Go to full page →

Ny Fanenomana ny ho Anjaranao HAT 186

Tsarovy, ry tanora malala, fa isan’andro, isan’ora, isaky ny fotoana tsirairay ianao dia manenona ny ho anjaranao mandrakizay. Isaky ny manatsofoka ny fanjaitra ianao dia misintona kofehy izay hanatsara na hanaratsy ny sary eo amin’ny lambanao. Raha tsy miraika sy malaina ianao dia hanimba ny fiainana izay nokendren’Andriamanitra hamirapiratra sy hahafinaritra. Raha misafidy ny hanaraka ny fironan’ny tenanao ianao, dia hamatotra anao tahaka ny fehy vy ny fahazarana tsy tahaka ny an’i Kristy. Ary raha mizotra manalavitra an’i Kristy ianao dia maro no hanaraka ny ohatra ataonao izay noho ny fitondran-tenanao dia tsy hankafy mihitsy ny voninahitry ny lanitra. Kanefa raha manao ezaka amim-pahasahiana ianao mba handresena ny fitiavan-tena, tsy hamela handalo fotsiny ireo fotoana azo hararaotina hanampiana ireo manodidina anao, ny fahazavan’ny ohatra asehonao no hitarika ny hafa eo amin’ny hazo fijaliana. YI, 5 Des. 1901. HAT 186.1