Ny fifandraisan’ izao tontolo izao hita maso sy izao tontolo izao tsy hita maso, ny asa fanompoana ataon’ ny anjelin’ Andriamanitra, sy ny asan’ ny fanahy ratsy, ireo dia samy ambaran’ ny Soratra Masina mazava, ary mifamahofaho tsy azo sarahina amin’ ny tantaran’ ny olombelona. Misy fironana mitombo ho amin’ ny tsy finoana ny fisian’ ny fanahy ratsy, ary ireo anjely masina izay «fanahy manompo nirahina ho an’ izay handova famonjena» (Hebreo 1 :14) dia heverin’ ny maro ho fanahin’ ny olona maty. Ny Soratra Masina anefa dia tsy mampianatra fotsiny ny fisian’ ny anjely, na ny tsara na ny ratsy, fa mampiseho koa porofo tsy azo lavina fa tsy fanahin’ ny olona maty tsy misy vatana tsy akory izy ireo. HM 531.1
Talohan’ ny nahariana ny olombelona, dia efa nisy ny anjely, satria rehefa napetraka ny fanorenan’ ny tany dia «niara-nihira ny kintan’ ny maraina ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra» 1Joba 38 : 7. Rehefa lavo ny olombelona, dia nirahina ny anjely hiambina ny hazon’ aina, ary izany dia natao talohan’ ny nisian’ ny olombelona maty. Ambony noho ny olona ny anjely raha ny nanaovana azy, satria lazain’ ny mpanao salamo fa natao «ambany kely noho ny anjely» ny olona.2Heb. 2 : 7 HM 531.2
Ambara amintsika ao amin’ ny Soratra Masina ny momba ny isany, ny hery sy ny voninahitr’ ireo mponina any an-danitra, ny fifandraisany amin’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra, ary koa ny anjarany eo amin’ ny fanavotana. «Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra ;ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao». Ary hoy ny mpaminany hoe :«Ary nandre ny feon’ anjely maro manodidina ny seza fiandrianana aho». Ao amin’ ny efitra misy ny seza fiandrianan’ ny Mpanjakan’ ny mpanjaka no iandrasan’ ireo «anjely mahery indrindra», «ireo mpanompony izay manao ny sitrapony», «mihaino ny feon’ ny teniny» 3 Sal. 1 0 3 : 1 9-21 : Apok. 5 : 11 . Arivoarivo sy alinalina ireo mpitondra hafatry ny lanitra hitan’ ny mpaminany. HM 531.3
Lazain’ ny apostoly Paoly fa «tsy omby alinalina» izy ireo.4Dan. 7 : 10 ; Heb. 12 : 22 Amin’ ny maha-mpitondra hafatr’ Andriamanitra azy dia «nifanaretsaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka», (Ezekiela 1 :14) mamirapiratra mahajambena eo amin’ ny voninahiny ary haingam-panidina fatratra. Ilay anjely niseho teo amin’ ny fasan’ ny Mpamonjy, izay «tahaka ny helatra ny fijery azy, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala» dia nahatonga ireo mpiambina «hivadipo noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty»5Mat. 28 : 3, 4. Raha nihaika an’ Andriamanitra sy niteny ratsy Azy i Sankeriba, ilay Asyriana mpiavonavona, ka nandrahona ny handringana ny isiraely, dia «tamin’ ny alin’ io dia, avy ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo ambin’ ny valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana». Tao no nandringanana «ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy» tao amin’ ny tafik’ i Sankeriba «ka dia lasa nody amin-kenatra» izy.62 Mpanj. 19 : 35 ; 2 T an t. 32 : 21 HM 532.1
Nampanaovina iraky ny famindrampo ho an’ ny zanak’ Andriamanitra ny anjely : tamin’ i Abrahama, mba hitondra teny fikasan’ ny fitahiana ; teo am-bavahadin’ i Sodoma, mba hamonjy an’ i Lota, lehilahy marina, ho afaka tamin’ ny afo mirehitra nandevonana io tanàna io ; tamin’ i Elia, raha efa saiky maty noho ny harerahana sy ny hanoanana tany an-efitra izy ; tamin’ i Elisa, tamin’ ny kalesy sy soavaly afo nanodidina ilay tanàna kely nanaovan’ ireo fahavalony azy fahirano ; tamin’ i Daniela, raha nitady ny fahendren’ Andriamanitra tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka jentilisa izy, na navela ho viravirain’ ny liona ; tamin’ i Petera, raha voaheloka ho faty tao amin’ ny tranomaizin’ i Heroda izy ; tamin’ ireo mpifatotra tany Filipia ; tamin’ i Paoly sy ireo niara-dia taminy tao amin’ ny alina nisian’ ny tafio-drivotra tany an-dranomasina ; mba hanokatra ny sain’ i Komelio handray ny filazantsara ;mba haniraka an’ i Petera hitondra ny hafatry ny famonjena ho an’ ilay vahiny jentilisa — toy izany no niasan’ ireo anjely masina, nandritra ny taonjato nifandimby, hanao fanompoana ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra. HM 532.2
Misy anjely mpiambina notendrena ho an’ ny mpanaraka an’ i Kristy tsirairay. Miaro ny marina amin’ ny herin’ ilay ratsy ireo mpiambina avy any an-danitra ireo. Miaiky izany i Satana raha nanao hoe:«Moa tsy fanantenan-javatra va no ahatahoran’ i Joba an’ Andriamanitra ? Tsy Ianao va no nanao fefy manodidina ny tranony ary nanodidina izay ananany rehetra ?» 7Joba. 1 :9 . 10 Asehon’ ny mpanao Salamo ny fomba izay iarovan’ Andriamanitra ny vahoakany : «Ny anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy» 8Sal. 34 : 7. Hoy ny Mpamonjy raha niteny tamin’ ireo izay nino Azy : «Mitandrema fandrao manao tsinontsinona na dia iray aza amin’ ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo : Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ ny Raiko Izay any an-danitra» 9Mat. 18 : 10. Ireo anjely notendrena hanompo ny zanak’ Andriamanitra dia afaka mankeo anatrehany amin’ ny fotoana rehetra. HM 533.1
Noho izany dia azon’ ny vahoakan’ Andriamanitra antoka ny fiarovana tsy miato ataon’ ny anjelin’ ny lanitra, raha miatrika ny hery mamitaka sy ny ankasomparana tsy an-kiato afitsoky ny andrianan’ ny maizina izy, sy raha mifanandrina amin’ ny hery rehetra ampiasain’ ny devoly. Tsy natao izany fanomezan-toky izany raha tsy misy ilana azy. Raha nampanantena ny fahasoavany sy ny fiarovany ny zanany Andriamanitra, dia satria misy anjely ratsy mahery hotoheriny marobe izy ireny, vonombonona, ary tsy mety sasatra, ka ny sain-dratsiny sy ny hery ananany dia tsy azo hodian-tsy fantatra na atao mosalahy ka tsy hampidi-doza. HM 533.2
Ireo fanahy ratsy izay noharina tsy nanana ota tamin’ ny voalohany, dia nitovy toetra, hery sy voninahitra tamin’ ny anjely masina izay mpitondra hafatr’ Andriamanitra ankehitriny. Nefa rehefa lavo noho ny fahotana izy, dia nivondrona hanala baraka an’ Andriamanitra sy handringana ny olombelona. Niandany tamin’ i Satana izy tamin’ ny fikomiana nataony, voaroaka niaraka taminy avy tany an-danitra, ary nandritra ireo taonjato nifandimby dia niara-niasa taminy teo amin’ ny ady nataony nanohitra ny fahefan’ Andriamanitra. Lazaina amintsika ao amin’ ny Soratra Masina ny amin’ ny fiokoany sy ny fitondram-panjakany, ny amin’ ny antokony samihafa, ny amin’ ny sainy sy ny hafetseny, ary ny amin’ ny fikasany hisompatra ny fiadanana sy ny fahasambaran’ ny olona. HM 533.3
Ny tantara ao amin’ ny Testamenta Taloha dia milaza indraindray ny amin’ ny fisian’ izy ireo sy ny fomba fiasany ;fa nandritra ny fotoana naha-teto an-tany an’ i Kristy no nanehoan’ ireo anjely ratsy ny heriny tamin’ ny fomba manaitra indrindra. Tonga i Kristy hanatontosa ilay drafitra voavolavola ho enti-manavotra ny olona, koa tapa-kevitra i Satana hanamafy ny zony hifehy an’ izao tontolo izao. Efa naha-tafaorina ny fanompoan-tsampy manerana an’ izao tontolo izao izy afa-tsy tany Palestina ihany. Teo amin’ ny tany izay hany tsy nilefitra tanteraka tamin’ ny fanapahan’ ilay mpaka fanahy no nahatongavan’ i Kristy hampamirapiratra ny fahazavan’ ny lanitra teo amin’ ny vahoaka. Hery roa mifandrafy no nifandona teto hahazo ny fahefana fara-tampony. Nanatsotra ny sandrim-pitiavany i Jesosy, niantso izay rehetra nety hahita famelan-keloka sy fiadanana ao Aminy. Hitan’ ireo tafiky ny maizina fa voafetra ny fahefany hifehy ary azony tsara fa raha mahomby ny iraka nampanaovina an’ i Kristy, dia hifarana tsy ho ela ny fanapahany. Romotra tahaka ny liona voafatotra i Satana ary nanao fihantsiana tamin’ ny fampideraderana ny fahefany izy na tamin’ ny tenan’ ny olombelona na tamin’ ny fanahiny. HM 534.1
Aseho mibaribary ao amin’ ny Testamenta Vaovao fa nisy olona nitoeran’ ny demonia. Ny olona azon-doza toy izany dia tsy voan’ ny aretina avy amin’ ny antony mahazatra fotsiny. Fantatr’ i Kristy tanteraka izay nifanehatra taminy, ary tsapany mazava ny fanatrehana mivantana sy ny asan’ ny fanahy ratsy. HM 534.2
Misy ohatra manaitra ny amin’ ny isany, ny heriny sy ny haratsiam-panahiny, ary koa momba ny hery sy ny famindrampon’ i Kristy omena ao amin’ ny Soratra Masina eo amin’ ny fitantarana ny amin’ ny nanasitranana ireo demoniaka tany Gadarena. Ireo adala mahantra ireo, izay nanifakifaka izay rehetra namatorana azy, niolanolana, nandoa vory, romodromotra, dia nameno ny rivotra tamin’ ny kiakiakany, nanao herisetra tamin’ ny tenany ary nampidi-doza izay rehetra nanatona azy. Finaritra mijery ny tenany nivoa-dra sy rotidrotika ary ny sainy very ilay andrianan’ ny maizina. Hoy ny anankiray tamin’ ireo demonia izay nifehy ireo olona fadiranovana : «Legiona no anarako, satria maro izahay» 10Marka. 5 : 9. Tao amin’ ny tafika Rornana ny legiona dia nisy telo arivo ka hatramin’ ny dimy arivo lahy . Voazara ho antoko koa ny tafik’ i Satana, ary ny antoko iray nisy ireo demonia dia tsy latsaka noho ny legiona ny isan’ ny demonia tao. HM 534.3
Rehefa nibaiko i Jesosy dia nialan’ ny demonia ireto olona nampahoriny, ka lasa nipetraka tsimoramora teo an-tongotry ny Mpamonjy, tony, ary saina, ary nalemy paika. Navela hifaoka andian-kisoa ho any an-dranomasina kosa ireo demonia ;ho an’ ireo mponina tao Gadarena dia navesa-danja kokoa ny fatiantoka tamin’ ny kisoa noho ny fitahiana izay nomen’ i Kristy, koa dia niangavy an’ Ilay Andriamanitra Mpanasitrana handeha izy. Io no vokatra nokendren’ i Satana ho azo. Jesosy no nomeny tsiny tamin’ ny fatiantoka nanjo azy ireo, ary tamin’ izany no namohazany tahotra nombam-pitiavan-tena tao amin’ ny vahoaka, ka nisakanany azy tsy hihaino ny teniny. Miampanga mandrakariva ny Kristiana ho anton’ ny fatiantoka, ny fahoriana sy ny fijaliana i Satana, fa tsy mamela ny tsiny hianjera amin’ izay tena meloka, dia ny tenany sy ireo anjeliny. HM 535.1
Tsy voasakana anefa ny fikasan’ i Kristy. Navelany handringana ny andian-kisoa ny fanahy ratsy ho famaizana ireo Jiosy izay niompy ireny biby maloto ireny ahazoam-bola. Raha tsy noho ny fisakanan’ i Jesosy ny demonia dia ho nazerany tany an-dranomasina, tsy ny kisoa ihany, fa na dia ny mpiandry sy ny tompony koa aza. Ny fiarovana ny mpiandry sy ny tompony dia avy tamin’ ny heriny irery ihany izay nampiasainy tamim-pamindrampo mba hanafahany azy ireo. Ankoatr’ izany, dia navela hitranga io toe-javatra io mba hahitan’ ny mpianatra maso ny hery mahatsiravina ananan’ i Satana eo amin’ ny olona sy ny biby. Tian’ ny Mpamonjy ny hahafantaran’ ny mpanaraka Azy an’ ilay fahavalo izay hosetrainy mba tsy hahavoafitaka azy sy handreseny ny saim-petsy ataony. Sitrapony koa ny hahitan’ ny olona tao amin’ io faritra io ny heriny manapaka ny fanandevozan’ i Satana sy mahafaka ny babony. Ary na dia lasa aza ny tenan’ i Jesosy, ireo olona izay nafahany tamin’ ny fomba mahagaga kosa dia nijanona hanambara ny famindrampon’ Ilay nanao soa taminy. HM 535.2
Misy ohatra hafa mifanahatahaka amin’ izany koa voarakitra ao amin’ ny Soratra Masina. Nampijalian’ ny devoly fatratra izay noroahan’ i Jesosy tamin’ ny alalan’ ny teniny ny zanakavavin’ ilay vehivavy Syro-foinikiana voalaza ao amin’ ny Marka 7 : 26-30. Nisy «lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana» 11Matio 12 : 22 ; nisy zazalahy iray azom-panahy moana izay nampianjera azy «matetika tao anaty afo sy tao anaty rano hamonoany azy» 12Marka 9 : 17 - 27 ; ilay olona very saina nampahorian’ ny «fanahin’ ny demonia maloto» 13Liok 4 : 33 - 36, ka nanakorontana ny Sabata nilamina tao amin’ ny synagoga tany Kapemaomy — ireo rehetra ireo dia samy nositranin Ilay Mpamonjy be fiantra avokoa. Tamin’ ny ankabeazany, dia niteny tamin’ ny demonia toy ny tamin’ ny manan-tsaina i Kristy, ka nandidy azy hivoaka tamin’ ny olona azony ka tsy hampahory azy intsony. Ireo mpivavaka tany Kapernaomy , raha nahita ny heriny mahagaga, dia talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe : «Manao ahoana izao teny izao ! fa amin’ ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto dia nivoaka ireo» 14Lioka 4 : 36. HM 535.3
Araka ny fahita dia mijaly mafy ny olona azon’ ny demonia ; nisy tsy araka izany anefa. Nisy nandray tsara ny hery miasa mangina avy amin’ i Satana mba ahazoany hery ambony noho izay ananan’ ny olombelona rahateo. Mazava ho azy fa tsy niady tamin’ ny demonia ireny. Anisan’ izany ireo izay nanana fanahy mahavaly, — Simona mpanao ody, Elyma mpanao fanafody, sy ilay zazavavy mpanaraka an’ i Paoly sy Silasy tany Filipia. HM 536.1
Tsy misy olona tandindomin-doza lehibe tokoa noho ny asan’ ny herin’ ireo fanahy ratsy ireo tahaka izay tsy miraharaha ny teny mivantana maro ao amin’ ny Soratra Masina, ka mandà ny fisian’ ny devoly sy ny anjeliny ary ny fomba fiasan’ ireo. Raha mbola minia tsy mahafantatra ny hafetsen’ izy ireny isika, dia manana tombondahiny faran’ izay makadiry amintsika izy ; maro no nihaino ny soso-keviny nefa mihevitra ho manaraka ny baikon’ ny fahendren’ tenany. Izany no antony ampielezan’ i Satana hatraiza hatraiza ny finoana fa tsy misy izy, raha manatona ny faran’ izao tontolo izao isika, dia amin’ ny fotoana izay iasan’ i Satana amin-kery lehibe indrindra hamitahany sy handrmganany. Tetika ampiasainy ny anafenany ny tenany sy ny fomba fiasany. HM 536.2
Tsy misy zavatra atahoran’ ilay mpamitaka lehibe tahaka ny hahafantarantsika tsara ny fitaka ataony. Mba ahazoany manarona tsara kokoa ny tena toetrany sy ny fikasany, dia nataony izay hanehoana azy amin’ ny fomba izay tsy hiteraka fihetseham-po afa-tsy fanesoesoana na fanarabiana azy. Mahafaly azy fatratra ny anaovana ny sariny ho toy ny zava-mahatsikaiky na maharikoriko, hafahafa bika, toa biby, toa olona. Mahafinaritra azy ny mandre ny anarany ampiasaina amin’ ny vazivazy sy ny fanarabiana eo amin’ ireo izay mihevitra ny tenany ho manan-tsaina sy mahalala zavatra. HM 536.3
Noho izy nahay nanafin-tena tamim-pahakingana fanaperana no andrenesana hatraiza hatraiza ny fanontaniana manao hoe : «Misy tokoa ve izy izany e ?» Porofo mazavan’ ny fahombiazany ireo laha-kevitra izay nampandainga ny fanambarana mivantana ao amin’ ny Soratra Masina ary eken’ ny ankabeazan’ ny mpivavaka. Koa satria azon’ i Satana atao tsotra izao ny mifehy ny sain’ ireo izay tsy mahatsapa ny hery miasa mangina avy aminy, dia izany no anomezan’ ny tenin’ Andriamanitra antsika ohatra be dia be ny amin’ ny asa ratsiny, izay manala sarona eo imasontsika ny heriny miafina, ka dia mampitandrina antsika amin’ izany amin’ ny famelezany afitsony. HM 536.4
Tena tokony hampivadi-po antsika tokoa ny hery sy ny hafetsen’ i Satana sy ny an’ ny tafika momba azy raha tsy azontsika atao ny mahita fialofana eo amin’ ny hery lehibe kokoa an’ ilay Mpanavotra antsika. Hamafisintsika fatratra ny tranontsika amin’ ny alalan’ ny karetsaka sy ny hidim-baravarana mba hiarovantsika ny fananantsika sy ny aintsika amin’ ny olon-dratsy ; nefa mahalana no hiheverantsika ireo anjely ratsy izay tsy mijanona ny mitady lalana ho eo amintsika, ary tsy manana fomba ho enti-miaro ny tenantsika amin’ ny fanafihana ataony isika, raha ny herintsika samirery. Raha avela hanao izany izy, dia ho vitany ny hahatonga antsika ho very saina, ny hampikorontana sy hampijalijaly ny tenantsika, ny handrava ny fananantsika sy handringana ny aintsika. Ny hany fahafinaretana ho azy ireny dia ny mampahory sy mandrava. Mahatsiravina ny manjo izay mandà tsy hankatò an’ Andriamanitra fa mitolo-batana amin’ ny fakampanahin’ i Satana, satria amin’ ny farany dia hafoin’ Andriamanitra hianjadian’ ny fanahy ratsy izy. Fa ireo izay manaraka an’ i Kristy kosa dia voaaro mandrakariva noho ny fiambenany sy ny fikarakarany. Misy anjely mahery indrindra hirahina avy any andanitra hiaro azy. Tsy vakin’ ilay ratsy ny fiarovana izay nahodidin’ Andriamanitra ny vahoakany. HM 537.1