Go to full page →

Toko 63 — Asa Fanompoana amin’ny Sehatra Samihafa HAT 181

Miantso ny Mpitandrina, Mpampianatra Baiboly sy Mpampiely boky Andriamanitra. Aoka ny tanorantsika lahy sy vavy handeha toy ny mpampiely boky, sy ny mpitory ny filazantsara ary ny mpampianatra Baiboly, miaraka amin’ireo mpiasa manana fanandramana, izay afaka ny haneho amin’izy ireo ny fomba fiasana feno fahombiazana. Aoka ireo mpampiely boky hitondra ny bokintsika isan-tokantrano. Rehefa miseho ny fotoana azo hararaotina, aoka izy ireo hanambara ny fahamarinana amin’izao fotoana izao amin’ireo izay mihaona aminy, ary aoka izy ireo hihira sy hivavaka miaraka amin’izy ireo. Fanahy maro no vokatra voangona rehefa arahina amin kery ny fomba fiasa mety ao amin’ny asantsika ho an’Andriamanitra. HAT 181.3

Misy toerana ho an’ireo izay fenon’ny fanahin’ny fandavan-tena eo amin’ny Asan’Andriamanitra. Miantso lehilahy sy vehivavy izay maniry ny handà ny tenany noho ny amin’ny hafa Andriamanitra, maniry ny hanokana izay rehetra ananany sy ny maha-izy azy amin’ny asany. Ny olona ilaina dia ireo izay rehefa sendra olana dia handroso amim-pikirizana ka hiteny hoe: tsy ho kivy na ho ketraka izahay. Ilaina ireo olona izay hanamafy sy hanorina ireo asa efa niezahan’ny hafa hatao. - RH, 28 Apr. 1904. HAT 182.1