Ary hitako fa nihanatanjaka be ny finoan’ireo mpianatra noho ny fiovan-tarehy. Ary dia nataony afaka ny hibanjina ny voninahitr’ i Kristy su nandre ny feo avy tany an-danitra, ho vavolombelon’ ny toetra MahaAndriamanitra Azy izy ireo. Sitrak’ Andriamanitra ny hanome azy ireo porofo mampiaiky volana fa Jesosy marina tokoa no Ilay Mesia nampanantenaina. Amin’ izay nony tonga ny famantsihana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, dia nanandrana alahelo mangidy ary fahadisoam-panantenana lalina izy ireo, kanefa tsy very tanteraka ny fahatokiany. Tamin’ ny fotoan’ ny fiovan-tarehy, ny Tompo naniraka an’ i Mosesy sy Elia niresaka tamin’ ny Mpamonjy ny zavatra momba ny fahoriany ary ny fahafatesany. Raha ny anjely no tokony hofidiny dia aleony nifidy ireo izay efa nandalo fitsapana teto an-tany Andriamanitra. Vitsy tamin’ireo mpanara-dia taminy ihany no navela hiaraka taminy ary nijery ny tarehiny izay nazavan’ny voninahitr’Andriamanitra, ary nijoro ho vavolombelon’ny fahamirapiratan’ny lamba fotsy, ary naheno ny feon’Andriamanitra, tamin’ny endrik’Andriamanitra mahatahotra, nilaza hoe: “Ity no Zanako malalako, henoy Izy”. HM58 20.1
Elia dia niara nandeha tamin’Andiramanitra. Mafy sady voazaha toetra ny asany rehetra. Tamin’ny alalany Andriamanitra, dia nanameloka ny fahotan’ Israely. Izy dia mpaminanin’ Andriamanitra, kanefa dia nifindrafindra toerana matetika izy mba hiaroavany ny ainy. Nohazaina na nifanakanana toy ny bibidia izy sao dia handrava ny fiainan’izy ireo. Kanefa dia nafindran’Andriamanitra izy. Anjely no nitondra azy tamim’ mpandresena ho any amin’ ny voninahitra any an-danitra. HM58 20.2
Mosesy indray dia olona izay nomen’Andriamanitra voninahitra lehibe: Izy no lehibe indrindra noho ireo olona rehetra izay niaina teo alohany. Nanana tombotsoa manokana ny amin’ ny fifanpiresahana tamin’Andriamanitra nivantana izy tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany iray. Navela ny hijery ny fahamirapiratan’ny hazavana ny hatsaran’ny voninahitra izay nandrakotra ny Ray izy. Tamin’ny alalan’ny Mosesy no nanafahan’ny Tompo ny zanak’Israely tamin’ny fatoran’ny fanandevozan’ ny Egyptiana. Mosesy no mpanelanelana teo amin’ny vahoak’Andriamanitra, manelanelana matetika mba hanamaivana ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ io firenena io. Rehefa nirehitra be ny fahatezeran’ Andriamanitra tamin’Israely noho ny tsy finoany, ny fimonomononany, ary ny fahotana mahatsiravina, dia voasedra ny fitiavan’I Mosesy azy ireo. Andriamanitra dia nampanantena an’ i Mosesy fa raha avelany handeha ny Israely, ka hamela azy ireo ho ringana, izy dia hanao azy ho firenena matanjaka Izy. Nampiseho ny fitiavany ny Israely Mosesy tamin’alalan’ny fisoloam-bava mafana ho azy ireo. Tao anatin’ny tebitebin-tsainy no nivavahany tamin’Andriamanitra mba hialan’ny fahatezeran’Andriamanitra lehibe, ary hamela ny helok’ Israely, raha tsy izany dia ny mba hamafana ny anaran’ ny tenany amin’ny bokiny. HM58 20.3
Rehefa nimonomonona tamin’Andriamanitra sy tamin’I Mosesy ny Israely, satria tsy nisy rano, dia niampanga azy izy nohon’ny nitondrany azy ireo aty mba hamonoana azy ireo sy ny zanany. Ren’Andriamanitra ny fimonomonoan’izy ireo, ary dia nandidy an’I Mosesy mba hiteny amin’ ny harambato, mba hahazoan’ny zanak’Israely rano. Tanim-pahatezerana no nikapohan’I Mosesy ny harambato, ary naka ny voninahitry ny fahagagana ho azy irery izy. Ny tsi-fanarahan-dalàna mitohy sy ny fimonomonoana tsy misy fetran’ny zanak’Israely dia niteraka alahelo lehibe taminy, ary tanatin’ny fotoana fohy no nanadinoany fa impiry moa Andriamanitra nandefitra tamin’izy ireo ary ny fimonomononany dia tsy nataony tamin’ i Mosesy fa tamin’Andriamanitra. Nieritreritra ny momba ny tenany manokana izy, fahadisoana lehibe nanao ahoana re no natao taminy, ary nanao ahoana kosa ny haben’ny tsy fankasitrahana izay nasehon’ireo ho setrin’izany fitiavana lehibe izay nasehony azy ireo izany. HM58 20.4
Rehefa nikapoka ilay harambato Mosesy, dia tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra sady tsy nanandratra ny anarany teo anatrehan’ny zanak’israely, mba hideran’izy ireo an’Andriamanitra. Ary tsy nankasitraka an’I Mosesy noho izany ny Tompo, ka nilaza fa tsy azony atao ny miditra amin’ny tany izay nampanantenaina. Drafitr’Andriamanitra matetika ny mametraka ny Israely amin’ny alalan’ny fitondrany azy ireo amin’ny toe-javatra sarotra ary ny manalalana sy manafaka azy ireo amim-pahagagana, amin’ izay ho afaka hitantara amim-pitiavana ny fiahian’ n Tompo azy ireo; ka hitarika azy ireo ho amin’ ny fanompoana sy ny hanome voninahitra Azy. Nefa i Mosesy voaheloka ho voninahitr’ Andriamanitra; satria tsy nanome voninahitra ny Anarany teo anatrehan’ ny vahoaka izy mba hanome voninahitra Azy. Amin’ ny fihetsiny toy izany dia nahatonga ny tsy fankasitrahan’ Andriamanitra azy. HM58 20.5
Rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra niaraka tamin’ny vato fisaka roa I Mosesy ary nahita ny Israely nidera ilay ombilahy volamena, dia nirehitra mafy ny fahatezerany ary dia nazerany ilay vato fisaka, ka vaky. Ary hitako fa tsy nanota I Mosesy tamin’izany. Tezitra ho an’Andriamanitra izy tamin’izany, nihoatra ny zotom-pony mba ho voninahiny. Fa rehefa namoaka ny fihetseham-pony voajanahary izy, ka naka ny voninahitra ho an’ny tenany manokana, izay tokony ho an’Andriamanitra, dia nanota izy, ary noho izany fahotana izany dia tsy navelan’Andriamanitra hiditra ny tany izay nampanantenana izy. HM58 20.6
Satana dia nanandrana foana ny hitady zavatra hiampangana an’i Mosesy teo anatrehan’ny anjely. Nandresy i Satana tamin’ny nandrisihany azy tsy hankasitrahan’an’Andriamanitry, ary dia nihobim-pandresena izy, ary nilaza tamin’ireo anjely fa rehefa tonga ny Mpamonjy izao tontolo izao mba hanavotra ny olombelona, dia ho afaka ny handresy Azy izy. Tamin’ity fandikan-dalana (fahotana) ity, Mosesy dia nandeha teo ambany herin’i Satana, sy tao anatin’ny faritry ny fahafatesana. Raha mipetraka ka tsy azo nohozongozozina sy tsy maka ny voninahitra ho an’ny tenany manokana mantsy izy dia ho entin’Andriamanitra tao amin’ilay tany nampanantenaina, ary nafindrany ho any an-danitra tsy hiatrika fahafatesana akory. Ary hitako fa nandalo fahafatesana i Mosesy, kanefa nidina i Mikaela ary nanome aina ny tenany talohan’ny hahitany fahalovana. Satana dia nihevitra fa azy ny vatany, kanjo, natsagan’i Mikaela tamin’ny maty i Mosesy, ary nandray azy ho any an-danitra Izy. Nanandrana ny mitana ny vatany ny Devoly, ary dia tezitra mafy tamin’Andriamanitra izy, ary niampanga Azy ho tsy marina izay nanala ho Azy ny hazany. Kanefa tsy manakiana azy akory i Mikaela, na dia avy tamin’ny alalan’ny fakam-panahiny sy ny heriny aza no nahalavo an’ity mpanompon’Andriamanitra ity. Napetrak’ I Kristy indray tamim-pahalemem-panahy tamin-d’Rainy ka dia niteny tsotra izao izy hoe: “Hananatra anao anie Jehovah”. HM58 20.7
Tamin’ ny toe-javatra sasany Jesosy dia nilaza tamin’ireo mpianany fa nisy tamin’ireo niaraka taminy no tsy hanandrana fahafatesana akory mandra-pahitan’izy ireo ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin-kery. Tamin’ny fiovan-tarehy no mahatanteraka izany fampanantenana izany. Niova ny tavan’i Jesosy ary namirapiratra tahaka ny masoandro. Ary ny fitafiany dia fotsy sady nanjelanjelatra. Nanatritra teo i Mosesy ary nisolotena ireo izay hatsangana amin’ny maty amin’ny fisehoan’i Jesosy fanindroany. Teo ihany koa i Elia, izy izay nafindra tsy nandalo fahafatesana, nisolo-tena ireo izay hovana ho tsy ho mety maty amin’ny fiavian’i Jesosy fanindroany, ary tsy hahita fahafatesana alohan’ny hamindrana azy ho any an-danitra. Nijery tamimtahotra sy tamim-pahagagana ny voninahitra farany ambonin’I Jesosy, ary nandrakotra azy ireo ny rahona, ary dia ren’izy ireo ny feon’Andriamanitra mendri-kohajaina sady feno mahatahotra, nilaza hoe; “Ity no zanako malala, henoy Izy”. HM58 21.1
Jereo Eksodosy toko 32; Nomery 20:7-12; Deotorononia 34:5; 2 manjaka 2:11; Marka toko 9; Joda 9 HM58 21.2