy Aho. Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita, ary izay itoerako dia tsy ho azonareo haleha. «Kely sisa dia hahita ny fialofana tsy ho tratry ny fanarabiana sy ny fankahalana Izy. Hiakatra ho any amin’ ny Ray Izy, ho tonga Ilay Ankalazain’ ny anjely indray ; ary tsy ho tonga any mihitsy ny mpamono Azy. IFM 490.2
Nanesoeso ny raby nanao hoe : «Hankaiza moa no halehan’ Ilehity, no tsy ho hitantsika ? Hankany amin’ izay miely any amin’ ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika ?» Tsy azon’ ireto mpanaraby an-tsaina akory fa namariparitra ny asa nanirahana an’ i Kristy ny teny fanesoana nataony ! Namelatra ny tanany tamin’ izay firenena tsy manaraka sady mandà Azy mandritra ny andro Izy ; hitan’ izay tsy nitady Azy Izy anefa; ary niseho tamin’ izay tsy nanontany Azy 2Rom. 10 : 20,21. IFM 490.3
Betsaka tamin’ izay resy lahatra fa Jesosy no Zanak’ Andriamanitra no voatarika ho amin’ ny lalan-diso teo amin’ ny mpisorona sy ny raby. Naverin’ ireo mpampianatra ireo tamin’ ny fomba manaitra tokoa ireo faminaniana momba ny Mesia izay manambara fa Izy no «Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan’ ny loholony dia misy voninahitra» ; fa hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy ary hatramin’ ny Ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany»3Isa. 24 : 23; Sal. 72 : 8. Avy eo dia nampitahainy tamin’ ny fomba feno fanarabiana ny voninahitra naseho an-tsary eto sy ny fomba fisehoan’ i Jesosy feno fanetrentena. Ny tenin’ ny mpaminany mihitsy no naolana hany ka nanamarina ny hevi-diso. Raha nianatra ny teny ho an’ ny tenany tamin’ ny fo madio ny vahoaka dia tsy ho voatarika ho amin’ ny lalan-diso izy. Ny toko faha iraika ambienimpolo ao amin’ Isaia dia milaza marina fa tokony hanao ny asa izay nataony indrindra Kristy. Ny toko fahatelo ambin’ ny dimampolo dia mampiseho mialoha ny fandavana Azy sy ny fahoriany eo amin’ izao tontolo izao, ary ny toko fahasivy ambin’ ny dimampolo dia milaza ny toetra amampanahin’ ny mpisorona sy ny raby. IFM 491.1
Tsy manery ny olona hiala amin’ ny tsy finoany Andriamanitra. Manoloana azy ny mazava sy ny maizina, ny marina sy ny diso. Anjarany ny manapaka izay hoekeny. Nomena hery hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny sain’ ny olombelona. Kendren’ Andriamanitra ny olona tsy hanapa-kevitra noho ny fihetseham-po tampoka fa noho ny lanjan’ ny porofo mazava, rehefa mampitaha ny Soratra Masina tamim-pitandremana fatratra. Raha nialan’ ny Jiosy ny hevitra nibahana tao an-tsainy ka nampitahainy izay voasoratra ao amin’ ny faminaniana tamin’ ireo zava-misy nampiavaka ny fiainan’ i Jesosy, dia ho hitany ny firindrana kanto teo amin’ ireo faminaniana sy ny fahatanterahan’ ireo teo amin’ ny fiainana sy ny asa fanompoan’ Ilay Galiliana feno fanetren-tena. IFM 491.2
Betsaka no voafitaka ankehitriny tahaka ny naha-voafitaka ny Jiosy. Mamaky ny Baiboly amin’ ny fahazavan’ ny sain’ ny tenany sy amin’ ny fahazavan’ ny lovan-tsofina ireo mpampianatra arapivavahana ary tsy mandinika ny Soratra Masina ho an’ ny tenany ny olona ka tsy mitsara ho an’ ny tenany ahafantarany izay marina ; fa ampileferiny amin’ ny mpitarika azy ny sainy mandanjalanja ka ankininy aminy ny fanahiny. Ny fitoriana sy ny fampianarana ny teniny no fomba iray nobaikoin’ Andriamanitra lianaparitahana ny fahazavana ; tsy maintsy hoentintsika hosedrain’ ny Soratra Masina anefa ny fampianaran’ ny olona rehetra. Na iza na iza mandinika ny Soratra Masina amim-pivavahana ka maniry ny hahalala ny faha-marinana mba ahazoany mankatò izany, dia handray fahazavana avy amin’ Andriamanitra. Ho azony ny Soratra Masina: «Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy»4Jao. 7 : 17. IFM 491.3
Tamin’ andro firavoravoana farany, dia niverina tsy nitondra an’ i Jesosy ireo mpiandry raharaha nalefan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka mba hisambotra an’ i Jesosy: Nanontaniana tamimpahatezerana izy hoe: «Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy ?» Tamin’ ny fomba manetriketrika hita teo amin’ ny endriny no namaliany hoe : «Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany». IFM 492.1
Na mafy toy inona aza ny fony dia nohalemen’ ny teniny. Raha mbola niteny tao amin’ ny kianjan’ ny tempoly Izy, dia nitaredretra teo akaikiny teo izy ireo mba handrenesany teny azony hahodina hamelezana Azy. Nefa teo am-pihainoana Azy dia hadinony ny antony nanirahana azy. Hitany izay tsy tian’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ho hita, - dia ny maha-olombelona heniky ny voninahitry ny maha-Andriamanitra. Niverina izy. nameno azy indrindra io eritreritra io, latsaka lalina indrindra tao am-pony ny teniny, hany ka rehefa nanontaniana izy hoe : «Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy ?» dia izao ihany no azony navaly hoe : «Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany». IFM 492.2
Resy lahatra tahaka izany koa ny mpisorona sy ny mpanapaka, tamin’ izy tonga voalohany teo anatrehan’ i Kristy. Voahetsika lalina tao am-pony izy ka voatery nihevitra hoe : «Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany. «Nofoanany anefa ny fandresen-dahatra avy amin’ ny Fanahy Masina. Ary izao, romotra izy fa na dia ireto ampiasain’ ny lalàna aza mety hiasan’ ny hery avy amin’ ity Galiliana ankahalaina ity, ka niantsoantso izy hoe : «Hianareo koa va voafitaka ?» Fa voaozona ireto vahoaka ireto izay tsy mahalala ny lalàna». IFM 492.3
Mahalana izay ilazana ny hafatry ny fahamarinana no nanontany hoe : «Marina ve izany ?» fa, «iza no mitory izany» no anontaniany. Vahoaka marobe no manombana izany amin’ ny habetsahan’ izay manaiky izany : ary mbola mipetraka ihany ny fanontaniana hoe : «Nisy nino ve ny avara-pianarana na ny mpitarika ara-pivavahana?» Tsy mankasitraka kokoa ny tena toe-panahy araka an’ Andriamanitra ny olona ankehitriny mihoatra noho ny tamin’ ny andron’ i Kristy. Revo indrindra mikatsaka ny tombon-tsoa ara-nofo izy ka manao an-tsirambina ny harena mandrakizay ; ary tsy fonjan-kevitra hanoherana ny fahamarinana tsy akory, ny tsy mahavonona ny betsaka handray azy, na ny tsy handraisan’ ny olona ambony eo amin’ izao tontolo izao azy na dia ny mpitondra fivavahana aza. IFM 492.4
Nanomana drafitra indray ny mpisorona sy ny mpanapaka hisamborana an’ i Jesosy. Noantitranteriny fa raha avela hanana ny fahafahany maharitra kokoa Izy, dia hotarihiny ny vahoaka hiala amin’ ny mpitarika efa napetraka, ka ny hany lalana azo antoka dia ny mampangina Azy tsy misy hatak’ andro. Raha nafana dia nafana ny adi-hevitra, dia tapaka tampoka ny tenin’ izy ireo. Nanontany i Nikedomosy hoe : «Moa manameloka olona va ny lalàntsika raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony ?» Nangina ny mpivory. Niditra tao amin’ ny feon’ ny fieritreretany ny tenin’ i Nikodemosy. Tsy azony natao ny nanameloka olona tsy mbola nohainoany. Nefa tsy izany ihany tsy akory no nampangina ireto mpanapaka be avonavona raha nibanjina ilay sahy niteny hiaro ny rariny izy. Voasakana izy sady nalahelo nahita ny anankiray amin’ izy ireo izay latsaka lalina indrindra tao am-pony ny toetra amam-panahin’ i Jesosy, hany ka namoaka teny hiarovana Azy. Rehefa afaka ny hagagany dia niteny tamin’ i Nikodemosy sady nanao teny eso mandratra izy hoe : «Ianao koa angaha mba avy any Galilia ? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilia». IFM 493.1
Ny vokatr’ izany fanoherana izany anefa dia mampijanona ny fizotry ny filan-kevitra. Tsy afaka nanatanteraka ny fikasany ny mpisorona sy nanameloka an’ i Jesosy raha tsy mandre Azy. Resy izy ireo aloha, dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra, fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva. IFM 493.2
Niala tamin’ ny fanaitairana sy ny tabataban’ ny tanàn-dehibe Jesosy, niala ny vahoaka nafana fo sy ny raby mpamadika Izy ka lasa nandeha ho any amin’ ireo lohasaha mangina, izay ahazoany miaraka amin’ Andriamanitra samirery. Raha vao maraina koa anefa dia niverina nankany amin’ ny tempoly Izy, ary rehefa nitangorona teo Aminy ny vahoaka, dia nipetraka nampianatra azy Izy. IFM 493.3
Vetivety dia tapaka ny teniny. Nisy Fariseo sy mpanora-dalàna sasantsasany nanatona Azy, nitarika vehivavy matin’ ny tahotra niaraka taminy, izay nampangainy tamin’ ny feo masiaka sy mafana fa nandika ny didy fahafito. Natosiny teo anatrehan’ i Jesosy izy, dia hoy izy ireo taminy, sady naneho fanajana mifono fihatsarambelatsihy : «Ao amin’ ny lalàna, Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany ; fa ahoana kosa hoy Hianao?» IFM 494.1
Nanarona velam-pandrika lalin-toerana hamono Azy ny fanajana nihamboany. Noraisiny io fotoana mety io mba hahazoany antoka ny fanamelohana Azy, ka noheverin’ izy ireo fa na inona na inona fanapahan-kevitra horaisiny, dia ahitany izay hiampangana Azy. Raha nanafaka an-dravehivavy Izy, dia hampangainy ho manao tsinontsinona ny lalàn’ i Mosesy. Raha milaza Izy fa mendrika ny hohelohina ho faty ravehivavy, dia ho azo ampangaina amin’ ny Romana Izy amin’ ny maha-olona miandraikitra fahefana izay an’ ny Romana samirery. IFM 494.2
Nojeren’ i Jesosy vetivety aloha ny toe-javatra — ilay olona azony mangovitra sy menatra, ireto olo-manan-kaja masiaka endrika, tsy nanana na dia ny fangorahan’ ny olombelona aza. Naharikoriko ny toe-tsainy tsy voapentin’ ny loto, izany fisehoan-javatra izany. Fantany tsara ny antony nitondrana izao toe-javatra izao teo Aminy. Novakiany ny tao am-po. ary fantany ny toetra amam-panahy sy ny tantaram-piainan’ ny tsirairay teo anatrehany. Ireto tokony ho mpiaro ny fahamarinana ireto ihany no nitarika io olona azony tao amin’ ny fahotana io, mba hahazoany mamela-pandrika amin’ i Jesosy. Tsy nisy nanehoany fa reny ny fanontanian’ izy ireo fa niondrika Izy, ka nampifantoka ny masony teo amin’ ny tany ary nanomboka nanoratra teo amin’ ny vovoka. IFM 494.3
Tsindrin-daona tamin’ ny hatak’ androny sy tamin’ ny toa tsy firaihany ireto mpiampanga ka nanatona akaiky kokoa, nanantitrantitra ny toe-javatra hanintona ny sainy. Nefa, rehefa nanaraka ny mason’ i Jesosy ny masony, ka nankeo amin’ ny rarivato teo an-tongony, dia niova ny endrik’ izy ireo. Teo, voasoratra teo anatrehany, ireo hadisoany, tsiambaratelon’ ny fiainany. Raha nijery ny vahoaka, dia nahita ny fiovana tampoka teo amin’ ny tarehiny ka nifanesika nandroso hahita izay nojeren’ izy ireo sy ny antony nahagaga sy nahamenatra azy toy izao. IFM 494.4
Na dia teo aza ny filazany rehetra fa manaja ny lalàna ireto raby ireto, dia tsy nijery izay fepetra momba ny lalàna izy tamin’ ny niampangany an-dravehivavy. Anjaran’ ny vadiny ny mitory azy, ary hofaizina mitoyy ny andaniny sy ny ankilany samy diso. Tsy eken’ ny lalàna tanteraka ny zavatra nataon’ ireto mpiampanga. Na dia izany aza dia narahin’ i Jesosy teo amin’ ny tetika nataony izy. Milaza mazava ny lalàna fa amin’ ny famaizana amin’ ny fitoraham-bato, dia ny vavolombelona no mitora-bato voalohany. Nitsangana Izy izao, ka nafantony tamin’ ireto loholona mamelapandrika ny masony, dia hoy Izy hoe : «Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany : Dia niondrika Izy ka notohizany izay nosoratany teo amin’ ny tany». IFM 495.1
Tsy nahiliny tsy akory ny lalàna nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy, na nokasihiny ny fahefan’ i Roma. Resy ireto mpiampanga. Rovitra teny an-kodiny izao ny fitafiany nihamboany fahamasinana, ary nijoro izy, meloka sy voaheloka, nanoloana ny fahadiovana tsy misy fetra. Nangovitra izy sao hiharihary eo anatrehan’ ny vahoaka be ny fahotana miafina teo amin’ ny fiainany ; koa nandeha mangingina tsirairay izy, ny loha miondrika ary ny maso mijery ambany, ary navelany teo amin’ Ilay Mpamonjy be fangorahana ilay olona azony. IFM 495.2
Nitsangana Jesosy, ary nijery an-dravehivavy Izy sady nanao hoe : «Ravehivavy, aiza ireny ? Tsy nisy nanameloka anao ? ; ary hoy izy : Tsy misy Tompoko. Dia hoy Jesosy : Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony». IFM 495.3
Nijoro teo anatrehan’ i Jesosy ravehivavy, rakotry ny tahotra. Tonga teo aminy toy ny didy manameloka ho faty ny teny nanao hoe : «Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany». Tsy sahy nanandratra ny masony hijery ny tavan’ ny Mpamonjy izy, fa niandry ny anjarany tamim-pahanginana. Gaga izy nahita ireto mpiampanga azy sina sy very hevitra ka lasa nandeha ; tonga tao an-tsofiny tamin’ izany ny teny feno fanantenana nanao hoe : «Izaho koa tsy manameloka anao. Mandehana, ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony». Nalemy ny fony ka niankohoka teo an-tongotr’ i Jesosy izy, nigogogogo nanambara ny fitiavany feno fankasitrahana, ka niaiky ny helony tamin’ ny ranomaso mangidy. IFM 495.4
Fiantombohan’ ny fiainam-baovao ho azy izany. dia fiainana feno fahadiovana sy fiadanana. voatokana hanompo an’ Andriamanitra. Ny nanandratan’ i Jesosy io fanahy lavo io dia nanaovany fahagagana lehibe noho ny nanasitranany ny aretina ara-batana mafy indrindra ; nanafaka azy tamin’ ny aretina ara-panahy izay initarika fahafatesana mandrakizay Izy. Io vehivavy nibebaka io dia nanjary iray tamin’ ny mpanaraka Azy mafana indrindra. Novaliany tamin’ ny fitiavana sy fanoloran-tena mahafoy tena ny famindrampony mamela heloka. IFM 496.1
Tamin’ ny namelany ny helok’ io vehivavy io sy nampaherezany azy hiaina amin’ ny fiainana tsaratsara kokoa, dia namirapiratra teo amin’ ny hakanton’ ny fahamarinana tanteraka ny toetra amampanahin’ i Jesosy. Tsy nanafina ny fahotana Izy, na nanamaivana ny fahadisoana, nefa tsy nitady ny hanameloka, fa ny hamonjy. Tsy nanana afa-tsy fanamelohana sy fanarabiana ho an’ ity vehivavy diso ity izao tontolo izao ; nefa teny fampiononana sy fanantenana no nataon’ i Jesosy taminy. Ilay tsy nanana ota dia nangoraka ny fahalemen’ ny mpanota ka naninjitra ny tanany hanampy azy. Ny Fariseo mpihatsaravelatsihy niampanga azy, fa Jesosy kosa nibaiko azy hoe : «Mandehana, ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony». IFM 496.2
Tsy ny mpanaraka an’ i Kristy no manao maso vilana, ka mihodina tsy hijery ny mania, ary mamela azy hanohy ny diany mitotongana tsy misy manakana. Izay mailaka hanameloka ny hafa, ka mafana fo amin’ ny fitondrana azy eo amin’ ny fitsarana, no matetika meloka noho ireo eo amin’ ny fiainany. Mankahala ny mpanota ny olona, nefa tia ny fahotana. Kristy mankahala ny fahotana fa tia ny mpanota kosa. Izany no ho toe-tsain’ izay manaraka Azy. Tsy mba dodona hanameloka ny fitiavan’ ny kristiana, fa mailaka kosa hahita ny fanahy mibebaka, vonona ny hamela heloka, ny hampahery, ny hamerina ny mpirenireny eo amin’ ny lalan’ ny fahamasinana, ary mampitoetra ny tongony eo. IFM 496.3