Raha ho any Galilia Jesosy dia namakivaky an’ i Samaria. Nitataovovonana ny andro raha tonga teo amin’ ny lohasaha kanton’ i Sikara Izy. Teo an-dohan’ izany lohasaha izany no nisy ny fantsakan’ i Jakoba. Vizana noho ny dia nataony Izy ka nipetraka teo niala sasatra raha lasa nividy sakafo ny mpianany.1Mifototra amin’ ny Jaona 4: 1-12 ity toko ity IFM 181.1
Mpifahavalo nifankahala tokoa ny Jiosy sy ny Samaritana, ary araka izay azo natao dia nialany ny fifampiraharahana rehetra. Ny manao varotra amin’ ny Samaritana anefa, raha nilaina izany, dia noheverin’ ireo raby ho ara-dalàna ; fa nomelohina kosa izay fifampi-raharahana rehetra eo amin’ ny fiaraha-monina. Tsy azon’ ny Jiosy atao ny mindrana na dia tapa-mofo kely na rano iray zinga aza avy amin’ ny Samaritana, na ny mandray fahasoavana kely avy aminy. Nifandrindra tamin’ ny fomba amam-panaon’ ny fireneny ny nataon’ ireo mpianatra raha nividy sakafo izy. Nefa tsy nanao mihoatra noho izany izy ireo. Ny hitambitamby amin’ ny Samaritana, na hitady izay tombon-tsoa ho azy ireo na amin’ ny fomba inona na amin’ ny fomba inona, dia tsy niditra tao an-tsain’ ireo mpianatr’ i Kristy koa aza. IFM 181.2
Reraky ny hanoanana sy ny hetaheta Jesosy raha nipetraka teo amoron’ ny fantsakana. Lavitra ny lalana naleha iny maraina iny, ary mamely Azy izao ny masoandro mitataovovonana. Vao mainka nampitombo ny hetahetany ny fieritreretany ny rano mangatsiatsiaka akaiky dia akaiky Azy, nefa tsy azony, satria sady tsy nanana tady Izy mantsy no tsy nanana siny, nefa lalina ny fantsakana. IFM 181.3
Nanjo Azy ny nanjo ny olombelona rehetra, ka niandry olona haka rano Izy. IFM 181.4
Nisy vehivavy Samaritana nanatona izay toa tsy nahatsapa ny fanatrehany, ka nameno rano ny sininy. Raha handeha hiala teo izy, dia nangataka rano taminy Jesosy. Fangatahana toy izany tsy mba lavin’ ny tatsinanana. Any atsinanana ny rano dia antsoina hoe «fanomezan’ Andriamanitra». Noheverina ho adidy masina indrindra ny manome rano ny mpandeha mangetaheta, ka mandeha mivily lalana ny Arabo any an’ efitra mba hanatanteraka izany. Nanakana an’ ilay vehivavy tsy hanolotra izany fahasoavana izany ho an’ i Jesosy ny fifankahalana nisy tamin’ ny Jiosy sy ny Samaritana, nefa niezaka ny hahita ny fanalahidy hanokatra io fo io Jesosy, ka tamin’ ny fahaizana nateraky ny fitiavan’ Andriamanitra, dia nangataka fahasoavana Izy fa tsy nanolotra fahasoavana. Nety ho nolavina ny fahasoavana natolotra, fa ny fitokisana kosa miantso fitokisana. IFM 182.1
Tonga teo amin’ ity fanahy nolavin’ ny olona ity ny Mpanjakan’ ny lanitra, ka nangataka fanampiana avy tamin’ ny tanany Ilay nanao ny ranomasina midadasika, Ilay mifehy ny rano lalina, Ilay mamoha ny loharano sy ny lalan-drano amin’ ny tany, dia niala sasatra noho ny havizanany teo amin’ ny fantsakan’ i Jakoba, ka niankina tamin’ ny fahamoram-panahin’ ny hafa firenena taminy mba hahazoany na dia ny fanomezana rano hosotroina fotsiny aza. IFM 182.2
Hitan’ ilay vehivavy fa Jiosy Jesosy. Gaga izy ka hadinony ny namaly ny fangatahany, nefa niezaka ny hahalala ny anton’ izany izy : «Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana ?» IFM 182.3
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : «Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe : Omeo Aho hosotroiko, dia hianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona». Gaga ianao satria mangataka zavatra kely toy ny rano indray migoka avy amin’ ny fantsakana eto an-tongotsika Aho. Raha nangataka tamiko ianao, dia ho nomeko ranon’ ny fiainana mandrakizay hosotroina. IFM 182.4
Tsy azon’ ilay vehivavy ireo tenin’ i Kristy, nefa tsapany ny maha-zava-dehibe sy miezinezina an’ izany. Niova ny fihetsiny maivamaivana sy manesoeso. Noheveriny fa ny fantsakana nanoloana azy no nolazain’ i Jesosy ka hoy izy : «Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany ? Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy no nisotro teto ?» Mpandeha mangetaheta, vizaky ny lalana sady feno vovoka fotsiny no hitany teo anatrehany. Tao an-tsainy dia nampitahainy tamin’ i Jakoba Patriarka mendri-kaja Izy. Nankamamiany ny fihetseham-po voajanahary milaza fa tsy misy fantsakana mety hitovy amin’ izay nomen’ ny razambeny. Nitodika ny lasa nijery ny razambeny izy, nibanjina ny aloha sy ny fiavian’ ny Mesia ; teo anilany anefa Ilay Fanantenan’ ny razany, ny Mesia mihitsy, nefa tsy fantany. Firy firy ny fanahy mangetaheta ankehitriny no eo am-pototry ny loharano velona, nefa mibanjina lavitra mitady ny loharanon’ aina ! IFM 182.5
«Aza milaza ao am-ponao hoe : Iza no hiakatra any an-danitra ? (dia ny hampidina an’ i Kristy izany); na : Iza no hidina any amin’ ny lalina ? (dia ny hampiakatra an’ i Kristy avy any amin’ ny maty izany) . . . Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao . . ., raha manaiky an’ i Jesosy ho Tompo amin’ ny vavanao hianao ary mino amin’ ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ ny maty, dia hovonjena hianao !»2Rom. 10 : 6-9. IFM 183.1
Tsy novalian’ i Jesosy avy hatrany ny fanontaniana mikasika ny tenany, nefa nanao izao teny miezinezina izao tamin-kafanam-po Izy hoe : «Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray ; fa na iza na iza misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay». IFM 183.2
Izay mitady ny hampitony ny hetahetany amin’ ny loharanon’ izao tontolo izao, dia hisotro, nefa hangetaheta indray. Hatraiza hatraiza tsy afa-po ny olona. Maniry zavatra hitondra izay ilain’ ny fanahy izy. Anankiray ihany no afaka hanome izay ilainy. Ny ilain’ izao tontolo izao, ny irin’ ny firenena rehetra dia Kristy. Ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay Izy irery ihany no afaka mizara azy, dia toy ny rano velona, manadio, manavao sy mampahatanjaka ny fanahy. IFM 183.3
Tsy nilaza akory Jesosy fa ranon’ aina indray migoka dia ho ampy ho an’ izay mandray izany. Izay manandrana ny fitiavan’ i Kristy dia haniry bebe kokoa hatrany ; ary tsy hitady zavatra hafa intsony Izy. Tsy manintona azy ny harena, ny voninahitra sy ny fahafinaretan’ izao tontolo izao. Ny antsoantso ataon’ ny fony hatrany dia ny hoe : «Bebe kokoa hatrany ny Aminao». Ary Ilay mampiseho amin’ ny fanahy izay ilainy dia miandry mba hahafa- ny hanoanany sy ny hetahetany. Ho foana avokoa izay notehirizin’ ny olombelona sy izay ianteherany rehetra. Ho maina ny fantsakana. ho ritra ny kamory ; fa loharano tsy mety lany kosa ny Mpanavotra antsika. Azontsika atao ny misotro, ny misotro hatrany, nefa mbola hahita tahiry vaovao hatrany. Izay itoeran’ i Kristy dia manana loharanom-pitahiana ao anatiny, «loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay». Azony atao ny misintona hery sy fahasoavana ampy ho amin’ izay rehetra ilainy avy amin’ io loharano io. IFM 183.4
Raha niteny ny momba ny rano velona Jesosy, dia gaga ravehivavy nibanjina Azy tsara. Nanaitra ny sainy Izy, ka namohafoha faniriana hahazo izany fanomezana lazainy izany. Azony fa tsy ny ranon’ ny fantsakan’ i Jakoba no lazainy, satria io foana no ampiasainy, sotroiny, nefa dia mangetaheta hatrany izy. «Tompoko, hoy izy, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony». IFM 184.1
Izao dia navadik’ i Jesosy tampoka ny resaka. Alohan’ ny ahazoan’ ity fanahy ity mandray ny fanomezana izay iriny atosaka aminy, dia tsy maintsy tarihina izy hanaiky ny fahotany sy hanaiky ny famonjeny. Ary hoy Izy taminy : «Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa aty». «Tsy manam-bady aho», hoy ny navaliny. Nantenainy tamin’ izay fa ho voasakana ny fanontaniana rehetra mikasika izany. Nefa notohizan’ ny Mpamonjy hoe : «Marina ihany izay nolazainao hoe : Tsy manam-bady aho, fa efa nanam-bady indimy hianao sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny ; marina izany voalazanao izany». IFM 184.2
Nipararetra ravehivavy nihaino Azy. Nisy tanana tsy fantatra namadika ireo takila eo amin’ ny tantaram-piainany, ka nampiharihary izay niriny hokobonina mandrakizay. Iza ity Izay afaka mamaky ireo tsiambaratelo eo amin’ ny fiainany ? Tonga tao an-tsainy ny momba ny mandrakizay, ny momba ny Fitsarana ho avy, izay hampibaribary izay rehetra afenina ankehitriny. Teo amin’ izany fahazavana izany, dia nifoha ny feon’ ny fieritreretany. IFM 184.3
Tsy misy azony nolavina; nefa nataony izay rehetra azo nialana tamin’ ny fikasikasihana ny momba io zavatra mahasorena indrindra io. Hoy izy feno fanajana : «Tompoko, hitako fa Mpaminany Hianao». Manaraka izany, nanantena ny hampangina ny fahareseny lahatra izy, dia navadiny ho amin’ ny adi-hevitra ara-pivavahana ny resaka. Raha Mpaminany io lehilahy io, dia tsy maintsy hampahafantatra azy ny momba ireo anton-javatra izay niadian-kevitra hatry ny ela Izy. IFM 184.4
Navelan’ i Jesosy hotarihiny tamin’ izay nitiavany azy tamimpaharetana ny resaka. Na dia izany aza dia nandrasany izay fotoana mety hamerenany indray ny fahamarinana ao am-pony. «Ny razantsika, hoy izy, nivavaka teto amin’ ity tendrombohitra ity ; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana». Tazany teo indrindra ny tendrombohitra Gerizima. Rava ny Tempoly teo ka ny alitara no hany sisa tavela. Nanjary nifandiran’ ny Jiosy sy ny Samaritana ny toerana ivavahana. Ny sasany tamin’ ny razan’ ny Samaritana dia anisan’ ny Isiraely fahiny ; nefa noho ny fahotany, dia navelan’ Andriamanitra ho resin’ ny firenena mpanompo sampy izy ireo. Mandritra ny taranaka maro nifandimby dia nifangaro tamin’ ny mpanompo sampy izy ireo, ka nifindra miandalana taminy ny fivavahan’ ireo mpanompo sampy. Marina fa lazainy fa ireo sampy ireo dia mampahatsiahy azy fotsiny Ilay Andriamanitra velona, Ilay Mpifehy an’ izao rehetra izao ; na dia izany aza dia voatarika hivavaka tamin’ ny sary voasokitra ihany ny olona. IFM 185.1
Rehefa naorina indray ny Tempolin’ i Jerosalema tamin’ ny andron’ i Ezra, dia nirin’ ny Samaritana ny hiaraka hiasa amin’ ny Jiosy hanorina an’ i Jerosalema. Tsy nomena azy izany tombon-tsoa izany, ka vao mainka nitombo ny fifankahalana nisy tamin’ ireo vahoaka roa ireo. Nanangana Tempoly hafa teo amin’ ny tendrombohitra Gerizima ny Samaritana hifaninana amin’ ny ao Jerosalema. Nanao fanompoam-pivavahana araka ny fomba nomen’ i Mosesy tao izy ireo, na dia tsy niala tanteraka tamin’ ny fanompoan-tsampy aza. Nefa nisy loza amin’ antambo nihatra taminy. Noravan’ ny fahavalo ny Tempoliny, ary dia voaozona izy ; nefa mbola nifikitra tamin’ ny lovan-tsofiny sy ny fomba fivavahany ihany. Tsy noheveriny ho tranon’ Andriamanitra ny Tempolin’ i Jerosalema, ary tsy nekeny ho ambonin’ ny azy ny fivavahana Jiosy. IFM 185.2
Hoy Jesosy namaly an-dravehivavy : «Minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ ny Ray. Hianareo mivavaka amin’ izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’ izay fantatray satria avy amin’ ny Jiosy ny famonjena». Nasehon’ i Jesosy fa afaka tamin’ ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny Jiosy momba ny Samaritana Izy. Ankehitriny Izy dia nitady izay hampirodana ny hevitra mibahana ao an-tsain’ io Samaritana io momba ny Jiosy. Raha nanao an-tsiliantsofina Izy fa voaloton’ ny fanompoan-tsampy ny finoan’ ny Samaritana, dia nambarany fa nankinina tamin’ ny Jiosy ireo fahamarinana lehibe momba ny fanavotana, ary avy amin’ izy ireo no hiavian’ ny Mesia. Voaseho mazava tsara tamin’ izy ireo ao amin’ ny Soratra Masina ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra sy ny foto-kevitry ny Fanjakany. Nametraka ny tenany ho anisan’ ny Jiosy Jesosy, dia ireo izay nomen’ Andriamanitra fahalalana momba Azy. IFM 185.3
Tiany hasandratra ho ambonin’ ny zavatra mikasika ny fomba sy ny fanompoam-pivavahana, sy ireo anton-javatra iadian-kevitra ny sain’ ilay nihaino Azy. «Avy ny andro, hoy Izy, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy ; ary izay mivavaka Aminy tsy maintsy mivavaka amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana. IFM 186.1
Voalaza eto ny fahamarinana izay efa nasehon’ i Jesosy tamin’ i Nikodemosy tamin’ Izy nanao hoe : «Raha tsy ateraka avy any ambony ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra»3Jao. 3 : 3. Tsy ny fitadiavana tendrombohitra masina na tempoly masina no hampiray ny olona amin’ ny lanitra. Tsy tokony ho voafetran’ ny fombafomba ivelany sy ny fanompoam-pivavahana ny fivavahana. Ny fivavahana izay avy amin’ Andriamanitra no hany fivavahana izay hitarika ho eo amin’ Andriamanitra. Mba hanompoana Azy araka izay tokony ho izy, dia tsy maintsy ateraky ny Fanahin’ Andriamanitra isika. Hanadio ny fo izany ary hanavao ny saina, ka hanome antsika fahaizana vaovao hahalala sy ho tia an’ Andria-manitra. Hanome antsika finiavana hankatò ny fitakiany rehetra izany. Izany no tena fanompoam-pivavahana marina. Vokatry ny asan’ ny Fanahy Masina izany. Ny Fanahy no manonona ny fivavahana rehetra atao amin’ ny fo, ary eken’ Andriamanitra ny fivavahana toy izany. Na aiza na aiza misy fanahy mitady an’ Andriamanitra, dia miseho ny asan’ ny Fanahy, ary Andriamanitra mihitsy no hiseho amin’ io fanahy io. Mpivavaka toy izany no tadiaviny. Miandry ny handray azy ireny Izy, ka hahatonga azy ireo ho zanakalahy sy zanakavaviny. IFM 186.2
Raha niresaka tamin’ i Jesosy ravehivavy, dia latsaka tao am-pony ny teniny. Tsy mbola nandre fihetseham-po toy izany na oviana na oviana avy amin’ ireo mpisorona teo amin’ ny fireneny na avy amin’ ny Jiosy izy. Rehefa nivelatra teo anatrehany ny fiainany teo aloha dia tsaroany ny zavatra tena nilainy, tsapany ny hetahetan’ ny fanahiny, izay tsy nahazoany fahafaham-po na oviana na oviana teo amin’ ny ranon’ ny fantsakan’ i Sikara. Tsy mbola nisy hatramin’ izay zavatra nihatra taminy izay namohafoha faniriana ambony toy izao. Nandresy lahatra azy Jesosy Izay namaky ny tsiambaratelon’ ny fiainany; tsapany fa sakaizany Izy, nangoraka sy tia azy. Nanameloka ny fahotany ny fanatrehany feno fahadiovana; nefa tsy nanao teny fanamelohana Izy, ny fahasoavany kosa no nambarany taminy fa afaka manavao ny fanahy Izy. Nanomboka resy lahatra ny amin’ ny toetra amam-panahiny izy. Nipoitra tao an-tsainy ny fanontaniana hoe : «Mety ho ity ve ilay Mesia nandrasana hatry ny ela ?» Hoy izy taminy : «Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. Hoy Jesosy namaly azy : «Izaho Izay miresaka aminao no Izy». IFM 186.3
Raha nandre ireo teny ireo ravehivavy dia nitsiry tao am-pony ny finoana. Nekeny ny fanambarana mahagaga avy amin’ ny molotr’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra. IFM 187.1
Nanana toe-tsaina vonona hankasitraka io vehivavy io. Vonona handray ny fanambarana ambony indrindra izy ; nahaliana azy mantsy ny Soratra Masina ary nanomana ny sainy handray fahazavana bebe kokoa ny Fanahy Masina. Efa nianatra ny teny fikasana tao amin’ ny Testamenta Taloha izy hoe : «Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao ; Izy no hohenoinao»4Deot. 18 : 15. Niriny tokoa ny hahazo io faminaniana io. Efa namirapiratra tao an-tsainy ny fahazavana. Ny ranon’ aina, ny fiainana ara-panahy izay homen’ i Kristy ny fanahy mangetaheta rehetra, dia efa nanomboka nitsiry tao am-pony. Niasa tao aminy ny Fanahin’ i Jehovah. IFM 187.2
Ny fanambarana mazava nataon’ i Kristy tamin’ io vehivavy io dia tsy azo natao tamin’ ny Jiosy mpanamarin-tena. Tsy nilaza zavatra firy Izy rehefa niresaka tamin’ izy ireo. Izay tsy nomena ny Jiosy, ary izay nasaina notazonin’ ny mpianatra ho tsiambaratelo tatý aoriana, no naseho azy. Hitan’ i Jesosy fa hampiasainy ny fahalalany hitarihana olon-kafa hizara ny fahasoavany. IFM 187.3
Rehefa niverina ny mpianatra, dia gaga izy nahita ny Tompony niresaka tamin-dravehivavy. Tsy nisotro ny rano mangatsiatsiaka nangatahiny Izy, ary tsy niato akory Izy hihinana ny sakafo nentin’ ny mpianatra. Rehefa lasa ravehivavy, dia nangataka Azy hihinana ny mpianatra. Hitany fa nangina Izy, variana toa nisy eritreritra naha-tretrika Azy. Namirapiratry ny fahazavana ny tavany, ary natahotra ny hanapaka ny fifandraisany tamin’ ny lanitra izy ireo. Nefa fantany fa reraka sy vizana Izy, ka noheveriny fa adidiny ny mampahatsiahy Azy izay ilain’ ny vatany. Neken’ i Jesosy ny fikarakarany feno fitiavana, ka hoy Izy : «Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo». IFM 187.4
Gaga ny mpianatra izay nitondra sakafo ho Azy ; nefa nohazavainy hoe : «Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ Izay naniraka Ahy, sy ny mahavita ny asany». Rehefa namohafoha ny feon’ ny fieritreretan-dravehivavy ny teny nataony, dia ravoravo Jesosy. Hitany izany izy nisotro ny ranon’ aina ka afa-po ny hanoanany sy ny hetahetany. Ny fahatanterahan’ ny asa izay nandaozany ny lanitra hanaovany izany, dia nampahery ny Mpamonjy tamin’ ny asany, ka nanandratra Azy ho ambonin’ izay ilain’ ny olombelona. Nahafeno fankasitrahana Azy bebe kokoa ny niasa ho an’ ny fanahy noana sy nangetaheta ny fahamarinana noho ny mihinana sy ny misotro. Fampiononana sy fampaherezana ho Azy izany. Ny fanaovan-tsoa no fiainana ho an’ ny fanahiny. Nangetaheta fankasitrahana ny Mpanavotra antsika. Naha-mosarena Azy ny firaisam-po sy ny fitiavan’ ireo izay novidin’ ny ran’ ny tenany. Niriny mafy indrindra, tamin’ ny fomba tsy hay lazaina. ny hanatonan’ izy ireo Azy ka hananany fiainana. Tahaka ny reny miandry ny fitsikim-pankasitrahan’ ny zanany kely, izay manambara fa manomboka mifoha ny sainy, dia toy izany koa no iandrasan’ i Kristy ny fitiavana feno fankasitrahana izay manambara fa manomboka ny fiainana ara-panahy ao amin’ ny olona iray. IFM 188.1
Feno fifaliana ravehivavy raha nihaino ny tenin’ i Kristy. Saiky nanentanentana azy mihitsy ilay fanambarana mahagaga. Navelany ny sininy dia lasa izy niverina ho any an-tanàna hitondra ny hafatra ho an’ ny hafa. Fantatr’ i Jesosy ny antony nandehanany. Ny famelany ny sininy dia milaza mazava ny vokatry ny tenin’ i Jesosy. Faniriana marina tao amin’ ny fanahiny ny handray ny ranon’ aina, ka hadinony ny anton-diany tao amin’ ny fantsakana, hadinony ny hetahetan’ ny Mpamonjy izay nokasainy homena fahafaham-po. Diboky ny fifaliana ny fony, raha nilomay handeha hizara amin’ ny hafa ny fahazavana sarobidy efa noraisiny izy. IFM 188.2
Ary hoy izy tamin’ ny olona tao an-tanàna : «Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra. Izao angaha no Kristy ?» Nanohina ny fon’ izy ireo ny teniny. Nisy endrika vaovao hita teo amin’ ny tavany, nisy fiovana teo amin’ ny fijery azy manontolo. Liana ta-hahita an’ i Jesosy izy ireo. «Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’ i Jesosy». IFM 188.3
Raha mbola nipetraka teo amoron’ ny fantsakana Jesosy, dia nitazana ny tanimbary maitso tanora mitomandavana teo anoloany, notarafin’ ny masoandro mivolom-bolamena. Nasehony ny mpianatra izany sady nampiasainy ho sary an’ ohatra : «Moa hianareo tsy manao hoe va : Efa-bolana no sisa dia tonga ny fararano ? Indro, lazaiko aminareo : Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjaina izy». Ary raha niteny Izy, dia nijery ny olona manatona ny fantsakana. Mbola efa-bolana vao tonga ny fotoana fijinjana vary, nefa ity misy vokatra vonona ho an’ ny mpijinja. IFM 189.1
«Ary izay mijinja, hoy izy, dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. Ary amin’ izany dia marina ilay teny hoe : Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja». Eto dia nasehon’ i Kristy ny amin’ ny fanompoana masina tokony ho an’ Andriamanitra ka atolotr’ ireo efa nandray ny filazantsara. Tokony ho fiasana velona ho Azy ireo. Mitaky ny asa fanompoana samy ataon’ ny tenany manokana Izy. Ka na mamafy isika na mijinja, dia samy miasa ho an’ Andriamanitra. Ny iray mamafy ny voa ; ny iray manangona ny vokatra ; ary na ny mpamafy na ny mpijinja dia samy mandray valin’ asa. Samy mifaly amin’ ny vokatry ny asany izy. IFM 189.2
Hoy Jesosy tamin’ ny mpianany : «Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa hianareo kosa no niditra teo amin’ izay nisasarany». IFM 189.3
Nibanjina nialoha ny fanangonam-bokatra lehibe amin’ ny andron’ ny Pentekosta eto ny Mpamonjy. Tsy tokony heverin’ ny mpianatra ho vokatry ny fiezahana nataony izany. Niditra teo amin’ ny asan’ ny olona hafa izy. Hatramin’ ny nahalavoan’ i Adama, dia efa nankinin’ i Kristy tamin’ ny mpanompo nofidiny ny voan’ ny teniny, mba hafafy ao am-pon’ ny olombelona. Ary misy fiasana tsy hita maso, hery tsy voafetra mihitsy aza, efa niasa mangina, nefa amin’ ny fomba mahomby mba hitondra vokatra. Ny ranon’ ando, ny ranonorana sy ny tanamasoandron’ ny fahasoavan’ Andriamanitra dia efa nomena, mba hanavao sy hamelona ny voan’ ny fahamarinana. Efa hanondraka ny voa amin’ ny ran’ ny tenany izao Kristy. Nomena tombon-tsoa ny mpianany hiara-miasa amin’ Andria- manitra. Mpiara-miasa amin’ i Kristy izy ireo sy amin’ ny olona masina tamin’ ny andro fahiny. An’ arivony no ho voaova fo indray andro noho ny firotsahan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny Pentekosta. Vokatry ny voa nafafin’ i Kristy izany, nojinjaina avy amin’ ny asany. IFM 189.4
Ireo teny natao tamin’ ilay vehivavy teo am-patsakana dia voa tsara nafafy ary manao ahoana ny hafaingan’ ny fahazoana vokatra. Tonga nihaino an’ i Jesosy ny Samaritana ka nino Azy. Nitangorona teo Aminy teo amin’ ny fantsakana izy ireo, ary nametraka fanontaniana maro taminy ka nahazo mora foana fanazavana momba ny zavatra maro izay maizina taminy teo aloha. Raha nihaino izy ireo, dia nihanisava ny nanahirana ny sainy. Tahaka ny olona tao amin’ ny haizina be izy ireo ka manara-dia tara-pahazavana tonga tampoka mandra-pahitany ny andro. Nefa tsy nahafa-po azy ireo io resaka fohy io. May ny hihaino bebe kokoa izy sy ny handrenesan’ ireo sakaizany koa ity Mpampianatra mahagaga ity. Nasainy ho ao amin’ ny tanànany Izy, ka nangatahiny hijanona miaraka aminy. Mandritra ny roa andro dia nijanona tao Samaria Izy ka nihamaro ireo nino Azy. IFM 190.1
Nohamavoin’ ny Fariseo ny fahatsoran’ i Jesosy. Niniany tsy nofantarina ny fahagagana nataony ka nangataka famantarana izy ireo manambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra. Ny Samaritana kosa tsy nangataka famantarana, ary tsy nanao fahagagana teo amin’ izy ireo Jesosy, afa-tsy ny nanehoany ny tsiambaratelon’ ny fiainana tamin’ ilay vehivavy teo am-pantsakana. Nefa dia maro no nandray Azy. Noho ny fifaliana vaovao nameno azy ireo dia hoy izy ireo tamin-dravehivavy : «Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao». IFM 190.2
Nino ny Samaritana fa ho avy ny Mesia, tsy ho Mpanavotra ny Jiosy ihany, fa ho Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Nilaza Azy mialoha tamin’ ny alalan’ i Mosesy ny Fanahy Masina fa hoe mpaminany no hirahin’ Andriamanitra. Tamin’ ny alalan’ i Jakoba dia nolazaina fa ao Aminy no hanangonana ny vahoaka; ary tamin’ ny alalan’ i Abrahama dia nolazaina fa ao Aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. Ireo tenin’ ny Soratra Masina ireo no nampiorenan’ ny vahoaka tao Samaria ny finoany ny Mesia. Ny fandraisan’ ny Jiosy diso ny sarin’ ireo mpaminany farany ka noraisiny ho amin’ ny fiavian’ i Kristy voalohany ny voninahitry ny fiverenany fanindroany, dia nitarika ny Samaritana hampihataka ny tenin’ ny Soratra Masina rehetra, afa-tsy ireo izay nomena an’ i Mosesy. Rehefa nofafan’ ny Mpamonjy ireo dika vilana rehetra ireo, dia betsaka no nanaiky ireo faminaniana farany ireo sy ny tenin’ i Kristy mihitsy momba ny fanjakan’ Andriamanitra. IFM 190.3
Natombok’ i Kristy noravana ny efitry ny fisarahana tamin’ ny Jiosy sy ny Jentilisa, ary nanomboka nitory ny famonjena tamin’ izao tontolo izao Izy. Na dia Jiosy aza Izy, dia nifangaro tsotra izao tamin’ ny Samaritana, ka nanafoana ny fomba amam-panaon’ ny Fariseo teo amin’ ny fireneny. Teo anatrehan’ ireo hevitra mibahana tao an-tsaina dia nanaiky ny hiantrano tao amin’ ity vahoaka nohamavoina ity Izy. Natory teo ambanin’ ny tafon-tranony Izy, nihinana teo amin’ ny latabany Izy, nandray anjara tamin’ ny sakafo nomanina sy naroson’ ny tanany, nampianatra teny amin’ ny arabeny, ary nifandray tamin’ izy ireo tamin’ ny fahalemem-panahy sy ny fahalalam-pomba fatratra indrindra. IFM 191.1
Tao amin’ ny tempolin’ i Jerosalema dia nisy rindrina kely nampisaraka ny kianja anatiny tamin’ ny faritra hafa rehetra tao amin’ ny tempoly masina. Nisy soratra tamin’ ny fiteny samihafa teo, izay nilaza fa tsy nisy afa-tsy ny Jiosy no nahazo nihoatra io faritra io. Raha nisy Jentilisa sahy niditra tao amin’ ny kianja anatiny indrindra, dia ho nametaveta ny tempoly izy, ka handoa ny fahadisoany amin’ ny ainy. Jesosy kosa, izay niavian’ ny tempoly sy ny fanompoana natao tao, dia nitarika ny Jentilisa ho eo Aminy tamin’ ny alalan’ ny fatoran’ ny fangoraham-pon’ olombelona, ary ny fahasoavan’ Andriamanitra avy Aminy dia nanome azy ireo ny famonjena izay nolavin’ ny Jiosy. IFM 191.2
Ny nijanonan’ i Jesosy tao Samaria dia nokendrena mba hahasoa ireo mpianany izay mbola teo ambanin’ ny herin’ ny fivavahana jiosy mandray an-tendrony. Nihevitra izy ireo fa adidiny amin’ ny fireneny ny mitaky azy ireo hanolokolo ny fankahalany ny Samaritana. Gaga tamin’ ny fihetsik’ i Jesosy izy ireo. Tsy afaka nandà ny tsy hanaraka ny ohatra nomeny izy ireo, ka nandritra ny roa andro tao Samaria, dia nifehy ireo hevitra nibahana tao an-tsainy ny fanajany an’ i Jesosy ; tao am-pony anefa dia tsy nanaiky izy ireo. Sarotra taminy ny nianatra fa tsy maintsy ny fangorahana sy ny firaisam-po no hisolo toerana ny fanarabiany Sy ny fankahalany. Taorian’ ny niakaran’ ny Tompo ho any an-danitra anefa vao niverina indray, tamin’ ny dikany vaovao, ireo lesona nataony ho azy ireo. Rehefa nirotsaka ny Fanahy Masina, dia tsaroany indray ny fijerin’ ny Mpamonjy, ireo teny nataony, ny fanajany sy ny fitiavana hita teo amin’ ny fihetsiny tamin’ ireo hafa firenena nohamavoina. Toe-tsaina toy izany no nentin’ i Petera teo amin’ ny asany rehefa nandeha nitory tany Samaria izy. Rehefa nantsoina ho any Efesosy sy Smyrna i Jaona dia tsaroany ny fanandramana tao Sikara, ka feno fankasitrahana an’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra izy, izay nahatazana mialoha ireo zava-tsarotra tsy maintsy hifanehatra aminy, ka nanampy azy tamin’ ny ohatra nomeny. IFM 191.3
Mbola manao ny asa mitovy amin’ ny nataony fony Izy nampitobaka ny ranon’ aina tamin’ ilay vehivavy tao Samaria ihany ny Mpamonjy. Ireo izay milaza ny tenany ho mpanaraka Azy, dia mety hanamavo sy hampihataka ireo izay lavin’ ny mpiara-monina; nefa tsy misy anton-javatra eo amin’ ny nahaterahana, na eo amin’ ny firazanana, na eo amin’ ny fiainana izay afaka hampiala ny fitiavany amin’ ny zanaky ny olona. Ny fanahy tsirairay, na dia mpanota aza, dia ilazan’ i Jesosy hoe : «raha mangataka ianao, dia homeko rano velona». IFM 192.1
Tsy tokony hofeperana ny fiantsoan’ ny filazantsara, ka tsy aseho afa-tsy amin’ ny olona vitsy voafantina, izay, araka ny heverintsika, hanome voninahitra antsika raha manaiky izany. Tokony homena ny rehetra ny hafatra. Na aiza na aiza misy fo misokatra handray ny fahamarinana, dia vonona hampianatra azy Kristy. Asehony azy ireo ny Ray sy ny fanompoana eken’ Ilay mahay mamaky ny ao am-po. Amin’ ny olona toy ireny dia tsy mampiasa fanoharana Izy. Hoy Izy amin’ ireny, toy ny tamin’ ilay vehivavy tao amin’ ny fantsakana : «Izaho izay miteny aminao no Izy». IFM 192.2
Raha nipetraka hiala sasatra teo amin’ ny fantsakan’ i Jakoba Jesosy dia avy tany Jodia, izay toerana tsy namokaran’ ny asany afa-tsy kely foana Izy. Nolavin’ ireo mpisorona sy ireo raby Izy, ary na dia ny vahoaka izay nilaza fa mpianany aza, dia tsy nahita ny toetra amam-panahiny maha Andriamanitra Azy. Reraka sy vizana Izy; nefa tsy nataony an-tsirambina ny fotoana nety niresahany tamin’ ny vehivavy iray, na dia hafa firenena azy izy io, vahiny amin’ Isiraely, sady nivelona tamin’ ny fahotana mivandravandra. IFM 192.3
Tsy nandrasan’ ny Mpamonjy ny hahavory ny vahoaka. Matetika dia nanomboka ny fampianarany tamin’ ny olona vitsy nitangorona teo Aminy Izy, dia mijanona tsirairay ny mpandalo hihaino Azy, mandra-pisian’ ny vahoaka be izay gaga sy talanjona mihaino ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ity Mpampianatra nalefan’ ny lanitra. Ny mpiasa ho an’ i Kristy dia tokony hahatsapa fa afaka miteny amin-kafanam-po, na mitory amin’ ny mpihaino vitsy. na mitory amin’ ny olona betsaka. Mety ho olona iray ihany no hihaino ny hafatra ; nefa iza no afaka hilaza hoe hatraiza ny fitaran’ ny vokatry ny hery miasa avy amin’ iny olona iny ? Toa tsy dia nisy antony, na dia teo imason’ ny mpianatra aza, ny nandanian’ i Jesosy ny androny tamin’ ilay vehivavy tao Samaria. Nefa afaka nampiseho ny heviny tamin’ ny hafanam-po sy tamim-pahakingana bebe kokoa teo aminy Izy noho ny teo anatrehan’ ny mpanjaka, ny mpanolotsaina, na ny mpiroronabe. Ny lesona izay nomeny io vehivavy io dia naverimberina hatrany amin’ ny faran’ ny tany lavitra indrindra. IFM 192.4
Raha vantany vao nahita ny Mpamonjy ilay vehivavy Samaritana dia nitondra Azy teo amin’ ny hafa. Nasehony tamin’ izay fa misionera mahomby noho ireo mpianatr’ i Jesosy izy. Tsy nahita na inona na inona tao Samaria izay mampiseho saha mamporisika hiasa ny mpianatra. Nifantoka tamin’ ny asa lehibe hatao ho amin’ ny ho avy ny sainy. Tsy hitany fa nanodidina azy akaiky dia nisy vokatra tokony hangonina. Nefa tamin’ ny alalan’ ilay vehivavy izay nohamavoiny dia tanàna iray manontolo no voatarika hihaino ny Mpamonjy. Nentin-dravehivavy avy hatrany tamin’ ny mpiray tanàna taminy ny fahazavana. IFM 193.1
Io vehivavy io dia mampiseho ny vokatry ny finoana an’ i Kristy, dia finoana tsotra, ary avy hatrany dia miasa amim-pahendrena. Ny tena mpianatra marina rehetra dia teraka ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra mba ho misionera. Izay misotro ny rano velona dia manjary loharanon’ aina. Manjary mpanome ny mpandray. Ny fahasoavan’ i Kristy ao amin’ ny fanahy dia tahaka ny loharano any an’ efitra, izay miboiboika mba hampangatsiatsiaka ny rehetra sy hahatonga ireo izay efa ho faty hazoto hisotro ny ranon’ aina. IFM 193.2