Anisan’ ny mpianatr’ i Kristy nifahatra indrindra taminy i Lazarosy avy any Betania1Mifototra amin’ny Lio 10 : 38-42 ; Jao. 11 : 1-44. Hatramin’ ny nihaonany voalohany dia efa natanjaka ny finoany an’ i Kristy ; lalina ny fitiavany Azy, ary tian’ ny Mpamonjy betsaka koa izy. Ho an’ i Lazarosy no nanaovan’ i Kristy ny lehibe indrindra tamin’ ny fahagagana. Nitahy izay rehetra nitady ny fanampiany ny Mpamonjy ; tia ny fianakavian’ ny olombelona rehetra Izy ; ny sasany anefa dia nifamatotra taminy teo amin’ ny fikambanana mamy tamin’ ny fomba manokana. Nifaningotra tamin’ ny fianakaviana tany Betania ny fony tamin’ ny alalan’ ny mahazakan’ ny fitiavana, ka notanterahiny ho an’ ny anankiray tamin’ ireo ny anankiray amin’ ny asa mahagaga indrindra. IFM 559.1
Nahita fialan-tsasatra matetika Jesosy tao an-tokantranon’ i Lazarosy. Tsy nanana trano ho an’ ny tenany ny Mpamonjy ; niankina tamin’ ny fampiantranoan’ ny namana aman-tsakaizany sy ny mpianany Izy ; koa matetika, rehefa sasatra Izy, nangetaheta ny firaisam-pon’ olombelona, dia nahafaly Azy ny nandositra ao amin’ izany tokantrano feno fiadanana izany, lavitry ny fiahiahiana sy ny fialonan’ ny Fariseo feno hatezerana. Tao Izy nahita fandraisana tsara tamin’ ny fo madio, sy fisakaizana madio sy masina. Tao izy afaka niteny tamim-pahatsorana sy tamim-pahalalahana tanteraka ; fantany fa ho azo ny teniny, sady hotehirizina toy ny zava-tsarobidy. IFM 559.2
Nankasitrahan’ ny Mpamonjintsika ny tokantrano feno fiadanana sy ny mpihaino liana. Niriny mafy ny fahalemem-panahin’olombelona, ny fanajany sy ny fitiavany. Izay mandray ny toro-mariky ny lanitra, izay mahavonona mandrakariva ny hizara azy, dia mahazo fitahiana be dia be. Raha nanaraka an’ i Kristy namakivaky ny saha eny ankalamanjana ny vahoaka marobe, dia novelariny taminy ny hakanton’ ny zavaboary eo amin’ izao tontolo izao. Tiany ny hanokatra ny mason’ ny sainy, mba hahazoany mahita ny fanohanan’ Andriamanitra an’ izao tontolo izao. Mba hampisongadinany ny fahatsapana ny fahatsaran’ Andriamanitra sy ny fiantrany, dia nanintona ny sain’ ny mpihaino Azy tamin’ ny ranonando milatsaka tsimoramora Izy, tamin’ ny ranonorana malefaka sy ny tanamasoandro mamirapiratra, izay nomena mitovy ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy. Tiany ho tsapan’ ny olona amin’ ny fomba feno kokoa ny fikarakarana ataon’ Andriamanitra amin’ olombelona. fitaovana izay noforoniny. Votsa anefa ny vahoaka nihaino Azy, ka tao amin’ ny tokantrano tao Betania i Kristy no nahita fialantsasatra tamin’ ny ady mandreraka natrehiny teo amin’ ny fiainana teo anivon’ ny vahoaka. Tao no nanokafany ny bokin’ ny Fitondran’ Andriamanitra teo amin’ ny mpihaino mahay mankasitraka. Nandritra ireo resaka manokana nataony ireo, dia novelariny teo amin’ ny mpihaino Azy izay tsy nandramany nolazaina tamin’ ny vahoaka marobe nifangaro. Tsy nilainy ny niteny tamin’ ny sakaizany tamin’ ny alalan’ ny fanoharana. IFM 559.3
Raha nanao ireo lesona mahagaga ireo Kristy, dia nipetraka teo an-tongony i Maria, mpihaino feno fanajana sy fitiavana. Indray mandeha, sahiran-kevitra i Marta tamin’ ny fikarakarana sy ny fanomanana ny sakafo, ka nankeo amin’ i Kristy izy nanao hoe : «Tompoko moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ ny rahavaviko ahy hanompo irery ? koa mba asaovy manampy ahy izy». Tamin’ ny fotoana namangian’ i Kristy voalohany an’ i Betania izany. Vao avy nanao ilay dia mandreraka an-tongotra avy tany Jeriko indrindra ny Mpamonjy sy ny mpianany. Feno ahiahy i Marta ny hanomana izay hampiadana azy ireo, ka hadinony ny fanajana tokony ho an’ Ilay Vahiny noho izany ahiahy izany. Novalian’ i Jesosy tamin’ ny teny malefaka sy tamim-paharetana izy : «Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina hianao ; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara izay tsy halaina aminy». Nanangona tao an-tsainy ireo teny sarobidy avy tamin’ ny molotry ny Mpamonjy i Maria, teny izay sarobidy ho azy mihoatra noho ny vatosoa sarobidy indrindra teto an-tany. IFM 560.1
Ny «zavatra iray loha» izay nilain’ i Marta, dia fanahy tony, feno fitiavana, fiahiana lalina kokoa ny amin’ ny fahalalana ny mikasika ny fiainana ho avy, maharitra mandrakizay, sy ny faha- soavana ilaina eo amin’ ny fandrosoana ara-panahy. Nilainy ho kely kokoa ny fiahiahiany ny zavatra maharitra mandrakizay. Tian’ i Jesosy hampianarina ny zanany ny manararaotra ny fotoana mety rehetra mba hahazoana ny fahalalana izay hahendry azy ho amin’ ny famonjena. Mila mpiasa mitandrina tsara, mavitrika ny asan’ i Kristy. Misy saha midadasika ho an’ i Marta, ilàna ny hafanam-pony ny asa marisika eo amin’ ny fivavahana. Nefa aoka izy aloha hiaramipetraka amin’ i Maria eo an-tongotr’ i Jesosy. Aoka hohamasinina amin’ ny fahasoavan’ i Kristy ny fahakingana, ny fahamailahana sy ny fahavitrihana ; amin’ izay ny fiainana dia ho hery tsy hita horesena hanao ny tsara. IFM 560.2
Niditra tao amin’ ilay trano feno fiadanana efa nialan’ i Jesosy sasatra ny fahoriana. Tratry ny ‘aretina tampoka i Lazarosy, ka naniraka ho any amin’ ny Mpamonjy ny anabaviny, nampilaza hoe : «Tompoko, indro marary ilay tianao». Hitany ny hamafin’ ny aretina izay nanjo ny anadahiny, nefa fantany fa efa nasehon’ i Kristy fa afaka manasitrana ny karazan’ aretina rehetra Izy. Nino izy fa hiray fo aminy Izy ao amin’ ny fahoriany ; noho izany dia tsy nisy antso maika nataony ahatongavany avy hatrany, fa hafatra feno fahatokiana fotsiny no nalefany manao hoe : «Marary ilay tianao». Noheveriny fa hamaly avy hatrany ny hafatra nalefany Izy, ka ho tonga eo aminy raha vantany vao mety ho tody ao Betania. IFM 561.1
Nitebiteby izy niandry teny avy amin’ i Jesosy. Raha mbola nisy aina kely ihany velona tao amin’ ny anadahiny, dia nivavaka izy sady niandry an’ i Jesosy ho avy. Niverina tsy niaraka taminy ny mpitondra hafatra nilaza izao hafatra izao : Tsy ho fahafatesana no anton» izany aretina izany, koa nofikiriny ny fanantenana fa ho velona i Lazarosy. Niezaka Izy tamim-pitiavana nilaza teny fanantenana sy fampaherezana tamin’ ilay nijaly efa saiky tsy nahatsiaro tena. Rehefa maty i Lazarosy, dia nangidy ny fahadisoam-panantenany, tsapany anefa fa ny fahasoavan’ i Kristy manohana azy, ary niaro azy tsy hieritreritra ny hanamelohana ny Mpamonjy izany. IFM 561.2
Rehefa ren’ i Kristy ny hafatra, dia noheverin’ ny mpianatra fa noraisiny tamin’ ny fomba mangatsiaka izany. Tsy naneho ny alahelo nampoizin’ izy ireo fa hasehony Izy. Nijery azy ireo Izy ka nanao hoe : «Tsy ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra». Nijanona teo amin’ ny toerana nisy Azy Izy nandritra ny roa andro. Zava-miafina ho an’ ny mpianatra io fotoana nahemotra io. Ho fampaherezana ho an’ ilay ankohonana tra-pahoriana ny fanatrehany, hoy’ ny fiheviny. Ny fitiavana mafana ho an’ ilay mpianakavy tao Betania, dia fantatry ny mpianatra tsara, ka gaga izy fa tsy namaly ilay hafatra mampalahelo hoe : «Marary ilay tianao». IFM 561.3
Nandritra ny roa andro Kristy toa nanala ilay hafatra tsy ho ao an-tsainy ; tsy niteny momba an’ i Lazarosy Izy mantsy. Nahatsiaro an’ i Jaona Mpanao batisa ilay mpialoha lalana an’ i Jesosy ny mpianatra. Nahagaga azy ny antony namelan’ i Jesosy an’ i Jaona hiaritra fahoriana any an-tranomaizina, sy ho fatin’ ny herisetra, nefa Izy manana hery hoenti-manao fahagagana italanjonana. Raha manana hery toy izany Izy, nahoana Kristy no tsy namonjy ny ain’ i Jaona ? Napetraky ny Fariseo matetika io fanontaniana io, izay nampiseho izany ho fonjan-kevitra tsy azo valiana manohitra ny filazan’ i Kristy ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra. Efa nampitandrina ny mpianatra ny Mpamonjy ny amin’ ny fisedrana, ny fatiantoka sy ny fanenjehana. Handao azy ve Izy rehefa ao anatin’ ny fitsapana. Nisy nanontany raha diso ny fiheveran’ izy ireo ny asa nanirahana Azy: Samy sahiran-kevitra lalina izy rehetra. IFM 562.1
Rehefa niandry roa andro Jesosy, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe : «Andeha isika ho any Jodia indray». Nanontany ny mpianatra ny antony niandrasany roa andro, raha ho any Jodia ihany Jesosy. Ny fiahiahiana momba an’ i Kristy sy ny tenany izao no mavesatra indrindra tao an-tsainy. Tsy nisy afa-tsy loza mananontanona no hitany teo amin’ ny dia izay handeha hataony. «Raby ò, hoy izy, vao haingana teo no nitadiavan’ ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany va Hianao ?» Jesosy namaly hoe : «Tsy roa ambin’ ny folo va ny ora amin’ ny indray andro ?» Eo ambanin’ ny fitarihan’ ny Raiko Aho, raha mbola manao ny sitrapony Aho, dia azo antoka ny fiainako. Tsy mbola nifarana ny ora roa ambin’ ny folo amin’ ny indray andro ho Ahy. Niditra teo amin’ ny sisa farany amin’ ny Androko Aho ; nefa raha mbola misy tafajanona ny amin’ izany, dia azo antoka ny Amiko. IFM 562.2
«Raha misy mandeha amin’ ny antoandro, hoy Izy nanohy, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’ izao tontolo izao». Izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra, izay mandeha amin’ ny lalana nosoritan’ Andriamanitra, dia tsy mety hotafintohina sy ho lavo. Ny fahazavan’ ny Fanahin’ Andriamanitra mitarika, dia manome azy fahalalana mazava ny amin’ ny andraikiny, ka mitarika azy tsara hatramin’ ny fiafaran’ ny asany. «Fa raha nisy kosa mandeha amin’ ny alina, dia ho tafintohina izy, satria tsy misy mazava ao aminy». Izay mandeha amin’ ny lalana nofidin’ ny tenany amin’ izay tsy niantsoan’ Andriamanitra azy, dia ho tafintohina. Mivadika ho alina mantsy ny andro ho azy, ary na aiza na aiza alehany, dia tsy azo antoka ny aminy. IFM 562.3
«Izany no nolazainy ; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika ; fa handeha hamoha azy Aho». «Matory Lazarosy sakaizantsika». Manohina tokoa ireo teny ireo ! Feno firaisam-po tokoa ! Raha nieritreritra ny loza mananontanona izay hihatra Aminy raha mankany Jerosalema ny mpianatra, dia saiky hadinon’ izy ireo ilay fianakaviana misaona any Betania. Tsy toy izany anefa Kristy. Nahatsapa ny mpianatra fa nomen-tsiny. Efa diso fanantenana izy satria tsy namaly haingakaingana kokoa ny hafatra Kristy. Nalaim-panahy hihevitra izy fa tsy nanana fitiavana mamy ho an’ i Lazarosy sy ny anabaviny araka izay niheverany azy Izy, raha tsy izany dia niverina haingana niaraka tamin’ ny mpitondra hafatra Izy. Ny teny hoe : «Matory Lazarosy sakaizantsika» anefa, dia nampifoha ny fihetseham-po araka izay izy tao an-tsainy. Resy lahatra izy fa tsy nanadino ny sakaizany nijaly Izy tsy akory. IFM 563.1
«Dia hoy ny mpianatra taminy : Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany. Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany ; fa nataon’ izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin’ ny torimaso no nolazainy. Asehon’ i Kristy ho toy ny torimaso ny fahafatesana amin’ ny zanany izay mino. Miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra ny fiainany, ary mandra-panenon’ ny trompetra farany, dia hatory ao Aminy izay maty. IFM 563.2
«Ary tamin’ izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe : Maty Lazarosy ; ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo ; fa andeha isika hankany aminy». Tsy afaka nahita afa-tsy fahafatesana voaomana ho an’ ny Tompony i Tomasy raha mankany Jodia Izy ; nankahery saina anefa izy ary hoy izy tamin’ ny mpianatra hafa : «Andeha koa isika mba hiara-maty Aminy». Fantany ny fankahalan’ ny Jiosy an’ i Kristy. Fikasan’ izy ireo ny hanao drafitra hahafaty Azy. Tsy nahomby anefa io fikasana io, satria mbola nisy tafajanona ny fotoana natokana ho Azy. Nandritra o fotoana io dia nisy fiarovan’ ny anjelin’ ny lanitra teo amin’ i Jesosy ; ary na dia teo amin’ ny faritr’ i Jodia aza, izay niokoan’ ny raby amin’ izany fomba izany handraisana Azy sy hamonoana Azy, dia tsy mety hisy loza hanjo Azy. IFM 563.3
Gaga ny mpianatra tamin’ ny tenin’ i Kristy hoe : «Maty Lazarosy. Ary faly Aho ... satria tsy teo Aho». Moa ve safidin’ ny Mpamonjy ny tsy ho ao amin’ ny tokantranon’ ny sakaizany tao anatin’ ny fahoriana ? Toa havela ho irery Maria sy Marta ary Lazarosy teo am-pialan’ aina. Tsy irery anefa izy. Nahita ny toejavatra manontolo Kristy, ary taorian’ ny nahafatesan’ i Lazarosy dia notohanan’ ny fahasoavany izy mirahavavy nisaona. Vavolom-belon’ ny fahoriana mandrotika ny fony Jesosy, raha niady tamin’ ilay fahavalo mahery, dia ny fahafatesan’ ny anadahiny.Tsapany ny fanaintainana sy ny tebiteby rehetra, raha niteny tamin’ ny mpianany Izy hoe : «Maty Lazarosy». Nefa tsy ireo malalany tany Betania ihany no eritreretin’ i Jesosy ; ny fitaizana ny mpianany koa tokony hoheveriny. Ho solontenany eo amin’ izao tontolo izao ireo, mba hahatratra ny rehetra ny fitahian’ ny Ray. Ho azy ireo dia navelany ho faty Lazarosy. Raha nanafaka azy tamin’ ny aretina Izy ka namerina azy tamin’ ny fahasalamana, dia tsy ho vita ny fahagagana izay porofo mazava indrindra ny toetra amam-panahy maha-Andriamanitra Azy. IFM 564.1
Raha tao amin’ ny efitra nisy ny marary Kristy, dia tsy maty i Lazarosy. satria tsy ho nanan-kery taminy i Satana. Tsy ho azon’ ny fahafatesana natao ny nandefa ny zana-tsipikany tamin’ i Lazarosy eo anatrehan’ Ilay Mpanome aina. Noho izany dia nijanona lavidavitra Kristy. Navelany hampiasa ny heriny ny fahavalo, mba hahazoany mandroaka azy, ho fahavalo efa resy. Nekeny handalo eo amin’ ny fanjakan’ ny fahafatesana i Lazarosy ; koa nahita ny anadahiny napetraka tao am-pasana izy mirahavavy tra-pahoriana. Fantatr’ i Kristy fa raha mijery ny endriky ny fahafatesana eo amin’ ny anadahiny izy dia hosedraina mafy ny finoany an’ Ilay Mpanavotra azy. Fantany anefa fa noho ny tolona izay atrehiny ankehitriny, dia hamirapiratra amin-kery be lavitra ny finoany. Nampahory Azy ny fanaintainana sy ny fijaliana rehetra niaretany. Raha nitaredretra Izy dia tsy nampihena ny fitiavany azy izany, nefa fantany fa hisy fandresena ho azo, ho azy mirahavavy, ho an’ i Lazarosy, ho an’ ny tenany, ary ho an’ ny mpianany. IFM 564.2
«Noho ny aminareo», «mba hinoanareo». Ho an’ izay rehetra miezaka hahatsapa ny tanan’ Andriamanitra mitarika, ny fotoana maha-akaiky indrindra ny fanampian’ Andriamanitra no misy ny fahakiviana lehibe indrindra. Hitodika hijery ny lasa izy ka ho feno fisaorana ny amin’ ny faritra maizina indrindra teo amin’ ny lalana nodiaviny. «Fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy»21 Pt.2 : 9. Hitondra azy hivoaka avy amin’ ny fakam-panahy rehetra sy ny litsapana rehetra Izy, manana finoana matanjaka kokoa sy fanandramana sarobidy kokoa. IFM 564.3
Raha nampihemotra fotoana Kristy hankany amin’ i Lazarosy, dia nanam-pikasana feno famindrampo Izy ho an’ ireo izay tsy nandray Azy. Nitaredretra Izy, mba hahazoany manome porofo hafa indray ho an’ ny vahoakany mafy hatoka, sy tsy mino, amin’ ny alalan’ ny fananganany an’ i Lazarosy tamin’ ny maty, fa Izy tokoa no «fananganan’ ny maty sy fiainana». Tsy nekeny izany hahafoy ny fanantenana rehetra momba ny vahoakany, ho an’ ilay ondry mahantra, mirenireny ao amin’ ny ankohonan’ Isiraely. Nahavaky ny fony ny tsy fetezany hibebaka. Noho ny famindrampony, dia nikasa ny hanome azy porofo iray indray Izy, fa Izy no Mpamboatra ny rava. Ilay hany afaka mitondra ny fiainana sy ny tsy fahafatesana eo amin’ ny mazava. Porofo tsy ho azon’ ny mpisorona disoana izany. Izany no antony nampitaredretra Azy ho any Betania. Io fahagagana fara-tampony io, dia ny nananganana an’ i Lazarsoy no nametraka ny tombo-kasen’ Andriamanitra teo amin’ ny asany sy teo amin’ ny filazany ny maha-Andriamanitra Azy. IFM 565.1
Raha teny an-dalana ho any Betania Jesosy, araka ny fanaony, dia nanao asa fanompoana ho an’ ny marary sy ny sahirana. Rehefa tonga tao an-tanàna Izy dia nandefa iraka ho azy mirahavavy hilaza ny fahatongavany. Tsy niditra avy hatrany tao an-trano i Kristy, fa nijanona tamin’ ny toerana mangingina teo amoron-dalana. Tsy nifandrindra tamin’ ny toe-tsain’ i Kristy ny fisehosehoana be, ivelambelany fanaon’ ny Jiosy amin’ ny fahafatesan’ ny havana aman-tsakaiza. Reny ny feon’ ny fitarainan’ ireo mpitomany nokaramaina, ka tsy naniry ny hahita azy mirahavavy eo amin’ izany toe-javatra mikorontana izany Izy. Teo anivon’ ireo sakaiza nitomany, dia nisy ny havana ao amin’ ny fianakaviana, nisy nanana toerana sy andraikitra ambony tao Jerosalema. Anisan’ ireny dia nisy ny fahavalon’ i Kristy masiaka indrindra. Fantatr’ i Kristy ny fikasan’ izy ireo, ary noho izany dia tsy nampahafantatra ny tenany avy hatrany Izy. IFM 565.2
Nentina mangingina teo amin’ i Marta ny hafatra, hany ka tsy nandre ny olon-kafa tao amin’ ny efitra nisy azy. Rendrika tao amin’ ny fahoriany i Maria ka tsy nandre ny teny. Nitsangana avy hatrany i Marta ka nandeha nitsena ny Tompony ; noheverin’ i Maria anefa fa lasa nankany amin’ ny toerana nandevenana an’ i Lazarosy izy, ka mbola nipetraka ihany i Maria, tao anatin’ ny alahelony, tsy niloa-peo. IFM 566.1
Niolomay i Marta hitsena an’ i Jesosy, ny fony nidobodoboky ny fihetseham-po nifanohitra. Hitany soritra teo amin’ ny endriny ny fihetseham-po mitory ihany ilay fahalemem-panahy sy ilay fitiavana nasehony azy ireo mandrakariva. Tsy nihozongozona ny fahatokiany Azy, fa nahatsiaro an’ ilay anadahiny malala izy, ilay tian’ i Jesosy indrindra koa. Tamin’ alahelo nipololotra avy ao ampony noho Jesosy tsy tonga talohan’ izao, nefa tamin’ ny fanantenana fa na dia ankehitriny aza dia hisy hataony hampionona azy ireo, no nitenany hoe : «Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko». Efa naverimberin’ izy mirahavavy imbetsaka ireo teny ireo tao anatin’ ny kotaba nataon’ ny mpitomany. IFM 566.2
Tamin’ ny fangorahan’ ny maha-olombelona sy maha-Andriamanitra no nijeren’ i Jesosy ny endriny feno alahelo sy ahiahy. Tsy te-hitantara mihitsy ny zavatra efa lasa i Marta ; voambara tao amin’ ireto teny mampangorakoraka ireto avokoa ny zavatra rehetra : «Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko». Nefa raha nibanjina ity endrika feno fitiavana izy dia nampiany hoe : «Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona hangatahinao amin’ Andriamanitra, dia homen’ Andriamanitra Anao». IFM 566.3
Nampaherezin’ i Jesosy ny finoany ka hoy Izy hoe : «Hitsangana ny anadahinao». Tsy natao hiteraka fanantenana fa hisy fiovana eo no eo ny valinteniny. Nitarika ny fisainan’ i Marta ho any ankoatry ny fananganana ny anadahiny amin’ izao andro izao Izy, ka nafantony amin’ ny fitsanganan’ ny marina izany. Izany no nataony mba ahazoany mahita ny fitsanganan’ i Lazarosy, ho antoky ny fitsanganan’ ny marina rehetra, sy toky fa ho tanterahin’ ny herin’ ny Mpamonjy izany. IFM 566.4
Namaly i Marta hoe : «Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ ny fitsanganan’ ny maty amin’ ny andro farany». IFM 566.5
Mbola niezaka ihany Jesosy hampitodika ny finoany ho eo amin’ ny lalana tsara, ka nambarany hoe : «Izaho no fananganana ny maty sy fiainana». Ao amin’ i Kristy no misy fiainana, araka izay niandohany, tsy nindramina, tsy noraisiny avy tamin’ ny hafa. «Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana»31 Jao. 5 : 12. Ny maha-Andriamanitra an’ i Kristy no antoky ny fiainana mandrakizay ho an’ ny mpino. «Izay mino Ahy, hoy Jesosy, na dia maty aza, dia ho velona indray ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao ?» Eto Kristy dia mibanjina ny fotoana hiaviany fanindroany. Amin’ izay dia hitsangana tsy ho lo intsony ny marina, ary ny marina velona dia hafindra ho any an-danitra táy hahita fahafatesana. Ny fahagagana izay efa hataon’ i Kristy, amin’ ny fananganana an’ i Lazarosy amin’ ny maty, dia hampiseho ny fitsanganan’ ny marina rehetra amin’ ny maty. Ny teniny sy ny asany no nambaran’ ny tenany ho Mpanao ny fananganana amin’ ny maty. Ilay efa ho faty tsy ho ela eo amin’ ny hazo fijaliana, dia nijoro teo nanana ny fanalahidin’ ny fahafatesana mpandresy ny fasana, ary nanantitrantitra ny zony sy ny fahefany hanome fiainana mandrakizay. IFM 566.6
Ny tenin’ ny Mpamonjy hoe: «Mino izany va hianao?» dia novalian’ i Marta hoe : «Mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’ izao tontolo izao». Tsy azony feno ny teny nataon’ i Kristy, nefa niaiky ny finoany ny mahaAndriamanitra Azy Izy, sy ny fahatokiany fa afaka mahatanteraka na inona na inona tiany hatao Izy. IFM 567.1
Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an’ i Maria rahavaviny, nanao hoe : «Tonga ny mpampianatra ka miantso anao». Nolazainy mangingina araka izay azony natao ny hafatra nentiny ; niomana ny hisambotra an’ i Jesosy mantsy ny mpisorona sy ny mpanapaka raha vantany vao misy fotoana mety amin’ izany. Nanakana ny teniny tsy ho re ny kiakiakan’ ny mpitomany. IFM 567.2
Raha nandre ny antso i Maria, dia nitsangana haingana izy, ary nisoritra teny amin’ ny endriny ny hafanam-po raha nivoaka ny trano izy. Noheverin’ ny mpitomany fa lasa nankany amin’ ny fasana izy hitomany, ka narahiny. Rehefa tonga teo amin’ ny toerana niandrasan’ i Jesosy izy, dia nandohalika teo an-tongony, ka niteny tamin’ ny molotra nipararetra hoe : «Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko». Nampahory azy ny kiakiakan’ ny mpitomany ; naniry mafy hilaza teny fohy mangingina tamin’ i Jesosy izy. Fantany anefa ny faharatsiana sy ny fialonana nankafizin’ ny sasany nanatrika teo tao am-pony, nenti-namely an’ i Kristy ka voasakana tsy hampiseho tanteraka ny alahelony izy. IFM 567.3
«Ary Jesosy, nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa. dia vonto ny fanahiny, ka torakovitra Izy». Novakiany ny tao am-pon’ izay rehetra nivory teo. Hitany fa fisehosehoana fotsiny teo amin’ ny olona maro izay natao ho fanehoana alahelo izany. Fantany fa nisy tamin’ ireo olona ireo, izay manao ranomaso mihatsaravelatsihy ankehitriny, no hamolavola tsy ho ela ny hahafaty, tsy an’ Ilay mpanao fahagagana mahery fotsiny, fa an’ ilay natsangana tamin’ ny maty koa. Azon’ i Kristy natao ny nanendaka teny aminy ny fitafiana nilazany fa malahelo izy. Nosakanany anefa ny hatezerany ara-drariny. Ny teny izay azony nolazaina amin’ ny fahamarinana rehetra, dia tsy nolazainy, noho ilay tiany nandohalika tamin’ alaleho teo an-tongony, izay tena nino Azy marina. IFM 568.1
«Aiza moa no nandevenanareo azy» hoy ny fanontaniany. Dia hoy ireo taminy : «Tompoko, andeha hizaha». Niara-niainga ho any amin’ ny fasana izy. Toe-javatra mampahonena izany. Notiavina tokoa i Lazarosy, ary vaky ny fon’ ny anabaviny nitomany azy, ary ny sakaizany dia nampifangaro ny ranomasony tamin’ ny azy mirahavavy misaona. Raha nahita ity fahorian’ ny olombelona Jesosy, sy nahita fa mitomany ny maty ny sakaizany ory dia ory nefa teo anilany ny Mpamonjy an’ izao tontolo izao, — dia «nitomany Jesosy». Na dia Zanak’ Andriamanitra aza Izy, dia naka ny endriky ny maha-olombelona teo aminy ary voahetsiky ny alahelon’ ny olombelona Izy. Ny fony be fitiavana sy mangoraka dia voatohin’ ny fahoriana mandrakariva haneho firaisam-po. Miara-mitomany amin’ izay mitomany Izy, ary miara-mifaly amin’ izay mifaly. IFM 568.2
Tsy ny firaisam-pony amin’ ny maha-olombelona Azy tamin’ i Maria sy Marta ihany no nitomanian’ i Jesosy. Tao amin’ ny ranomasony dia nisy alahelo mihoatra noho ny alahelon’ olombelona tahaka ny haavon’ ny lanitra ambonin’ ny tany. Tsy nitomany an’ i Lazarosy Kristy, satria efa hiantso azy hivoaka ny fasana Izy. Nitomany Izy satria maro amin’ ireo izay mitomany an’ i Lazarosy ankehitriny no hamolavola drafitra tsy ho ela hamonoana an’ Ilay fananganana ny maty sy fiainana. Nefa manao ahoana no tsy fahaizan’ ny Jiosy tsy mino mandray ny dikan’ ny ranomasony ! Nisy izay tsy afaka nahita mihoatra noho ny toe-javatra ivelambelany amin’ izay nitranga teo anatrehany ho anton’ ny alahelony, ka nanao hoe : «Akory ity haben’ ny fitiavany azy !» Ny hafa kosa niezaka ny handatsaka ny voan’ ny tsy finoana tao am-pon’ izay nanatrika teo, niteny sady nanesoeso hoe : «Moa tsy hain’ Ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity ?» Raha nanana hery hamonjy an’ i Lazarosy Kristy, nahoana ary no navelany ho faty izy ? IFM 568.3
Ny mason’ ny finoana no nahitan’ i Kristy ny fandrafian’ ny Fariseo sy ny Sadoseo. Fantany fa nanomana mialoha izay hamonoana Azy izy. Fantany fa nisy tamin’ ireo izay toa mampiseho firaisam-po erý ankehitriny no hanakatona tsy ho ela ny varavaran’ ny fanantenana sy ny vavahadin’ ny tanànan’ Andriamanitra ho an’ ny tenany. Hisy zavatra hitranga amin’ ny fanetrena Azy sy ny fanomboana Azy amin’ ny hazo fijaliana, ary ny ho vokatr’ izany dia ny fandravana an’ i Jerosalema, ary amin’ izany fotoana izany tsy hisy fitomaniana ny maty. Naseho mazava teo anatrehany ny valin-keloka hihatra amin’ i Jerosalema. Hitany i Jerosalema hodidinin’ ny legiona Romana. Fantany fa betsaka amin’ ireo izay mitomany an’ i Lazarosy ankehitriny no ho faty amin’ ny fahiranon’ ny tanàna, ary tsy hisy fanantenana amin’ ny fahafatesan ireo. IFM 569.1
Tsy noho ny toe-javatra teo anatrehany ihany no nitomanian’ i Kristy. Teo Aminy ny vesatry ny fahorian’ ny taonjato nifandimby. Hitany ny vokatra mahatsiravin’ ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra. Hitany fa eo amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao nanomboka teo amin’ ny nahafatesan’ i Abela, dia tsy nitsahatra ny adin’ ny tsara sy ny ratsy. Nibanjina ny taona ho avy Izy, dia hitany ny fahoriana sy ny alahelo, ny ranomaso sy ny fahafatesana, izay ho anjaran’ ny olombelona. Voatsindrona ny fony noho ny fahorian’ ny fianakavian’ ny olombelona amin’ ny taonjato rehetra sy eo amin’ ny tany rehetra. Navesatra teo amin’ ny fanahiny ny fahorian’ ny taranaka mpanota, ka vaky ny loharanon’ ny ranomasony raha naniry ny hanamaivana ny fijaliany rehetra Izy. IFM 569.2
«Dia vonto indray ny fanahin’ i Jesosy ka nankeo amin’ ny fasana Izy». Napetraka tao amin’ ny zohy tao anatin’ ny vatolampy i Lazarosy, ary nisy vato lehibe natao teo anoloan’ ny fidirana. «Esory ny vato», hoy Kristy. Noheverin’ i Marta fa ta-hahita ny maty fotsiny Izy ka nitsivalana izy nilaza fa efa efarana no nandevenana ny maty, ka efa nanomboka ny asan’ ny fahalovana. Io fanambarana io, izay natao talohan’ ny nananganana an’ i Lazarosy, dia tsy nisy nahazoan’ ny fahavalon’ i Kristy nilaza fa nisy fitaka natao tao. Teo aloha ny Fariseo dia nampiely filazana sandoka mikasika ny fanehoana mahagaga indrindra ny herin’ Andriamanitra. Rehefa nanangana ny zanakavavin’ i Jairo Kristy, dia hoy Izy : «Tsy maty razazavavy, fa matory»4Maraka. 5 : 39. Satria vao haingana izy no narary, ary natsangana taorian’ ny nahafatesany avy hatrany, dia nilaza ny Fariseo fa tsy maty akory ilay zaza ; fa Kristy mihitsy no nilaza fa matory fotsiny izy. Niezahany naseho fa tsy afaka manasitrana ny aretina Kristy, fa nisy fihetsiketsehana fetsifetsy teo amin’ ny fahagagana nataony. Tamin’ ity kosa anefa, tsy nisy afaka nandà fa maty i Lazarosy. IFM 569.3
Rehefa handeha hanao asa Jehovah, dia misy atosik’ i Satana hanohitra izany. «Esory ny vato», hoy Kristy. Amboary araka izay azo atao ny lalana ho amin’ ny asako. Nivoitra anefa teto ny toetran’ i Marta mahery sitrapo sy be hambom-po. Tsy tiany ho hitan’ ny maso ilay vatana fa efa miha-lo. Votsa ny fon’ ny olombelona tsy hahazo ny tenin’ i Kristy, ka tsy namikitra ny tena dikan’ ny teny fikasan’ i Kristy ny finoan’ i Marta. IFM 570.1
Nanome tsiny an’ i Marta Kristy, nefa nataony tamim-pahalemem-panahy fatratra ny teniny. «Tsy voalazako va fa raha mino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra ?» Nahoana janao no tokony hisalasala ny amin’ ny heriko ? Nahoana no manana fisainana manohitra ny fangatahako ? Manana ny teniko ianao. Raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra. Tsy afaka manakana ny asan’ Ilay Manana ny hery rehetra ireo zavatra tsy hain’ ny nofo. Tsy fanetren-tena tsy akory ny fisalasalana sy ny tsy finoana. Ny finoana ny tenin’ i Kristy amin’ izao no fanetrentena marina sy tena fampileferana marina ny «izaho». IFM 570.2
«Esory ny vato». Azon’ i Kristy natao ny nibaiko ny vato hiala, ary ho nankatò ny feony izany. Azony natao ny nibaiko ny anjely izay teo akaiky teo hanao izany. Raha nibaiko Izy, dia ho nisy tanana tsy hita maso nanaisotra ny vato. Tanan’ olombelona anefa no tsy maintsy nanala izany. Tian’ i Kristy naseho tamin’ izany fa tokony hiara-miasa ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra. Izay azon’ ny herin’ olombelona atao, dia tsy asaina ataon’ ny herin’ Andriamanitra. Tsy miala amin’ ny fanampian’ ny olona Andriamanitra. Mampahery azy Izy, miara-miasa aminy rehefa mampiasa ny hery sy ny fahaizana nomena azy izy. IFM 570.3
Narahina ny baiko. Nakodia ny vato. Natao ampahibemaso sy tamin’ ny fomba malina ny zavatra rehetra. Navela hahita ny rehetra fa tsy nisy fitaka natao. Mitsitra ao amin’ ny fasany anaty vatolampy ny vatan’ i Lazarosy, mangatsiaka sy mangina ao amin’ ny fahafatesana. Nangina tampoka ny fikiakiakan’ ny mpitomany. Zendana sy nanampo zavatra ny olona ka nijoro nanodidina ny fasana, niandry ny hahita izay hiseho manaraka. IFM 570.4
Tony dia tony Kristy nijoro teo anoloan’ ny fasana. Nahatsapa fahamasinana manetriketrika ny nanatrika rehetra teo. Nandroso akaiky ny fasana kokoa Kristy. Nanandratra ny masony tamin’ ny lanitra Izy ka nanao hoe : «Raiko Ò, misaotra anao Aho fa efa nihaino Ahy Hianao». Tsy ela talohan’ izao, dia nampangain’ ny fahavalony ho niteny ratsy an’ Andriamanitra Kristy, ka nandray vato hitora-bato Azy izy, noho Izy nilaza ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra. Nampangainy ho nanao fahagagana tamin’ ny alalan’ ny herin’ i Satana Izy. Eto anefa Kristy dia milaza an’ Andriamanitra ho Rainy, ka nambarany tamin’ ny fahatokiana tanteraka fa Zanak’ Andriamanitra Izy. IFM 571.1
Tamin’ izay rehetra nataony, dia niara-niasa tamin’ ny Rainy Kristy. Nimasoany mandrakariva ny mampiseho mazava fa tsy niasa samirery Izy ; tamin’ ny alalan’ ny finoana sy ny fivavahana no nanaovany fahagagana. Tian’ i Kristy ho fantatry ny rehetra ny fifandraisany amin’ ny Rainy : «Ray, hoy Izy, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. Raha Izaho dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao, fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no ilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy». Eto ny mpianatra sy ny vahoaka dia homena ny porofo mandresy lahatra indrindra mikasika ny fifandraisana misy amin’ i Kristy sy Andriamanitra. Aseho azy fa tsy fitaka tsy akory ny filazana nataon’ i Kristy momba ny tenany. IFM 571.2
«Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe : Ry Lazarosy, mivoaha». Mazava ny feony, ka nanagorobaka sy nandoaka ny sofin’ ny maty. Raha niteny Izy dia namirapiratra teo amin’ ny maha-Andriamanitra ny mahaolombelona. Hitan’ ny olona teo amin’ ny endriny izay nohazavain’ ny voninahitr’ Andriamanitra, ny fahatokiana ny heriny. Nifantoka tamin’ ny varavaran’ ilay zohy ny maso rehetra. Nanongilan-tsofina ny rehetra hihaino ny feo malefaka indrindra. Liana dia liana sady nitaintaina ny rehetra niandry ny nisedrana ny maha-Andriamanitra an’ i Kristy, ny porofo mazava izay hampivaingana ny fitakiany ho Zanak’ Andriamanitra, na handrava ny fanantenana ho mandrakizay. IFM 571.3
Nisy nihetsika tao amin’ ny fasana mangina, dia nijoro teo amin’ ny varavaram-pasana ilay efa maty. Voasakan’ ny lambampaty izay nametrahana azy ny fihetsiny ka hoy Kristy tamin’ ireo mpijery zendan’ ny hagagana : «Vahao izy, ka avelao handeha». Naseho azy indray fa tokony hiara-miasa amin’ Andriamanitra ny olombelona mpiasa. Tokony hiasa ho an’ ny olombelona ny mahaolombelona. Novahàna i Lazarosy, dia nijoro teo anatrehan’ ny olona, tsy toy izay nahian’ ny aretina ka nalemy sy nangozohozo ny tongotr’ aman-tanany, fa toy ny olona ao anatin’ ny ainy tsara indrindra, sy ao anatin’ ny heriny maha-lehilahy mendrik’ andriana azy. Namirapiratry ny saina matsilo sy ny fitiavan’ ny Mpamonjy azy ny masony. Niankohoka teo an-tongotr’ i Jesosy izy nidera Azy. IFM 572.1
Sinan’ ny hagagana aloha ny mpitazana. Nanaraka izany dia nisy fanehoam-pifaliana sy fankasitrahana tsy hay lazaina. Noraisin’ izy mirahavavy toy ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny anadahiny tafaverina ho velona, ka naneho ny fisaorany ny Mpamonjy tamin’ ny feo tapatapaky ny ranomasom-pifaliana izy. Raha mbola nifaly tamin’ izany fihaonana izany izy mianadahy sy ny sakaizany, dia nisintona tsy ho eo Jesosy. Rehefa nitady Ilay Mpanome aina izy ireo, dia tsy hita Izy. IFM 572.2