Go to full page →

Toko 64 — Asa Fanompoana Feno Fandavan-Tena HAT 182

Ireo izay, mirotsaka an-tsehatra araka izay azo atao amin’ny asa fanaovan-tsoa ny hafa amin’ny alalan’ny fanehoana amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny fahalianany amin’izy ireo, dia tsy manamaivana fotsiny ireo aretina eo amin’ny fiainan’olombelona amin’ny fanampiana azy ireo hitondra ny enta-mavesany, fa mandray anjara betsaka ihany koa amin’ny fahasalaman’ny fanahy sy ny vatan’ny tenany. Ny fanaovan-tsoa dia asa ahazoan’ny mpanome sy ny mpandray tombony. Raha manadino ny tenanao ianao noho ny fahaliananao amin’ny hafa, dia hahazo fandresena amin’ireo aretinao. Ny fahafaham-po izay ho tsapanao amin’ny fanaovan-tsoa dia hanampy anao be dia be tokoa amin’ny famerenana indray ny fahasalaman’ny fisainanao. HAT 182.3

Mamelona ny saina sy tsapa manerana ny tena manontolo ny fahafinaretan’ny fanaovan-tsoa. Raha mazavan’ny fahamiramiranana ny endriky ny olona manao asa soa, ary maneho ny fahambonian-tsaina amam-panahy ny tavany, ireo tia tena sy kahihitra kosa dia ory sy malahelo ary rera-po. Hita eo amin’ny tavany ny faharatsian-toetrany. Mamela marika eo amin’ny endriny ivelany ny fitiavan-tena. HAT 183.1

Manahaka ny toetran’Andriamanitra ny olona izay hetsehin’ny tena fahalalahan-tanana amin’ny fanaovan-tsoa, niala tamin’ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny fanirian-dratsy tafahoatra; fa ny tia tena sy ny kahihitra kosa mankamamy ny fitiavan-tenany mandra-pahatongan’izany hampahamaina ny fangorahana ara-piarahamonina ao amin’izy ireo, ary mitaratra ny endrik’ilay fahavalo lavo ny tarehiny fa tsy ny fahadiovana sy ny fahamasinana. - TFC, b. 2, t. 534. HAT 183.2