«Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy ; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy»1Mifototra amin’ny Mat. 25 : 31-46. Toy izany no nanehoan’ i Kristy an-tsary tamin’ ny’ mpianany teo amin’ ny Tendrombohitra Oliva, ny toejavatra momba ny andro Fitsarana lehibe. Ary nasehony fa hifototra amin’ ny zavatra iray loha ny fanapahan-keviny. Rehefa tafavory eo anatrehany ny firenena, dia hisy antokon’ olona roa, ka ny anjarany ho mandrakizay dia ho voafaritr’ izay nataony na nataony an-tsirambina ho Azy eo amin’ ny tenan’ ny mahantra sy ny mijaly. IFM 685.1
Tamin’ io andro io Kristy dia tsy naneho teo anatrehan’ ny olona ny asa lehibe izay nataony ho fanavotana azy. Ny asa mahatoky nataon’ izy ireo ho Azy no nasehony. Izao no holazainy amin’ izay eo amin’ ny ankavanany : «Avia hianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao ; fa noana Aho. dia nomenareo hanina ; nangetaheta Aho, dia nampisotroinareo ; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo ; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo ; narary Aho, dia notsaboinareo ; tao an-tranomaizina Aho, dia novanginareo». Ireo izay derain’ i Kristy anefa tsy mahalala fa nanao asa fanompoana Azy izy. Izao no navalin’ i Kristy ny fanontaniany mahasahiran-kevitra azy: «Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko». IFM 685.2
Efa nambaran’ i Jesosy tamin’ ny mpianany fa hankahalain’ ny olona rehetra izy, henjehiny sy hampahoriany. Betsaka no hosintonina ivelan’ ny tokantranony ka hoentina eo amin’ ny fahantrana. Betsaka no ho trà-pahoriana noho ny aretina sy ny fihafiana. Betsaka no halefa any an-tranomaizina. Izay rehetra handao ny sakaizany na ny tokantranony noho ny anarany dia efa nampanantenainy zato heny eto amin’ ity fiainana ity. Ankehitriny dia mampanantena fitahiana manokana ho an’ izay rehetra hanompo ny rahalahiny Izy. Izay rehetra mijaly noho ny anarako, hoy Jesosy, dia tokony hahitanareo Ahy. Toy ny tokony hanompoanareo Ahy, dia tokony hanompoanareo azy koa. Izany no porofo mazava fa mpianatro hianareo. IFM 686.1
Izay rehetra niditra ho fianakavian’ ny lanitra amin’ ny alalan’ ny fahateraham-baovao, no tena rahalahin’ ny Tompontsika. Ny fitiavan’ i Kristy no mampifamatotra ny ao amin’ ny fianakaviany, ary na aiza na aiza no miharihary io fitiavana io, dia miseho ny fifandraisana amin’ Andriamanitra : «Izay rehetra tia no naterak’ Andriamanitra sady mahalala an’ Andriamanitra»21 Jao. 4 : 7. IFM 686.2
Izay derain’ i Kristy eo amin’ ny Fitsarana, dia mety ho kely fahalalana raha ny teolojia, nefa nankafy ny foto-kevitra nomen’ i Kristy izy. Fitahiana ho an’ izay manodidina azy izy noho ny hery miasa mangina avy amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Na dia teo anivon’ ny jentilisa aza dia nisy izay nankamamy ny toe-tsaina feno halemem-panahy ; talohan’ ny nahatongavan’ ny tenin’ ny fiainana tao an-tsofiny, dia efa nanasoa ny misionera izy, nanompo azy mihitsy aza na dia nampidi-doza ny ainy aza izany. Teo anivon’ ny jentilisa dia nisy ireo nanompo an’ Andriamanitra tao amin’ ny tsy fahalalany, ireo izay tsy mbola nisy olombelona nampisaina mihitsy hitondra ny fahazavana ho azy ireo tsy ho very. Na dia tsy nahafantatra ny lalàn’ Andriamanitra voasoratra aza izy, dia nandre ny feony niteny taminy teo amin’ ny zavaboary, ka nanatanteraka izay takian’ ny lalàna. Porofo mazava ny asany fa nanohina ny fony ny Fanahy Masina, ary ekena ho zanak’ Andriamanitra izy. IFM 686.3
Akory ny fahagagana sy ny ho fifalian’ ny ambany ao amin’ ny firenena sy ao amin’ ny jentilisa mandre ny teny avy amin’ ny molotry ny Mpamonjy manao hoe : «Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko». Ho manao ahoana ny fon’ Ilay Fitiavana tsy voafetra raha gaga sy faly ny mpanaraka Azy miandrandra izany teny fankasitrahana izany. IFM 686.4
Nefa tsy voafaritra ho an’ ny antokon’ olona manokana ny fitiavan’ i Kristy. Mampitovy ny tenany amin’ ny zanaky ny taranak’ olombelona rehetra Izy. Mba ahazoantsika ho tonga anisan’ ny fianakavian’ ny lanitra, dia nanjary anisan’ ny fianakavian’ ny tany Izy. Izy no Zanak’ olona, ary amin’ izany dia rahalahy ho an’ ny zanakalahy sy zanakavavin’ i Adama rehetra Izy. Ny mpanaraka Azy dia tsy tokony hahatsapa ny tenany ho tafasaraka amin’ izao tontolo izao very manodidina azy. Ampahany ao amin’ ny fianakaviam-ben’ ny olombelona ireo, ary mijery azy ireo toy ny rahalahy ho an’ ny mpanota tahaka ny ho an’ ny olona masina ny Lanitra. Voafaokan’ ny fitiavan’ i Kristy ny lavo, ny very sy ny mpanota ; ary ny asam-pitiavana rehetra atao mba hanandratana ny fanahy lavo, ny asam-pamindrampo rehetra dia ekena ho toy ny natao ho Azy. IFM 687.1
Alefa ny anjelin’ ny lanitra mba hanompo izay ho mpandova ny famonjena. Tsy fantatsika izy ireo ankehitriny ; tsy mbola aseho miharihary izay handresy, ka handray anjara amin’ ny lovan’ ny olona masina eo amin’ ny mazava, fa mivezivezy manerana ny tany amin’ ny halavany sy ny sakany ny anjelin’ ny lanitra, mitady izay hampaherezana ny malahelo, hiaro ny tra-doza, hamabo ny fon’ ny olona ho an’ i Kristy. Tsy misy iray atao an-tsirambina na dinganina. Tsy manavaka olona Andriamanitra, ary mitovy ny fikarakarany ny fanahy rehetra izay noforoniny. IFM 687.2
Raha mamoha ny varavaranao amin’ ireo olon’ i Kristy sahirana sy mijaly ianao, dia mampiantrano anjely tsy hita maso. Miantso ny mponin’ ny lanitra hiara-dia aminao ianao. Mitondra rivo-piainana masina feno fifaliana sy fiadanana izy. Mitondra fiderana eo amin’ ny molony izy, ary nisy setriny mamaly izany re any an-danitra. Mahatonga feon-java-maneno any ny asam-pamindrampo rehetra. Avy eo amin’ ny seza fiandrianany ny Ray dia manisa ny mpiasany tsy mihevitra ny tenany ho anisan’ ny fananany sarobidy indrindra. IFM 687.3
Ireo izay eo an-kavian’ i Kristy, ireo izay nanao Azy an-tsirambina teo amin’ ny tenan’ ny mahantra sy ny mijaly, dia tsy nahatsapa ny fahadisoany. Efa nahajamba azy i Satana ; tsy hitany izay adidiny amin’ ny rahalahiny. Variana tamin’ ny tenany izy ka tsy nihevitra izay ilain’ ny hafa. IFM 687.4
Ny manan-karena dia nomen’ Andriamanitra harena mba hahaazony manamaivana ny fahorian’ ny zanany sy mampahery azy ; matetika loatra anefa no tsy mampiraika azy ireo izay ilain’ ny hafa. Nahatsapa ny tenany ho ambonin’ ny rahalahiny mahantra izy. Tsy nametraka ny tenany teo amin’ ny toeran’ ny olona mahantra izy. Tsy azony ny fakam-panahy sy ny ady mafy atrehin’ ny mahantra, ka levona tao am-pony ny famindrampo. Ao amin’ ny trano sarobidy sy ny fiangonana marevaka tokoa ny mpanankarena no manidy ny tenany hisaraka amin’ ny mahantra ; ny fitaovana izay nomen’ Andriamanitra hitahiana ny sahirana dia lany tamin’ ny fanomezana fahafaham-po ny avonavona sy ny fitiavan-tena. Robaina isan’ andro ny mahantra amin’ ny fanabeazana tokony ho azony mikasika ny fitiavana sy ny famindrampon’ Andriamanitra. Efa nanomana ny ampy Izy mantsy mba hahazoan’ izy ireo fiononana eo amin’ izay ilainy, mahatonga ny fiainana ho tery izy ireny, ka matetika no voan’ ny fakam-panahy ho tonga feno fialonana, fahasarotam-piaro sy hevitra ratsy. Ireo izay tsy mba niharan’ ny faneren’ ny tsy fisiana, no matetika manao tsinontsinona ny mahantra ka mahatonga azy hahatsapa fa raisina ho toy ny faikan’ olona fadiranovana izy. IFM 688.1
Mibanjina izany rehetra izany anefa Kristy ka manao hoe : izaho no noana sy nangetaheta. Izaho no vahiny. Izaho no narary. Izaho no tany an-tranomaizina. Raha nihinana ny matsiro teo amin’ ny latabatrao nivelaran’ ny hanim-pitoloha ianao, Izaho kosa maty noana tao amin’ ny trano bongo na tao amin’ ny arabe mangina. Raha niadana tao amin’ ny tranonao fatratra dia fatratra ianao, Izaho kosa tsy nanana izay ametrahana ny lohako. Raha nampifanizina ny fitafiana sarobidy tao amin’ ny fanatonam-pitafiana ianao, Izaho kosa nitanjaka. Raha nanenjika ny fahafinaretanao ianao, Izaho kosa niaritra ny fahoriana tany an-tranomaizina. IFM 688.2
Rehefa nahihitra fanome hanina kely ho an’ ny mahantra maty noana ianao, rehefa nanome izato fitafiana rotidrotika ianao mba hiarovanao azy amin’ ny kaikitry ny fanala, mba tsaroanao ve fa manome ho an’ ny Tompon’ ny voninahitra ianao ? Nandritra ny androm-piainanao dia teo anilanao Aho teo amin’ ny tenan’ ireo tra-pahoriana, nefa tsy nitady Ahy ianao. Tsy fantatro ianao. IFM 688.3
Betsaka no mahatsapa fa ho tombon-tsoa lehibe ny hamangy ny toerana sehatry ny fiainan’ i Kristy teto an-tany, ny mandeha eo amin’ izay nodiaviny, ny mijery ny farihy izay tiany ny nampia- natra teo akaikiny, ary ny havoana sy ny lohasaha izay nitopazan’ ny masony matetika tokoa. Tsy ilaintsika anefa ny mankany Nazareta, Kapernaomy na Betania, mba hanaraka ny dian’ i Jesosy. Ho hitantsika ny dian-tongony eo anilan’ ny fandrian’ ny marary, ao amin’ ny tranobongon’ ny mahantra, eo amin’ ny lalana misy olona mifanizina ao amin’ ny tanàn-dehibe sy eo amin’ ny toerana rehetra izay misy fon’ olombelona mila fampiononana. Ny fanaovantsika izay nataon’ i Jesosy fony Izy teto an-tany. no handehanantsika eo amin’ ny diany. IFM 688.4
Mety mahita zavatra atao ny rehetra. «Ny malahelo dia ety aminareo mandrakariva»3Jao. 12 : 8, hoy Jesosy, ary tsy misy olona tokony hahatsapa fa tsy misy toerana tsy ahazoany miasa ho Azy. Antapitrisany sy an-tapitrisany ny fanahy efa ho very, voafatotry ny gadran’ ny tsy fahalalana sy ny fahotana, no tsy mbola nandre akory ny amin’ ny fitiavan’ i Kristy azy na oviana na oviana. Raha nifampisoloana ny toerantsika sy ny azy, inona no tiantsika hataony ho antsika ? Izany rehetra izany, araka izay azontsika atao, dia adidintsika lehibe indrindra ny manao izany ho azy ireo. Ny fitsipi-piainan’ i Kristy, izay tsy maintsy ijoroan’ ny tsirairaý amintsika na hahalavo antsika amin’ ny Fitsarana, dia ny hoe : «Na inona na inona tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany»4Mat. 7 : 12. IFM 689.1
Nomen’ ny Mpamonjy ny ainy sarobidy mba hanorenana fiangonana afaka hikarakara ny fanahy tra-pahoriana, halaim-panahy. Mety ho mahantra, tsy nahazo fanabeazana ary tsy fanta-daza ny antokon’ ny mpino, nefa ao amin’ i Kristy, dia mety manao asa ao an-tokantrano izy, eo amin’ ny manodidina, ao amin’ ny fiangonana, ary na dia amin’ ny faritra ivelany aza, izay hahatratra lavitra toy ny mandrakizay ny vokany. IFM 689.2
Ny fanaovana an-tsirambina an’ io asa io no nahatonga mpianatra tanora maro tokoa tsy mandroso mihitsy ankoatry ny abidian’ ny fanandramana Kristiana. Ny fahazavana izay namirapiratra tao amin’ ny fony raha niteny taminy Jesosy hoe : «Voavela ny helokao» dia azony tazonina hirehitra amin’ ny fanampiana izay sahirana. Ny herim-po tsy miato izay matetika loharano mitera-doza ho an’ ny tanora, dia azo tarihina ho amin’ ny fantsona izay hitosahan’ ny ria-pitahiana. Tokony hohadinoina ny «izaho» ao amin’ ny asa mafana hanao soa ho an’ ny hafa. IFM 689.3
Izay manompo ny hafa dia hotompoin’ Ilay Mpiandry ondry Lehibe. Izy mihitsy no hisotro amin’ ny rano velona, ka ho afapo. Tsy haniry fanalana andro manaitaitra izy, na fiovana eo amin’ ny fiainany. Ny foto-kevitra hahaliana azy dia ny hoe : «ahoana ny hamonjena ny fanahy efa ho very ?». Nisy vokany ny fifandraisana eo amin’ ny fiaraha-monina. Hitarika ny fo hiray ny fitiavana ny Mpanavotra. IFM 690.1
Rehefa zava-misy amintsika ny maha-mpiara-miasa amin’ Andriamanitra antsika, dia tsy hisy tsy firaihana eo amin’ ny filazantsika ny teny fikasany. Handoro ao am-pontsika izany, ka hirehitra eo amin’ ny molotsika. Raha nantsoina hanompo vahoaka kely fahalalana, tsy fehezin-dalàna sy mpikomy i Mosesy, dia nomen’ Andriamanitra azy ny teny fikasana hoe : «Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho». Hoy koa Izy : «Homba anao tokoa Aho»5Eks. 33 : 14 ; 3 : 1 2. Io teny fikasana io dia ho an’ izay rehetra miasa mafy eo amin’ ny toeran’ i Kristy ho an’ ny tra-pahoriana sy ny mijaly. IFM 690.2
Ny fitiavana ny olona no fisehoan’ ny fitiavan’ Andriamanitra eto an-tany. Ny hampitoetra io fitiavana io, ny hanao antsika zanaky ny fianakaviana iray no nahatonga ny Mpanjakan’ ny voninahitra ho iray amintsika. Ary rehefa tanteraka ny teny nataony raha handeha Izy hoe : «Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo»6Jao. 15:12 ; rehefa tia an’ izao tontolo izao tahaka ny nitiavany azy isika, amin’ izay dia tanteraka ho antsika ny asa nanirahana Azy. Vonona ho any an-danitra isika satria manana ny lanitra ao am-pontsika. IFM 690.3
«Vonjeo izay entina ho vonoina, ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana ! Raha hoy kosa hianao : Tsia, tsy mahalala izany izahay, moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va ? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va ? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra» 7Oha. 24:11,12 . Amin’ ny Andro Fitsarana lehibe, izay tsy niasa ho an’ i Kristy, izay nanara-drian-drano nihevitra ny amin’ ny tenany, nikarakara ny tenany, dia hapetraky ny Mpitsaran’ ny tany manontolo miaraka amin’ izay nanao ratsy. Handray fanamelohana mitovy izy. IFM 690.4
Misy adidy nankinina tamin’ ny fanahy tsirairay. Hanontany ny tsirairay Ilay Mpiandry ondry Lehibe hoe : «Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy ?» Ary foa «ahoana re no holazainao, raha hanafay anao izy ?»8Jer. 13 : 20, 21( Baiboly Anglisy) IFM 690.5