Taorian’ny fiovam-pon’I Paoly dia namangy an’I Jerosalema izy; ary nitory an’I Jesosy sy ny fahagagan’ny fahasoavany. Notantarainy ny fiovam-pony mahagaga izay nampaharomotra ireo mpisorona sy ireo mpanapaka ka dia nitady izay hanalana ny ainy izy ireo. Kanefa mba ho famonjena ny ainy, dia niseho taminy indray I Jesosy tamin’ny alalan’ny fahitana raha nivavaka izy, nilaza tamin’ny hoe: “Maladia hianao ka mivoaha faingana an’I Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.” Nifandahatra tamin’I Jesosy tamin-kafanam-po I Paoly: “Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-trano maizina sady nokapohiko tao amin’ny Synagoga rehetra ary raha nalatsaka ny ran’I Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo koa ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian’izay namono azy. Noeritreretin’I Paoly fa ireo Jiosy tany Jerosalema dia tsy afaka nanohitra ny fijoroany vavolombelona; ary nihevitra izy fa ny fiovana lehibe izay nitranga taminy dia tsy nisy raha tsy avy tamin’ny herin’Andriamanitra irery ihany. Nefa Jesosy namaly azy: “Mandehana fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin’ny Jentilisa.” HM58 39.4
Nandritry ny fotoana tsy naha-tao Jerosalema azy, I Paoly dia nanoratra taratasy maro ho an’ ny toerana samihafa, nitantarany ny fanandramana niainany sy ny fijoroany ho vavolombelona tamin-kery. Fa ny sasany kosa dia manao izay hanimbana ny hery mahatarik’’ireo taratasy ireo. Tsy maintsy niaiky izy ireo fa mavesadanja sy mahery ary manam-pahefana ireo taratasy ireo. Kinanjo nambaran’izy ireo fa I Paoly izay niseho vatana dia osa ary ny tori-teniny dia tsinotsinona. HM58 39.5
Hitako fa I Paoly dia olona nanam-pahalalana be ary ny fahendreny sy ireo fombany dia nanintona ireo mpihaino azy. Nahafinaritra ireo manam-pahaizana ny fahalalany ary maro tamin’izy ireny no nino an’i Jesosy. Rehefa teo anoloany mpanjaka sy ny fivoriam-be dia namoaka ny fahaizany-mandahan-teny izy ary nahatonga ny rehetra ho renoka noho ny teniny. Izany dia naharomotra mafy ireo mpisorona sy loholona. Afaka niditra tamin’ny fanaporofoana lalina moramora foana taminy I Paoly ary misarika ireo mpihaino azy amin’ ny alalan’ ny fahaizany mandaha-teny mirehitra, izay anendreny amin’ ny rantsan-tanany ny halalin’ ny haren’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ary ny fitiavana mahagagan’ I Kristy.. Ary tamim-pahatsorana no nidinany teo amin’ny fahalalan’ireo sarabambembahoaka ary tamin’ny fomba mahery vaika indrindra no nitantarany ny fanandramana niainany izay nahatonga azy ireo hanana faniriana miredareda ny ho tonga mpianatr’I Kristy. HM58 39.6
Niseho tamin’ I Paoly ( tamin’ ny fahitana ) indray ny Tompo, ary nilaza taminy fa tsy mainty miakatra any Jerosalema izy; ary dia hofatorana sy hijaly noho ny Anarany. Eny fa na dia nigadra tao anatin’ny fotoana lava be aza izy, dia mbola nahatanteraka asa manokana ihany ny Tompo avy tamin’ny alalany. Ny namatorana an’I Paoly dia fomba iray izay hampielezana ny fahalalana an’I Kristy ary noho izany dia fanomezamboninahitra an’Andriamanitra. Nampanaterina avy amin’ ny tanana iray ho amin’ ny tanana anakiray hafa izy noho ny fitsarana azy, dia voambara teo anoloan’ireo mpanjaka sy governora ilay fijoroana vavolombelona mikasika an’I Jesosy sy ilay toe-javatra nitranga mahaliana momba ny fiovam-pony, ary tsy afaka miala ami’izany fijoroana vavolombelona mikasika an’I Jesosy izany ary izy ireo. Arivony maro no nino azy ka nifaly nohon’ny Anarany. HM58 40.1
Hitako fa tanteraka ny fikasan’ Andriamanitra raha nita ny ranomasina i Paoly mba handeha ho any Roma. Naniry izy raha ireo mpiantsambo ireo no tonga vavolombelon’ ny herin’ Andriamanitra aseho amin’ ny alalan’ i Paoly, ary ho afaka handre ny Anaran’ i Jesosy koa ny jentilisa, amin’ izay dia ho betsaka amin’ izy ireo no hiova fo amin’ ny alalan’ ny fihainoana ny anatra ataon’ i Paoly, ary amin’ ny fahitany ireo fahagagana izay nataony. Mpanjaka sy governora maro no voasarika noho’ny fanamarinany, ary koa amim-pandresena ny fitoriany an’I Jesosy amin’ ny alalan’ ny herin’ ny Fanahy Masina sy nanambarany ireo toe-java-mitranga mahalianan’ny fanandramana sy fanamelohana nolalovany, tamin-kafanam-po sy teo ambany fitarihan’ny herin’ny Fanahy Masina dia nampiaiky azy ireo fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra; ary raha mbola variana nihaino an’I Paoly ny sasany dia nisy iray niantsoantso hoe: “Tsy ela toy izany va no ampanekenao ahy ho kristiana.” Kanefa noeritreretin’ny ankamaroan’ ireo fa amin’ny fotoana ho avy no tokony hiheveran’ izy ireo an’ izany zavatra reny izany. Mahazo tombony amin’ny fanemoram-potoana Satana, amin’ ny fanaovana antsirambina ny fiovam-po rehefa voatohina ny fon’ ire, avelan’ izy ireo handalo ny fotoana mety ka dia mihamafy ny fon’ izy ireo. Naseho ahy ny asan’I Satana, voalohany dia ny nananjamba ny mason’ireo Jiosy mba tsy handraisan’izy ireo an’I Jesosy ho Mpamonjin’izy ireo; ary manaraka izany dia ny nitondrany azy ireo tamin’ny alalan’ny fialonana tamin’ilay asany mahafinaritra, ary dia nanapa-kevitra izy ireo ny hanaisotra ny ainy. Niditra tao amin’ny anakiray tamin’ireo mpianatr’I Jesosy i Satana, ka nitarika azy hamadika ny Tompony ho eo an-tanan’ ireo, ary ireo fahavalony, ary nofantsihan’ izy ireo tamin’ ny hazo fijaliana ny Tompon’ny aina sy voninahitra. Taorian’ny nitsanganan’I Jesosy tamin’n maty dia nanampy fahotana ny fahotana indray ireo Jiosy tamin’ ny nanisihany vola ireo mpiambina romanina hanamarinany ny laingany. Kanefa natao avo roa heny ny fahazoana antoka ny fitsanganany tamin’ ny fanamafisan’ ireo vavolombelona marobe izay miara-natsangana taminy. Taorian’ izany, Jesosy dia niseho tamin’ ireo mpianany mihoatra ny indiman-jato, androtr’ iny ihany ireo izay nantsangana miaraka taminy dia niseho tamin’ ny olona maro, ka nanambara fa efa nitsangana tokoa i Kristy. HM58 40.2
Nataon’I Satana izay hahatonga ny Jiosy hikomy an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fandavana ny handray ny Zanany, ary tamin’ny fandotoana ny tanan’izy ireo tamin’ilay rà sarobidy, indrindra tamin’ny nanombohan’izy ireo Azy. Tsy noharahin’izy ireo ilay porofo manan-kery nomena ny amin’ny maha Zanak’Andriamanitra sy Mpanavotra an’izao tontolo izao. Novonoin’izy ireo Izy, ka tsy afaka nandray porofo na inona na inona amin’ny fahasoavany. Ny hany fanantenana sy fampiononana tokana ho azy ireo dia mitovy ny amin’ ny taorian’ny nahalavoan’I Satana, dia ny nanandrana ny handresy an’Ilay Zanak’Andriamanitra. Nitohizan’izy ireo ny fitokonan’izy ireo izay tamin’ny alalan’ny fanenjehana ireo mpianatr’I Kristy ka namonoany azy ireo. Tsy nisy zavatra izay nahasorena azy ireo indrindra teo amin’ny sofin’izy ireo ambon’Ilay Anaran’I Jesosy izay nohomboan’izy ireo; ka dia efa mandraikin-kevitra mba tsy hihaino ny fanamporofoana rehetra ho fahasoavany. Fony ny Fanahy Masina nanome porofo miharihary tamin’ ny alalan’ I Stefana fa Jesosy marina tokoa no Ilay Zanak’ Andriamanitra, dia nanampina ny sofiny ireo Jiosy mba tsy ho resy lahatra. Ary nandritry ny fotoana izay nandrakofana an’I Stefana ny voninahitr’Andriamanitra dia nitora-bato hahafaty azy ireo. Nanana ireo mpamono maro an’I Jesosy voafatotra teo ambany fifehezany I Satana. Noho ny asa ratsiny, dia tonga tena izy ireo, izay mankato azy ( Satana ) an-tsitra-po ary dia miasa amin’ ny alalan’ ireo ilay fahavalo mba hampijaly sy hanelingelina ireo izay mino an’ i Krsity. Niasa tamin’ny alalan’ireo Jiosy izy mba hamporisika ireo jentilisa hanohitra ny anaran’I Jesosy, hanohitra ireo izay nanara-dia Azy, ary ireo nino ny anarany. Nefa Andriamanitra naniraka ny anjeliny mba hampahery ireo mpianatra tamin’ny asany mba hahazoan’izy ireo hijoro vavolombelona ny amin’ireo zavatra hitany sy reny ary farany ny fijoroan’izy ireo ho nahatoky no nanombohana kosa ilay filazan’izy ireo tamin’ny ràn’izy ireo. HM58 40.3
Niravoravo I Satana satria tsy afaka niala tao anatin’ny haratony ireo Jiosy. Mbola nitohizan’izy ireo hatrany ireo fombafomba tsy ilàina, ireo fanatitra sy ireo fombam-pivavahany. Raha nihantona teo amin’ny hazo fijaliana I Jesosy ka niteny hoe: “Vita”, dia nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny tempoly izay maneho amin’ ny alalan’ io fa tsy hihaona amin’ireo mpisorona ao amin’ny tempoly intsony Andriamanitra, tsy ekeny intsony ny fanatitra sy ny fombam-pivavahan’izy ireo, izany dia mampiseho ihany koa fa ny rindrina izay mampisaraka ny Jiosy amin’ny jentilisa dia narodana. Efa nataon’I Jesosy fanatitra ny tenany ho an’ireo roa tonta ireo. Koa raha te hovonjena ary ny Jiosy sy ny jentilisa dia tsy maintsy mino an’I Jesosy ho hany fanatitra tokana ho an’ny fahotana ary ilay Mpanavotra izao tontolo izao. HM58 41.1
Tamin’ny fotoana izay nihantonan’I Jesosy tamin’ny hazo fijaliana raha nandefona ny lanivoany ny miaramila dia nisy rà sy rano nivoaka tamin’ny lalàna roa samy hafa ny iray rà ny iray rano madio. Ny rà dia natao mba hanadiovana ny fahotan’ireo izay mino ny Anarany. Ny rano dia maneho ilay ranon’aina izay azo avy amin’I Jesosy mba hanome fiainana ireo mpino. HM58 41.2
Jereo Matio 27:51; Jaona 19:34; Asan’ny Apostoly toko 24-26. HM58 41.3