Go to full page →

Hery Miasa Mangina Mampitotongana, Vokatry ny Tsy Fahalalana Onony HAT 209

Ny lehilahy sy ny vehivavy manam-pahalalana kanefa voagejan’ny fahazarana amin’ny tsy fahalalana onony amin’ny zavatra rehetra, dia tsy hihoatra lavitra noho ny jentilisa. Miezaka mandrakariva i Satana hampanalavitra ny olona amin’ny fahazavana, amin’ny alalan’ny fombafomba sy rendrarendra, ka tsy hihevitra ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina ary ny fanahy. Ilay fahavalo dia mihevitra fa raha anjakan’ny filana ny olona, dia ho lasa sorona eo amin’ny alitaran’ny fahafinaretana ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina ka indro fa miroso ho amin’ny fahapotehana. Raha ny fahalalana voatsilo no manjaka, mitarika ho amin’ny fifehezan-tena, milefitra eo amin’ny fandanjalanjan’ny saina, dia fantatr’i Satana tsara fa ho kely ny ho fahafahan’ny fahombiazany (...) HAT 209.2

Ahitana olona tsy mendrika ny antsoina hoe mpanara-dia an’i Krsity ao amin’ny tontolo kristianina. Ireo fahazarana sy ireo fihetsika adaladala sy tsy misy antony ataony na fomba itondrany ny tenany dia fanimbana ny lalàn’ny vatana sy mifanohitra amin’ny lalàn’ny Baiboly. Efa manomana sahady ny fijalian-tsainy sy ny vatana ary ny fahorian’ny fanahiny ny fiandohan’ny fiainany. - RH, 8 Sept. 1874. HAT 210.1