Go to full page →

Ny Ohatr'i Kristy HAT 188

Mety ho mafy sy handreraka ny lalan’ny asa mafy nomena ho an’ny mponina ambonin’ny tany, kanefa dia omen’ny dian-tongotry ny Mpanavotra voninahitra, ary azo antoka ny fandehanana amin’izany lala-masina izany. Amin’ny alalan’ny ohatra sy ny fitsipika no nanomezan’i Kristy hasina ny asa mahasoa. Hatramin’ny fahazazany dia efa niaina fiainam-piasana mafy Izy. Ny ampahany bebe kokoa tamin’ny fiainany teto an-tany dia nolaniny tamin’ny asa tamim-paharetana tao amin’ny trano fandrafetana tao Nazareta. Tamin’ny endriky ny mpiasa tsotra no nanitsahan’ny Tompon’ny aina ny lalan’ny tanàna kely izay nonenany, mivezivezy any amin’ny asany tsotra; ary miaraka Aminy ireo anjely manompo raha miara-mandeha amin’ny tantsaha sy mpiasa tany Izy, tsy fantatra sy tsy ankalazaina (...) HAT 188.2

Fanafody mampahatanjaka sy mahasalama ho an’ny taranak’olombelona ny asa araka ny tokony ho izy. Mampahatanjaka ny reraka, mampanan-karena ny mahantra, mampahasambatra ny ory. Manao otrika i Satana, vonona handrava ireo izay manome azy fotoana malalaka azony hararaotina hanatonana azy ireo amin’ny endrika misarona nefa manintona. Nahita fahombiazana tsy misy toy izany izy rehefa manatona ny olona amin’ny ora izay tsy hanaovan’izy ireo na inona na inona. HAT 188.3