TENY | HEVINY | Ny ahitana izany voalohany |
Jesosy Kristy | Iray ami’ny ireo persona 3, Izay Andriamanitra. Izy No nanao ny zavatra rehetra Maneran-tany sy izao tontolo izao Nateraka toy ny olombelona Izy teo ho eo amin’ny 2000 taona lasa izay, novonoina izy tamin’ny faha 33 taonany, natsangana tamin’ny maty, ary miasa any an-danitra amin’izao fotoana izao mba ho famonjena antsika Hiverina eto amin’ity tany ity tsy ho ela Izy, ary homena azy ny fanapahana ny Zavatra rehetra manerana izao tontolo izao Mandrakizay, mandrakizay. | Lohateny |
Satana | I Devoly. Izy no rain’ny ratsy rehetra. Noforinina ho tsara indrindra , zavamananaina tanteraka noho ny hafa rehetra izy, fa nanapakevitra ny hikomy kosa izy. Ankehitriny, dia manohy ny asa ratsiny hatrany izy nefa ho avy ny fotoana izay handringanan’Adriamanitra azy. | Lohateny |
Tompo Jesosy Kristy Hitako Nasehoa ahy |
Andriamanitra Ray Rehefa ny mpanoratra, Ellen White nahita io fahitana io, ny anjely Izay teo akaikiny no nilaza zavatra taminy Naneho zavatra taminy. Nanoratra izy ary izay hitan’ny masony. |
Toko 1 Toko 1 |
Andriamanitra | Ny Ray, zanaka (Jesosy Kristy) ary Ny Fanahy Masina. Ireo 3 rehetra ireo dia Andriamanitra |
Toko 1 |
Zanak’Andriamanitra | Jesosy Kristy | Toko 1 |
Tenin’Andriamanitra | 1°) Izay tenenin’Andriamanitra 2°) Ny Baiboly |
Toko 2 Toko 18 |
Fanavotana avotra | Tany am-piandohana, ny olombelona dia fananan’Andriamanitra, fa Satria nanota ny razambentsika dia isika rehetra dia lasa an’I Satana ankehitriny. Ny anaran’I Jesosy Kristy dia miasa mba Hanavotana antsika amin’I Satana | Toko 3 |
Ny anjely | Ilay anjely izay nirahina mba Ho eo anilan’I Ellen White Rehefa Nahita an’io fahitana io izy |
Toko 3 |
Ny fiaviana | Ny fahatongavan’I Jesosy ampahibemaso eto an-tany. Ny voalohany Dia tamin’ny 2000 taona lasa izay ary Ny faharoa dia efa ho avy tsy ho ela |
Toko 4 |
Zanak’ondrin’Andriamanitra | Jesosy Kristy | Toko 4 |
Jaona mpanao batisa | Mpaminany rahalahin’I Jesosy. Izy no niantso ho amin’ny fibebahana sy ny batisa | Toko 4 |
Batisa | Fanitrihana ny vatana iray manontolo ao ambanin’ny fanambonin’ny rano mba ho tonga Kristianina | Toko 4 |
Batisa | Fanitrihana ny vatana iray manontolo ao ambanin’ny fanambonin’ny rano mba ho tonga Kristianina | Toko 4 |
Elia | Mpaminany iray nakarina velona tany an-danitra ary tsy nandalo fahafatesana | Toko 4 |
Fanatitra Ou Sorona | Fanomezana biby ho an’Andriamanitra ary koa, Jesosy Kristy, ny tenany mihitsy | Toko 5 |
Fireneny, Vahoakan’Andriamanitra | 1°) Fahiny dia ny vahoakan’Israely sy Jodia 2°) Ankehitriny, izay rehetra mino an’i Jesosy ary manao ny sitrapony |
Toko 17 |
Mikaela | Lehiben’ireo anjely rehetra any an-danitra | Toko 16 |
Rota | Hazo izay maniry any Afovoany Atsinanana. Ny raviny dia ampiasaina ho fanafody | Toko 7 |
Rahalahy, rahavavy | Izay rehetra mino an’I Jesosy ary manao ny sitrapony | Toko 7 |
Hosanna Sabata |
Derao Andriamanitra! Andro hitsaharana izay manomboka ny Zoma milentimasoandro ka mifarana ny Sabotsy mileti-masoandro. Jereo Genesisy 2:2-3 |
Toko 9 Toko 10 |
Hafatra | Teny izay avy amin’Andriamanitra. Ary koa ny fihetsiketsehana ho fanapariahana izany teny izany | Toko 10 |
Fiakarana | Fiakarana an-danitra. Tsy midika hoe: fahafatesana | Toko 11 |
Apostoly | Olona izay mitory ny filazantsara anatin’ny fotoana feno toy ny asany. Entina ilazana indrindra koa ireo mpianatr’I Jesosy sy I Paoly | Toko 12 |
Ny zanak’olona | Jesosy Kristy | Toko 13 |
Jentelisa | Ireo hafa rehetra ankoatrin’ny Jiosy | Toko 14 |
Paoly | Talohan’ny niovany fo, dia fantatra tamin’ny anarana Saoly izy. Jereo Asa 13:9 | Toko 15 |
1843, 1844 | Ny fiavian’I Jesosy fanindroany sy ny fiafaran’izao tontolo izao dia noheverina ho tonga tamin’ny fiafaran’io taona io. Kanefa ny fotoana arapaminanian’I Daniela 8:14 no tanteraka tamin’io faran’ny taona io | Toko 23 |
Mpiandry ondry | 1°) Ireo mpitondra fivavahana. Ireo Pasitora sy Piretra 2°) Jesosy Kristy |
Toko 23 |
Ireo Masina | Ireo izay tia an’Andriamanitra amin’ny fo tokoa ary manaraka izay zavatra lazainy hatao | Toko 24 |
Fioerana Masina | Anaran’ilay toerana any andanitra izay hiasan’I Jesosy, ankehitrio, mba ho famonjena antsika. Misy kianja izy io, Fitoerana Masina (trano voalohany) ary Fitoerana Masina indrindra (trano faharoa). Ilay nataon’I Mosesy fahiny dia nalaina tahaka tamin’ilay any an-danitra. Izay antsoina koa hoe “Tabernakely” sy “tempoly”. | Toko 25 |
Fampihavanana ou fanavotana | Jesosy dia manatanteraka io asa io amin’ny fampihavavana ou fanamarinana ny olona amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahamendrehan’ny rany. | Toko 25 |
Ziona | 1°) Anarana iray ho an’ilay toerana any an-danitra ankehitriny 2°) Anaran’ireo vondron’olona izay manaraka an’Andriamanitra |
|
Jerosalema vaovao | Anaran’ilay toerana any andanitra ankehitriny, tranon’Andriamanitra sy ireo anjely. Io toerana io dia hampidinina ety ambonin’ity tany ity ary ho eto mandrakizay | Toko 27 |
Kerobima | Laharana voalohany amin’ny anjely | Toko 27 |
Fanelanelanana | Jesosy dia mijoro eo anelanelan’ny mpanota voaheloka sy Andriamanitra Ray tsitoha. Manatanteraka io asa io Jesosy mba ho famonjena antsika toy ny “mpanelanelana” | Toko 27 |
Bibidia | Anarana ho an’ireo vondron’olona maro izay manohitra an’Andriamanitra. Jereo Apokalipsy 13 | Toko 28 |
Jehovah | Anarana iray iantsoana ilay Andriamanitra Ray | Toko 28 |
Kanana | Anaran’ilay tany izay nampanantenaina ho an’ny Israely. Izay naneho an-tsary ny lanitra. Jereo Genesisy 12:5 | Toko 28 |
Andron’ny pantekosta | Iray amin’ireo fety izay nomen’Andriamanitra ny Israely. Jereo Levitikosy 23:15-16 & Asa Toko 2 | Toko 29 |
Advantista | Anaran’ireo olona izay mino fa ho avy indray eto an-tany I Jesosy. Ary koa, anaran’ireo vondron’olona ireo | Toko 29 |
Laodikia | Fiangonana farany amin’ny lisitr’ireo fiangonana fito ao amin’ny Apokalypsy Toko 2 & 3. Io antoko io dia mihevitra fa manna-karena ary tsy mila fanampiana ara-panahy, kanjo, mahantra sy ory izy ireo. | Toko 32 |
Ranonorana farany | Ny Fanahy Masina dia mirotsaka amin’ny fahafenony mba hanomana ny olona ho an’I Jesosy, izany dia mialoha indrindra ny fiaviany indray eto an-tany. Jereo Joela 2:23 & Asa 3:19 | Toko 32 |
Jobily | Taonan’ny fahafahana. Isaky ny 50 taona ny Israely dia mamerina ny zavara rehetra amin’ny tompony voalohany. Ny fambolena koa, dia tsy tanterahina amin’io taona io. Jereo Levitikosy 25:10 | Toko 37 |