Go to full page →

Asa Fanelanelanana Ataon’i Kristy HAT 221

Ny anjara asan’ny Zanak’Andriamanitra mifandray amin’ny maha-Andriamanitra Azy: eo amin’ny tontolo noforonina sy ny tsy noforonina, ny manam-pahataperana sy ny tsy manam pahataperana, dia lafin-javatra tsara izay tokony ho saintsainina mandritra ny androm-piainana. Io anjara asan’i Kristy io dia tokony hiteraka fahafantarana ireo fomba hafa any amin’ny tontolo tsy nahalala ota sy mahatoky fa tsy ny famonjena ireo izay mivarina any amin’ny fahaverezana ihany. Io anjara asan’i Kristy io no lalana hiverenan’ireo nania ho amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra ary koa fiarovana izay tsy nanota. HAT 221.2

Mahafinaritra ny mieritreritra fa misy tontolo tsy nanota; kanefa ireny tontolo ireny dia tsy mitsahatra manao fiderana hanomezam-boninahitra an’i Kristy nanao famonjena ho an’ny taranak’i Adama ary maneho ny toerana misy azy ireo sy ny fahadiovany. Ilay sandry nanaisotra ny olombelona tamin’ny fahapotehana nataon’i Satana ihany no miaro ireny tontolo ireny. Mikarakara izay rehetra ao anatin’ny tontolo midadasiky ny voary ny Ray sy ny Zanaka izay mbola fahasoavana hikarakarana ny olombelona lavo. I Kristy no mandray an-tanana ny Fanelanelanana eo amin’ny famonjena ny olona. Izy ihany no miantoka ny firindran’ireo tontolo hafa. Tsy tokony hibahana ny eritreritra ve izany lohahevitra izany ary tokony hankasitraka sy tokony hampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra? HAT 221.3