Go to full page →

Apetraho Amin’Andriamanitra Ny Vokatra FK 370

Misy fotoana izay mety tsy ahitana ny voa afafy ao amin’ny fo mangatsiaka, tia tena, tia an’izao tontolo izao ka tsy misy ahafantarana azy fa mamaka, nefa atỳ aoriana rehefa mitsoka amin’io fanahy io ny Fanahin’Andriamanitra, dia mitsimoka ilay voa miafina, ary farany dia mitondra vokatra ho voninahitr’Andriamanitra. Tsy fantatsika izay hamoa, ity sa iroa, amin’ny asa mandritra ny androm-piainana. Tsy fanontaniana tokony hapetraka izany Tokony hanao ny asantsika isika ary hamela ny vokatr’izany amin’Andriamanitra. ‘ Amin ‘ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin ‘ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao’ - Mpit. T. 11:6. Izao no lazain’ny fanekena lehibe nataon’Andriamanitra: ‘ Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana sy ny taom-pamafazana ny sy taom-pijinjana (...)’ - Gen. 8:22. Amin’ny fahatokisany izany teny fikasana izany no iasan’ny mpiasa tany sy amafazany. Ary tsy tokony ho latsadanja amin’izany ny fitokisantsika raha manao ny asa famafazana ara-panahy isika, mino ny toky nomeny hoe: Dia ho tahaka izany ny teny aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy nahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin ‘izay ampandehanako azy. ‘ Mandeha mitomany mitondra voa afafy izy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin’fihobiana kosa’. — HF, t. 45. FK 370.2