Teo amin’ ny Jiosy. ny faharoa ambin’ ny folo taona no faritra nampisaraka ny fahazazana sy ny fahatanorana. Rehefa tonga teo amin’ io taona io ny zazalahy hebreo dia natao hoe zanaky ny lalàna, sy zanak’ Andriamanitra koa. Nomena tombon-tsoa manokana indrindra izy mba handraisany fampianarana ara-pivavahana, ary navela handray anjara tamin’ ny fetim-pivavahana sy ny fombampivavahana masina izy. Araka izany fomba izany no nahatonga an’ i Jesosy namangy tany Jerosalema tamin’ ny Paska fony Izy mbola zazalahy kely. Toy ny nataon’ ny Isiraelita mpivavaka tsara, dia niakatra i Josefa sy Maria hanatrika ny Paska ; ary rehefa ampy taona Jesosy, dia nentiny niaraka taminy.1Ny Lioka 2 : 41-51 no nakana ity toko ity. IFM 63.1
Nisy telo ireo fetim-pivavahana fanao isan-taona : ny Paska, ny Pentekosta ary ny Fetin’ ny Tabernakely, izay nibaikoana ny lehilahy rehetra tao Isiraely mba hisehoany eo anatrehan’ i Jehovah tany Jerosalema. Ny Paska no nahavory olona be indrindra tamin’ ireo fetim-pivavahana ireo. Betsaka ny Jiosy nanatrika avy tamin’ ny tany rehetra izay niparitahany. Marobe ireo mpivavaka tonga avy tamin’ ny faritr’ i Palestina manontolo. Andro maro no nanaovana ny dia avy tany Galilia, ary niaraka betsaka ny mpandeha mba ho tafara-dalana sy hifampiaro. Ny vehivavy sy ny lahiantitra dia nitaingina omby na ampondra rehefa fiakarana mideza sy lalana be vato. Ny lehilahy matanjaka kokoa sy ny tanora dia mandeha an-tongotra. Nifanojo tamin’ ny faran’ ny Marsa na tamin’ ny fiandohan’ ny Avrily ny andron’ ny Paska, ka rakotry ny voninkazo mamirapiratra ny tany sady heniky ny kalokalon’ ny vorona. Teny an-dalana rehetra teny dia nisy toerana nahatsiarovana ny tantaran’ ny Isiraely, ary naverin’ ny ray sy ny reny tamin’ ny zanany ny tantaran’ ny fahagagana efa nataon’ Andriamanitra ho an’ ny vahoakany tamin’ ny andro lasa. Nanary dia tamin’ ny hira sy ny mozika izy teny an-dalana ary rehefa ela ny ela ka tazana ny tilikambon’ i Jerosalema. dia niara-niredona ny hiram-pandresena ny feo rehetra nanao hoe : IFM 63.2
«Ny tongotray efa mijoro
Eo anatm’ ny vavahadinao, ry Jerosalema o . . .
Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao ;
Fanambinana anie ho ao an-dapanao»2Salamo 122 : 2, 7. IFM 64.1
Niandoha tamin’ ny nahaterahan’ ny firenena Hebreo ny fitandremana ny Paska. Tamin’ ny alina faran’ ny nanandevozana azy tany Egypta, tamin’ ny fotoana izay toa tsy nisy antoky ny fanafahana mihitsy. tamin’ izay no nibaiko azy hiomana ny handeha avy hatrany Andriamanitra. Efa nampitandrina an’ i Farao Izy ny amin’ ny fitsarana farany hataony amin’ ny Egyptiana ary nanoro hevitra ny Hebreo hanangona ny fianakaviany ao amin’ ny trano fitoerany. Rehefa notentenina ny ran’ ny zanak’ ondry novonoina ny tolam-baravarana dia nihinana ny zanak’ ondry natsatsika niaraka tamin’ ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy izy. «Ary toy izao no hataonareo, hoy Izy, raha mihinana azy ; ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tànanareo ; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’ i Jehovah»3Eksodosy 12:11. Tamin’ ny misasak’ alina dia maty ny lahimatoan’ ny Egyptiana rehetra. Izao no hafatra nalefan’ ny mpanjaka ho an’ ny Isiraely : «Mitsangàna. mialà eto amin’ ny vahoakako hianareo;. . . ary mandehana ka manompoa an’ i Jehovah araka ny nolazainareo». Firenena mahaleotena ny Hebreo raha nivoaka avy tany Egypta. Nobaikoin’ i Jehovah hotandremana isan-taona ny Paska. «Ary raha hanontany anareo, hoy Izy, ny zanakareo hoe : Inona no anton’ izao fanompoana ataonareo izao, dia ho lazainareo hoe : izao dia famonoana ny Paskan’ i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy»4Eksodosy 12: 31,26,27.Toy izany no hamerenana ny tantaran’ io fanafahana mahagaga io amin’ ny taranaka mifandimby. IFM 64.2
Nanaraka ny Paska dia nisy ireo fito andro firavoravoana nihinanana mofo tsy misy masirasira. Ny andro firavoravoana faharoa. dia naseho teo anatrehan’ i Jehovah ny amboaram-bary santatry’ ny vokatry ny taona. Tandindon’ ny asan’ i Kristy avokoa ny fanompoam-pivavahana rehetra natao tamin’ izany. Mampiseho lesona azo tsapain-tanana momba ny fanavotana ny fanafahana ny Isiraely avy tany Egypta, ary nokasaina hotazonina ao an-tsaina amin’ ny alalan’ ny Paska izany. Samy naneho ny Mpamonjy na ny zanak’ ondry voavono, na ny mofo tsy misy masirasira, na ny amboaran’ ny voaloham-bokatra. IFM 65.1
Ho an’ ny ankabeazan’ ny olona tamin’ ny andron’ i Kristy, dia efa nanjary fombafomba ivelambelany fotsiny ny fitandremana io androm-piravoravoana io. Nanao ahoana kosa ny dikan’ izany tamin’ ny zanak’ Andriamanitra ! IFM 65.2
Voalohany izao Jesosy zaza no nijery ny tempoly. Hitany ireo mpisorona niakanjo fotsy, manao ny asa fanompoany be voninahitra. Nobanjininy ilay biby natao fanatitra nivoa-dra teo ambonin’ ny alitara. Niara-niondrika nivavaka tamin’ ny olona lzy. raha niakatra teo anatrehan’ Andriamanitra ny setroky ny fofo-manitra. Nanatrimaso ireo fomba fanao mampieritreritra fatratra tamin’ ny fanompoam-pivavahana tamin’ ny Paska lzy. Nihanazava taminy isan’ andro ny dikany. Toa mifamatotra amin’ ny fiainany ny ambaratonga rehetra. Nisy fihetseham-po vaovao nifoha tao Aminy. Nangina sady variana lzy ka toa nandinika zava-tsarotra lehibe. Niharihary teo amin’ ny Mpamonjy ny zava-miafin’ ny asa nanirahana Azy. IFM 65.3
Revo nibanjina ireo toe-javatra ireo lzy ka tsy nijanona teo akaikin’ ny ray.aman-dreniny. Nitady ny ho irery lzy. Rehefa nifarana ireo fanompoam-pivavahana momba ny Paska, dia mbola nitarcdrctra tao amin’ ny kianjan’ ny tempoly Izy ; ary rehefa niala tao Jerosalema ny mpivavaka, dia tafajanona Izy. IFM 65.4
Nirin’ ny ray aman-drenin’ i Jesosy ny hampifandray Azy tamin’ ireo mpampianatra lehibe tao Isiraelý tamin’ iny nandalovany tany Jerosalema iny. Nankatò ny teny manokana rehetra avy amin’ Andriamanitra mantsy lzy, nefa tsy nanaraka ny fombam-pivavahana sy ny fanaon’ ny raby. Nanantena i Josefa sy Maria fa ho voatarika hanao ny fanaon’ ny raby nahita fianarana ambony Izy ka hazoto kokoa hankatò izay takian’ izy ireo. Andriamanitra anefa no efa nampianatra an’ i Jesosy tao amin’ ny Tempoly. Ary izay noraisiny dia nozarainy avy hatrany. IFM 65.5
Tamin’ izany andro izany dia nisy efitrano nifandray tamin’ ny tempoly izay natokana ho sekoly masina. araka ny fanao tao amin’ ireo sekolin’ ny mpaminany. Tao no nivorian’ ireo raby mpitarika niaraka tamin’ ny mpianany, ary tao no naiehan’ i Jesosy zaza. Nipetraka teo an-tongotr’ ireo olona avara-pianarana tsy mitsiky lzy, ary nihaino ny fampianarany. Tahaka ny olona nitady fahendrena lzy ka nametraka fanontaniana tamin’ ireo mpampianatra mikasika ny faminaniana sy ny toe-javatra nitranga tamin’ izany fotoana izany izay manondro ny fiavian’ ny Mesia. IFM 66.1
Toy ny olona mangetaheta ny tahalalana an Andriamanitra Jesosy . Ny fanontaniana napetrany dia namohatoha tahamarinana lalina izay nohamaizinina hatry ny ela ela nefa iankinan ny famonjena ny lanahy. Ny fanontaniana tsirairay dia nampiseho ny maha-ety sy ivelambelany ny fahendren’ ny olon-kendry. sady nitondra lesona avy amin’ Andriamanitra teo imasony. no nametraka ny fahamarinana tamin’ ny endriny vaovao. Nilaza ny amin ny fanandratana mahagaga izay ho tojo amin ny tirenena Jiosy noho ny fiavian’ ny Mesia ny raby. Jesosy kosa nampiseho ny faminanian’ 1 lsaia, ary nanontany azy ireo ny dikan’ ireo teny izay manondro ny fahoriana sy ny tanafatesan ny Zanak Ondrin Andriamanitra. IFM 66.2
Fanontaniana no nasetrin’ ireo mpahay lalàna Azy ary talanjona noho ny valinteny nataony izy ireo. Tamin’ ny fanetren-tenan’ ny zaza no namerenany ny tenin’ ny Soratra Masina. ka nomeny dikany lalina izany, izay tsy noheverin’ ireo olon-kendry ireo. Raha narahina ireo fahamarinana nosoritany sy notondroiny, dia nety ho nitondra asa fanavaozana teo amin’ ny fivavahana tamin’ izany andro izany. Nety ho nifoha ny fitiavana lalina ny zavatra ara-panahy ; ary rehefa nanomboka ny asany Jesosy, dia maro no ho vonona ny handray Azy. IFM 66.3
Fantatry ny raby fa tsy nianatra tao an-tsekoliny Jesosy ; nefa nihoatra lavitra ny fahatakaran’ izy ireo ny fahatakarany ny faminaniana. Nahitany fanantenana be ity zazalahy Galiliana lalimpisainana ity. Niriny ny hahazo Azy ho mpianany, mba hahatonga Azy ho mpampianatra ao Isiraely. Tiany horaisina ho andraikiny ny fanabeazana Azy satria tsapany fa izy no tsy maintsy hamolavola io saina hafa kely io. IFM 66.4
Nampihetsika ny fony, tsy mbola nisy tahaka izany mihitsy nataon’ ny teny navoakan’ ny vavan’ olombelona, ny tenin’ i Jesosy. Niezaka ny hanome fahazavana ho an’ ireo mpitarika tao Isiraely Andriamanitra, ka ny fitaovana nety ho tratrany ihany no nampiasainy. Noho ny avonavony dia noheveriny fa tsy mendrika azy ny handray fampianarana avy amin’ olon-kafa na iza na iza. Rahaniseho ho nanandrana ny hampianatra azy Jesosy. dia ho nataony tsinontsinona ny hihaino Azy. Nandoka tena anefa izy ireo fa hoe nampianatra Azy. na fara faharatsiny nitsapa ny fahaizany Soratra Masina izy. Naharesy lahatra ny hevitra nibahana tao an-tsainy ny fanetren-tena sy ny toetra soa teo amin’ ny fahatanoran’ i Jesosy. Tsy tsapany akory ny nisokafan’ ny sainy handray ny tenin’ Andriamanitra ary niteny tamin’ ny fony ny Fanahy Masina. IFM 66.5
Tsy afaka ny tsy ahita izy fa tsy mifanaraka amin’ ny faminaniana ny fanantenany mikasika ny Mesia : nefa tsy te-hiala amin’ ny fampianarana izay efa nandokadoka ny hambom-pony izy. Tsy te-hanaiky izy fa diso ny nandraisany ny Soratra Masina izay nolazainy fa ampianariny. Nifanontany izy hoe : Ahoana no ahaizan’ ity zazalahy itý. neta tsy nianatra mihitsy ? Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina ; «fa ny maizina tsy nandray azy»5Jao.1:5. IFM 67.1
Nitebiteby be sady nalahelo mafy kosa Josefa sy Maria. Raha niainga tao Jerosalema dia efa tsy hitany Jesosy. ary tsy fantany fa mbola nijanona tany aoriana tany Izy. Be dia be ny mpiara-dia avy any Galilia. Betsaka ny filanjevoana raha niala tao an-tanàna izy ireo. Ny fahafinaretana tamin’ ny fiarahana amin’ ireo havana amantsakaiza no nahavariana azy fatratra teny an-dalana, hany ka tsy nomarihiny akory ny tsy nahateo Azy raha tsy efa alina ny andro. Rehefa nijanona hiala sasatra izy dia nahatsiaro banga fa tsy teo ilay tanan-janany mpanampy azy. Noheveriny fa niara-dia taminy foana Izy ka tsy nisy nampitebiteby azy. Na dia mbola tanora aza Izy. dia efa nanana fahatokiana Azy amin’ izao izy ireo. ary noheveriny fa rehefa misy ilàny Azy dia ho vonona hanampy azy Izy, ka hikarakara mialoha izay ilainy tahaka ny efa fanaony. Nifoha anefa izao ny tahotra tao am-pon’ izy ireo. Notadiaviny tany amin’ ireo mpiara-dia taminy Izy, nefa tsy nisy vokany izany. Nipararctra izy nahatsiaro ny fomba niezahan’ i Heroda hamono Azy fony Izy mbola zaza. Ratsy ny eritreritra nameno ny fony. Nanameloka ny tenany tamim-pangidiana izy. IFM 67.2
Niverina tany Jerosalema izy ka nanohy ny fikarohany. Ny ampitson’ iny, raha nifangaro tamin’ ireo mpivavaka tao amin’ ny tempoly izy, dia nisy feo fantany tsara nitana ny sainy. Tsy mety ho diso hevitra ny amin’ izany izy ; tsy misy feo hafa tahaka ny Azy : hentitra sy mitory hafanam-po, nefa mamelovelo fatratra. IFM 67.3
Tao amin’ ny sekolin’ ny raby no nahitany an’ i Jesosy. Na dia faly dia faly aza izy, dia tsy hainy nohadinoina ny alahelony sy ny tebitebiny. Rehefa tonga teo aminy Izy, dia hoy ny reniny nanao teny mifono fanomezan-tsiny : «Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Hianao ? He ! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao !» «Nahoana no nitady Ahy hianareo ? hoy ny navalin’ i Jesosy. Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho ?» Ary toa tsy azon’ ireo ny teny nataony, dia nanondro miakatra Izy. Teo amin’ ny endriny mazava dia namirapiratra tao amin’ ny maha-olombelona Azy ny maha-Andriamanitra. Raha nahita Azy tao amin’ ny tempoly izy ireo. dia efa nahare izay niseho taminy sy ireo raby. ary talanjona izy ireo noho ny fanontaniany sy ny valinteniny. Nitarika hevitra nifampitohy izay tsy hohadinoina mihitsy ny teniny. IFM 68.1
Ny fanontaniana napetrany tamin’ izy ireo koa dia nifono lesona. «Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto amin’ ny raharahan’ ny Raiko Aho ?» Niditra tao amin’ ny asa izay nahatongavany teto amin’ izao tontolo izao Jesosy : i Josefa sy Maria kosa nanao an-tsirambina ny azy. Voninahitra ambony no efa nomen’ Andriamanitra azy tamin’ ny nanankinany ny Zanany taminy. Ny anjely masina no efa nitarika ny dian’ i Josefa mba hiarovana ny fiainan’ i Jesosy. Nefa nandritra ny indray andro maninjitra dia tsy teo imasony Ilay tsy tokony hohadinoina na dia fotoana fohy aza. Ary rehefa afaka ny tebitebiny, dia tsy nanameloka ny tenany izy, fa Izy indray no nomeny tsiny. IFM 68.2
Zavatra ara-dalàna tamin’ ny ray aman-drenin’ i Jesosy ny nihevitra Azy ho zanaky ny tenany. Teo aminy Izy isan’ andro, ary teo amin’ ny lafiny maro dia tahaka ny an’ ny zaza rehetra ny fiainany. ka sarotra ho azy ireo ny hahatsapa marina fa Zanak’ Andriamanitra Izy. Loza nananontanona azy ny tsy fahaizany mankasitraka ny fitahiana natolotra azy tamin’ ny fanatrehan’ ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Ny alahelony noho ny fisarahany taminy, sy ny fanomezan-tsiny amim-pitiavana izay noraketin’ ny teniny, dia nokendrena mba handatsaka ao am-pony ny fahamasinan’ ny fitokisana izay napetraka taminy. IFM 68.3
Tamin’ ny valinteny nataon’ i Jesosy tamin’ ny reniny, dia voalohany izao no nanehoany fa azony tsara ny fifandraisany. tamin’ Andriamanitra. Talohan’ ny nahaterahany dia hoy ny anjely tamin’ i Maria : «Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy: ary hanjaka amin’ ny taranak’ i Jakoba mandrakizay Izy»6Lioka 1:32,33.. Efa nolanjalanjain’ i Maria tao am-pony ireo teny ireo; na dia nino aza izy fa ho Mesian’ Isiraely ny zanany, dia tsy nazava taminy ny iraka nampanaovina Azy. Tamin’ izay fotoana izay dia tsy azony ny teniny ; fa fantany kosa fa notsipahiny ny fihavanany ara-nofo tamin’ i Josefa, ary nambarany ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy. IFM 68.4
Tsy hoe ninia tsy nihevitra ny fifandraisany tamin’ ny ray aman-dreny teto an-tany tsy akory Jesosy. Rehefa avy tany Jerosalema Izy dia niara-niverina taminy tany an-tokantranon’ izy ireo. ka nanampy azy teo amin’ ny fiainany sy ny asa mafy. Nafeniny tao am-pony ny zava-miafina momba ny iraka nampanaovina Azy. ka nilefitra Izy niandry ny fotoana voatondro hidirany ao amin’ ny asany. Nandritra ny valo ambin’ ny tolo taona taty aorian’ ny nilazany ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy. dia nanaiky ny fatorana izay nampiray Azy tamin’ ny tokantrano tao Nazareta lzy. ka nanantanteraka ny adidiny amin’ ny maha-zanaka. rahalahy. sakaiza sy olom-pirenena Azy. IFM 69.1
Efa naharihary tao amin’ ny tempoly ny iraka nampanaovina an’ i Jesosy, koa nialany ny fifampikasohana tamin’ ny vahoaka. Niriny ny hiray dia mangingina avy any Jerosalema miaraka amin’ ireo izay nahalala ny tsiambaratelon’ ny fiainany. Ny fanompoampivavahana tamin’ ny Paska dia niezahan’ Andriamanitra niantsoana ny vahoakany hiala amin’ ny ahiahy araka izao tontolo izao sy hampahatsiahy azy ny asa mahagaga nataony tamin’ ny nanafahany azy avy tany Egypta. Niriny ny ahitan’ izy ireo ny teny fikasana momba ny fanafahana amin’ ny fahotana teo amin’ io asa io. Tahaka ny ran’ ny zanak’ ondry novonoina niaro ny tokantranon’ ny Isiraely, dia tahaka izany koa ny ran’ i Kristy izay hamonjy ny fanahiny ; nefa tsy ho voavonjy amin’ ny alalan’ i Kristy izy raha tsy mandray ny fiainany ho azy amin’ ny alalan’ ny finoana. Tsy misy heriny ny fanompoam-pivavahana ara-tandindona raha tsy mitarika ny mpivavaka amin’ i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana izy. Nirin’ Andriamanitra ny hahavoatarika azy ho amin’ ny fandinihana arahim-pivavahana ny iraka nampanaovina an’ i Kristy sy ny fieritreretana lalina an’ izany. Nefa raha niala tao Jerosalema ny vahoaka marobe, dia matetika loatra no nameno ny sainy ny fahafinaretana teny am-pandehanana sy ny fifandraisana eo amin’ ny mpiara-monina, ary hadino ny fanompoam-pivavahana vao natrehiny. Tsy voasarika hiara-dia tamin’ ireo ny Mpamonjy. IFM 69.2
Satria tokony hiaraka samirery amin’ i Jesosy i Josefa sy Maria raha avy tany Jerosalema. dia nanantena Izy fa hitarika ny sainy ho eo amin’ ny faminaniana mikasika ny fijalian’ ny Mpamonjy. Teo Kalvary dia niezaka ny hanamaivana ny fahorian-dreniny Izy. Nieritreritra azy Izy izao. Hanatri-maso ny ady mihatra aman’ aina larany ho zakainy i Maria, koa nirin’ i Jesosy ny ahazoany ny iraka nampanaovina Azy. mba ahazoany hery hoenti-miharitra. rehefa hotsatohan’ ny sabatra ny fanahiny. Tahaka ny naliatalasaraka an’ i Jesosy taminy sy nitadiavany Azy tamim-pahoriana mandritra ny hateloana. dia toy izany koa. rehefa hatolotra ho an’ ny fahotan’ izao tontolo izao lzy. dia ho very tsy ho eo imasony indray mandritra ny hateloana. Ary rehefa mivoaka avy ao am-pasana Izy, dia hody fifaliana indray ny fahoriany. Nela ho zakany mora foana ny tebiteby momba ny fahafatesany raha azony ny Soratra Masina izay niezahan’ i Jesosy hampitodika ny sainy ankehitriny. IFM 70.1
Raha nampitoerin’ i Josefa sy Maria teo amin’ Andriamanitra ny sainy tamin’ ny alalan’ ny fieritreretana lalina sy ny fivavahana, dia ho tsapany ny fahamasinan’ ny adidy nankinina taminy, ka tsy ho very tsy teo imasony Jesosy. Ny fanaovany an-tsirambina indray andro dia nahavery ny Mpamonjy ho azy, nela dia hateloana nitebitebena teo am-pitadiavana Azy no setrin’ izany. Tahaka izany koa amintsika, ny resaka maivamaivana. ny fitenenan-dratsy na ny fanaovana an-tsirambina ny fivavahana, dia mety hahavery ny fanatrehan’ ny Mpamonjy ao anatin’ ny indray andro monja, ary mety handany andro maro hitadiavantsika Azy amim-pahoriana isika mba hahitana Azy sy hahazoana indray ny fiadanana izay verintsika. IFM 70.2
Amin’ ny fifandraisantsika samy isika. dia tokony hitandrina isika sao hadinontsika Jesosy. ka hanohy ny diantsika ihany isika, nefa tsy mahatsapa fa tsy miaraka amintsika Izy. Rehefa manjary variana loatra amin’ ny zavatra eto amin’ izao tontolo izao isika, ka tsy mieritreritra an’ Ilay fototry ny fanantenantsika ny fiainana mandrakizay. dia mampisaraka ny tenantsika amin’ i Jesosy sy ny anjelin’ ny lanitra isika. IFM 70.3
Tsy afaka mijanona eo amin’ ny toerana izay tsy aniriana ny fanatrehan’ ny Mpamonjy sy tsy hanamarihana ny tsy maha-eo Azy ireo anjely masina ireo. Izany no mampisy fahakiviana matetika toy izany eo amin’ ireo izay milaza ny tenany ho mpanaraka an’ i Kristy. IFM 71.1
Betsaka no manatrika ny fanompoam-pivavahana, ary mahazo famelombelomana sy fampaherezana avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra : nefa noho ny fanaovany an-tsirambina ny fieritreretana lalina. ny fiambenana, sy ny fivavahana. dia veriny ny fitahiana. ka hitany fa mahantra noho ny talohan’ ny nandraisany izany izy. Matetika no tsapany fa zara raha mifandray amin’ Andriamanitra izy. Tsy hitany fa azy ny fahadisoana. Noho ny nisarahany tamin’ i Jesosy. dia nosakanany ny fahazavan’ ny fanatrehany. IFM 71.2
Hahasoa antsika ny handany adiny iray isan’ andro hieritreretana sy handinihana ny fiainan’ i Kristy. Tokony horaisintsika amin’ ny lafiny tsirairay izany ary avelantsika hamikitra ny toe-javatra tsirairay ny saina. indrindra ireo toe-javatra amin’ ny faran’ ny fiainany. Rehefa mandinika maharitra toy izany ny sorona lehibe nataony ho antsika isika. dia mihamatanjaka ny fahatokiantsika Azy, mihalehibe ny fitiavantsika, ary hovonton’ ny fanahiny lalindalina kokoa isika. Raha tiantsika ny ho voavonjy amin’ ny farany, dia tsy maintsy mianatra ny leson’ ny fibebahana sy ny fanetren-tena eo am-pototry ny hazo fijaliana isika. IFM 71.3
Raha miray isika, dia mety ho fitahiana ho an’ ny tsirairay avy. Raha an’ i Kristy isika, dia ho momba Azy ny eritreritsika mamy indrindra. hampahalefaka ny fontsika ny hery miasa mangina avy amin’ Andriamanitra. Ny fibanjinantsika ny hakanton’ ny toetra amam-panahiny dia «hanova antsika ho araka ny endriny avy amin’ ny voninahitra ho amin’ ny voninahitra»72 kor. 3:18. IFM 71.4