Go to full page →

Fisehoan-Javatra Mahatalanjona FK 200

An-jatony sy an’arivony ireo namangy fianakaviana ka nizara tamin’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra. Fo maro no resy lahatra noho ny herin’Fanahy Masina ary niseho ny toetsain’tena fiovam-po marina. - TFC, b. 9, t. 126. FK 200.2

Nandroso tao amin’tokantrano iray ireto mpitory ny Filazantsara roalahy. Nosokafany manoloana azy ny Baiboly ka nasehony azy ireo ny Tompo Jesôsy Kristy amin’maha-Mpamonjy sady Mpamela heloka Azy. Vavaka mafana no nasandratra tamin’Andriamanitra ary nihanalefaka sy babon’hery miasa manginan’Fanahin’Andriamanitra ny fo. Tamin-kery sy famelombelomana no nanononan’izy ireo ny vavaka. Raha izy mbola nanazava ny Tenin’Andriamanitra iny dia indro hitako nisy hazavana malefaka sy miparasaka, nanazava ny Soratra Masina, ary hoy aho niteny moramora: FK 200.3

Mandehana ho eny amin’làlambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko” - Lio. 14:23. - TFC, b. 9, t. 35. FK 200.4

(...) Misy olona maro mamaky ny Soratra Masina izay tsy mahazo ny tena maha-zava-dehibe azy. Manerana an’izao tontolo izao dia misy lehilahy sy vehivavy manopy maso mitsiriritra ny lanitra. Tonom-bavaka sy ranomaso ary fanontaniana no miakatra avy amin‘ny fanahy feno faniriana mitady fahazavana, fahasoavan‘ny Fanahy Masina. Maro no eo amin‘ny tokonam-baravaran’fanjakana miandry fotsiny ny hangonina ho ao. - VM, tt. 97, 96. FK 200.5