Niely nanerana an’ i Galilia ireo vaovao mahafaly nentin’ ilay mpaminany tany an-efitra sy ny fanambarana mahagaga nataony. Nahatratra ny tantsaha tany amin’ ny tanàna any amin’ ny havoana lavitra indrindra ny hafatra, nahatratra ny antokon’ ny mpanjono eny amoron-dranomasina ; namaly tamim-pahatsorana ireo fo tsotra sy mafana ireo. Voalaza tao Nazareta tao amin’ ny trano fandrafetan’ i Josefa izany ary nisy Anankiray nahafantatra ny antso. Tonga ny fotoany. Nialany ny asa fanaony andavanandro ka nanao velotna an-dreniny Izy ary nanaraka ny dian’ ireo mpiray tanàna taminy izay nirohotra ho any Jordana.1Ity toko ity dia mifototra amin’ ny Matio 3 : 13-17 ;Marka 1 9-11 Lioka 3 : 21. 22. IFM 97.1
Zanak’ olona mpirahavavy Jesosy sy Jaona mpanao batisa, ary nisy fifandraisana ety ny toe-javatra nitranga tamin’ ny nahaterahany ; nefa tsy dia nifampikasoka mivantana izy mirahalahy. Tany Nazareta any Galilia no nandanian’ i Jesosy ny fiainany; fa ny an’ i Jaona kosa tany an-efitr’ i Jodia. Samihafa tanteraka ny tontolo niainan’ izy ireo ka samy nanana ny fiainany manokana izy, sady tsy nifanerasera mihitsy. Ny fitondran’ Andriamanitra no nandahatra izany. Tsy misy antony nahazoana niampanga fa niara-nioko izy ireo hifanohana eo amin’ ny zava-kendreny. IFM 97.2
Fantatr’ i Jaona ireo toe-javatra nanamarika ny nahaterahan’ i Jesosy. Efa reny ny momba ny nandehanany tany Jerosalema tamin’ ny fahazazany sy izay nitranga tao amin’ ny sekolin’ ny raby. Fantany ny momba ny fiainany tsy misy fahotana ary nino Azy ho Mesia izy ; nefa tsy nanana antoka azo tsapain-tanana ny amin’ izany izy. Nahatonga fisalasalana ny amin’ ny maha-Mesia Azy na tsia ny nijanonan’ i Jesosy mandritra ny taona marobe toy izany tao amin’ ny takontakona, ka tsy nanomezany porofo manokana momba ny iraka nampanaovina Azy. Na dia izany aza dia niandry tamim-pinoana i Jaona mpanao batisa. Nino izy mantsy fa hazava ny zavatra rehetra rehefa tonga ny fotoana notendren’ Andriamanitra. Efa nambara taminy fa hitady ny hataon’ ny tanan’ i Jaona batisa ny Mesia, ary hisy famantarana homena amin’ izay ny amin’ ny toetra maha-Andriamanitra Azy. Amin’ izay dia ho azony atao ny haneho Azy amin’ ny vahoaka. IFM 97.3
Rehefa tonga Jesosy mba hatao batisa, dia hitan’ i Jaona teo Aminy ny fahadiovan’ ny toetra amam-panahy izay tsy mbola tsikariny na oviana na oviana teo amin’ ny olona. Na dia ny rivotry ny fanatrehany aza dia masina sady miteraka fanajana. Teo amin’ ireo vahoaka marobe izay nitangorona nanodidina azy teo amoron’ i Jordana, dia efa nandrenesan’ i Jaona tantara milaza heloka bevava mahatsiravina dia mahatsiravina sy nihaonany tamin’ ny fanahy nilofika teo ambanin’ ny enta-mavesatry ny fahotana tsy tambo isaina ; fa tsy mbola nifandray tamin’ ny olona izay hita miaina araka an’ Andriamanitra tahaka izao mihitsy izy. Izany rehetra izany dia nifandrindra tamin’ izay efa nambara tamin’ i Jaona mikasika ny fangatahan’ i Jesosy. Ataon’ izy mpanota ahoana. ny hanao batisa Ilay tsy nanota ? Ary ahoana Ilay tsy mila fibebahana akory no tsy maintsy hanaraka fombam-pivavahana ka hodiovina ? IFM 98.1
Raha nangataka ny hatao batisa Jesosy, dia nandà i Jaona ka nanao hoe : «Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankatý amiko ?» Namaly tamin’ ny fahefana hentitra nefa feno halemem-panahy Jesosy ka nanao hoe : «Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra». Nilefitra i Jaona ka nitondra ny Mpamonjy nidina ho ao Jordana. ary nandevina Azy tao amin’ ny rano. Ary raha niakatra avy teo amin’ ny rano Jesosy dia indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany «ny Fanahin’ Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny». IFM 98.2
Tsy natao batisa ho fiaikena ny heloka vitany Jesosy. Nampitoviany tamin’ ny mpanota ny tenany, ka nandeha tamin’ ny dingana tokony hataontsika Izy; ary nanao izay tokony ho nataontsika koa. Ohatra ho antsika ny fiainany feno fijaliana sy fihafiana amim-paharetana. IFM 98.3
Rehefa niakatra avy tao anaty rano Jesosy dia nandohalika nivavaka teo amoron-drano. Fotoana vaovao sy mavesa-danja no nisokatra teo anatrehany. Ankehitriny dia hiditra eo amin’ ny sehatra midadasika kokoa Izy satria ho eo amin’ ny adin’ ny fiainany. Na dia Andrianan’ ny Fiadanana aza Izy. dia tsy maintsy ho tahaka ny sabatra voatsoaka ny fiainany. Nifanohitra tanteraka tamin’ izay nirin’ ny Jiosy ny fanjakana haoriny. Ilay fototra iorenan’ ny fanompoam-pivavahana sy ny fomba fiainan’ ny Isiraely, dia hoheverina ho toy ny fahavalony sy mpandrava azy ireny. Ilay namoaka ny lalàna tao Sinay dia homelohina ho mpandika lalàna. Ilay tonga hanapaka ny herin’ i Satana dia hampangaina ho Belzeboba. Tsy nisy olona na dia iray aza teto ambonin’ ny tany nahafantatra ny momba Azy. ary mbola tsy maintsy mandeha irery koa Izy mandritra ny fotoana iasany. Tsy takatry ny reniny sy ny rahalahiny ny asa nanirahana Azy nandritra ny fiainany. Na dia ny mpianany aza tsy nahafantatra Azy. Nitoetra teo amin’ ny fahazavana mandrakizay Izy, tamin’ ny maha-iray Azy amin’ Andriamanitra, fa ny fiainany teto an-tany kosa dia tsy maintsy ho laniany amin’ ny maha-manirery Azy. IFM 99.1
Iray amintsika Izy, ka tsy maintsy mitondra ny enta-mavcsatry ny helotsika sy ny fahoriantsika. Tsy maintsy mahatsapa ny henatry ny fahotana Ilay tsy manana ota. Tsy maintsy mivelona eo afovoan’ ny adilahy Ilay tia fiadanana, tsy maintsy mitoetra eo amin’ ny lainga Ilay marina, eo amin’ ny fahalotoana sy eo amin’ ny mahavoafady May fahadiovana. Ny fahotana rehetra. ny tsy fifanarahana rehetra, ny filàna mandoto rehetra izay nentin’ ny fandikan-dalàna. dia fahoriana ho an’ ny saina amam-panahiny. IFM 99.2
Izy irery no tsy maintsy mandeha eo amin’ ny lalana ; lzy irery no tsy maintsy mitondra ny enta-mavesatra. Ho Aminy Izay efa namela ny voninahiny, ka nanaiky ny fahalemen’ ny taranak’ olombelona, tsy maintsy eo Aminy no hipetrahan’ ny fanavotana an’ izao tontolo izao. Hitany sy tsapany izany rehetra izany, nefa nitoetra tsy azo nohozongozonina ny fikasany. Niankina tamin’ ny sandriny ny famonjena ny taranaka lavo, ka natsotrany ny tanany hamikitra ny sandrin’ ny Fitiavana manana ny hery rehetra. IFM 99.3
Toa tafiditra ny lanitra no fijery ny Mpamonjy raha nipololotra avy tao amin’ ny fanahiny ny fivavahana. Fantany tsara ny efa nanamafisan’ ny fahotana ny fon’ ny olona ary fantany tsara koa fa sarotra aoka izany ny hampahafantatra azy ireo ny haben’ ny asa nanirahana Azy sy hampanaiky azy ireo ny fanomezam-pahasoavan’ ny famonjena. Nitalaho hery tamin’ ny Rainy Izy hoentiny mandresy ny tsy finoan’ ireo sy hoentiny manapaka ny gadra izay namatoran’ i Satana azy, ary hoentiny mandresy ilay mpandringana azy ireo. Nangataka vavolombelona hanambara Izy fa eken’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny Zanany ny taranak’ olombelona. IFM 99.4
Tsy mbola nihaino fivavahana toy izany mihitsy ny anjely. Naniry fatratra ny hilaza hafatra mitondra toky sy fampaherezana ho an’ Ilay Lehibeny malalany izy ireo. Tsy izany anefa fa ny Ray mihitsy no hamaly ny fangatahan’ ny Zanany, avy eo amin’ ny seza fiandrianana mivantana izay itarafan’ ireo tara-pahazavan’ ny voninahiny. Mivoha ny lanitra ary misy fahazavana madio indrindra miendrika voromailala midina eo amin’ ny lohan’ ny Mpamonjy, izay sary nahalaza tsara ny tena toeny, Ilay malemy fanahy sady tsy miavona am-po. IFM 100.1
Ankoatran’ i Jaona dia vitsy teo amin’ ireo vahoaka marobe tao Jordana, no nahafantatra ilay fahitana avy any an-danitra. Na izany aza dia tsapan’ ny mpivory ny haja sy ny voninahitry ny fanatrehan’ Andriamanitra. Nangina sy gaga ny vahoaka nibanjina an’ i Kristy. Rakotry ny fahazavana izay manodidina mandrakariva ny seza fiandrianan’ Andriamanitra ny tenany manontolo. Notafina voninahitra tahaka izay tsy mbola hita hatrizay hatrizay teo amin’ ny tavan’ olombelona ny tavany niandrandra ny lanitra. Nisy feo re avy tamin’ ny lanitra nisokatra nanao hoe : Tty no Zanako malalako Izay sitrako». IFM 100.2
Natao ireo teny fanamafisana ireo mba hanainga finoana ao amin’ izay nanatri-maso ny toe-javatra sy mba hampahery ny Mpamonjy eo amin’ ny asa nanirahana Azy. Na dia teo aza ny fahotan’ izao tontolo izao meloka izay napetraka teo amin’ i Kristy, na dia teo aza ny fietren’ ny tenany tamin’ ny nandraisany teo Aminy ny tenantsika lavo. ilay feo avy any an-danitra dia nanambara Azy ho Ilay Zanak’ Ilay maharitra mandrakizay. IFM 100.3
Nanohina fatratra an’ i Jaona ny nahita an’ i Jesosy niankohoka sy nitalaho, nangataka tamin-dranomaso ny fankasitrahan’ ny Ray. Raha nanodidina Azy ny voninahitr’ Andriamanitra, ka re ilay feo avy any an-danitra, dia neken’ i Jaona fa io ilay famantarana efa nampanantenain’ Andriamanitra. Fantany fa Ilay Mpanavotra an’ izao tontolo izao no efa nataony batisa. Nitoetra teo Aminy ny Fanahy Masina, ary naninjitra ny tanany Izy ka nanondro an’ i Jesosy sady niteny hoe : «Indro ny Zanak’ Ondrin’ Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao». IFM 100.4
Tsy nisy tamin’ ireo nihaino azy, ary na dia izy niteny izany aza, no nahafantatra ny lanjan’ ireo teny manao hoe : «Zanak’ Ondriiv Andriamanitra». Raha teo amin’ ny tendrombohitra Moria Abrahama dia nandre ny fanontanian’ ny zanany hoe : «Ry ikaky ò,. . . aiza izay ondry hatao fanatitra hodorana ?» Namaly azy rainy ka nanao hoe : «Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra odorana»2Gen. 22:7,8. Koa hitan’ i Abrahama tao amin’ ilay ondrilahy nomanin’ Andriamanitra hisolo toerana an’ Isaka ny tandindon’ Ilay ho faty ho an’ ny fahotan’ ny olona. Ny Fanahy Masina tamin’ ny alalan’ ny Isaia mpaminany, dia nandray io sary fanazavana io, ka niteny toy izao momba ny Mpamonjy : «Tahaka ny zanak’ ondry entina hovonoina Izy», «Ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra»3Isa.53: 7,8. ; tsy azon’ ny vahoakan’ Isiraely anefa ny lesona. Maro tamin’ izy ireo no nihevitra toy ny jentilisa ny fanatitra nentiny teo amin’ ny fisoronana, dia fanomezana izay ahazoan’ ny tenany ihany mampitony ny Andriamaniny. Tian’ Andriamanitra ny hampianatra azy ireo fa avy amin’ ny fitiavany no iavian’ ny fanomezana izay nampihavana azy Aminy. IFM 101.1
Ny teny izay natao tamin’ i Jesosy tao Jordana manao hoe : «Ity no Zanako malalako izay sitrako», dia mahafaoka ny taranak’ olombelona. Niteny tamin’ i Jesosy amin’ ny maha-solontenan’ ny olombelona Azy Andriamanitra. Na dia teo aza ny fahotantsika rehetra sy ny fahalementsika rehetra, dia tsy ahilika isika satria tsy mendrika. Nohasoavina «ao amin’ ny Malala»4Efes.1:6. isika. Ny voninahitra izay nitoetra teo amin’ i Kristy dia antoka fa tia antsika Andriamanitra. Manambara amintsika ny herin’ ny fivavahana izany sy ny fahazoan’ ny feon’ olombelona ho ren’ Andriamanitra, ary anekena any amin’ ny lapan’ ny lanitra ny fangatahantsika. Noho ny fahotana, dia tafasaraka tamin’ ny lanitra ny tany, ka nanjary vahiny tamin’ ny fifandraisana taminy ; nampiraisin’ i Jesosy tamin’ ny faritry ny voninahitra indray anefa izany. Nanodidina ny olona ny fitiavany, ka nahatratra ny lanitra ambony indrindra. Ny fahazavana izay nitaratra avy tamin’ ireo varavarana nivoha ka nipaka hatreny amin’ ny tavan’ ny Mpamonjy dia hilatsaka amintsika raha mivavaka hangataka ny fanampiana hoenti-manohitra ny fakampanahy isika. Ilay feo izay niteny tamin’ i Jesosy dia milaza amin’ ny fanahy mino tsirairay hoe : «Ity no zanako malalako izay sitrako». IFM 101.2
«Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy. dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika lzy, dia izay tena endriny tokoa»51 Jao. 3:2. Nanokatra ny lalana Ilay Mpanavotra antsika, hany ka ny mpanota indrindra, ny sahirana indrindra, ny fadiranovana sy diso fanantenana indrindra, dia mety mahita lalana mankeo amin’ ny Ray. Samy mety mahazo toerana ao amin’ ny fonenana izay nomanin’ i Jesosy ny olona rehetra. «lzao no lazain’ Izay Masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’ i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy mamoha; . . . indro. efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy»6Apok3:7, 8. IFM 102.1