Go to full page →

Ny Baiboly, Mpampianatra Lehibe Indrindra HAT 224

Toy inona ny hamaroan’ireo lohahevitra azon’ny saina banjinina avy amin’ny Soratra Masina! Aiza no ahitana ireo lohahevitra mendrika hankasitrahana? Inona no azo ampitahana ny siansan’olombelona amin’ny mahatsara sy miafina ny siansa voarakitra ao amin’ny Baiboly? Aiza no ahitana fahalalana ambonin’ny fikarohan’olombelona rehetra mihoatra ny fahendrena tsara sy miafina indrindra ao amin’ny Baiboly? Aiza no misy fahendrena tokony hodinihin’ny saina? HAT 224.2

Hanome fahalalana miafina tsy hita na aiza na aiza ny Baiboly raha toa ka avela hiteny. Saingy indrisy, variana amin’izay tsy nolazain’ny Tenin’Andriamanitra ny olombelona, literatiora tsy misy vidiny, anganongano sy tantara noforonina no levon’ny vavoniny sy velariny eo ambony latabany, kanefa tsy mba heveriny akory ny harena miafina sy masin’ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Baiboly. Raha natao ho fitsipi-piainana ny Teny Masina, dia hamolavola sy hanandratra ary hanamasina. Feon’Andriamanitra miteny amin’ny olombelona izany. Tsy tianao ve ny handre izany? HAT 224.3

«Mahazava ny famoahana ny hevitry ny Teninao, ka manome fahalalana ho an'ny kely saina» -Sal. 119:130. Anjely an’alinkisa no mitoby manodidina ireo izay mandinika ny Soratra Masina, hitarika sy hanazava ny sainy. Niantefa sy nivantana tamin’ireo mpianany voalohany ny tenin’i Kristy: «Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy» -Jao. 5:39. — RH, 11 Jan. 1881 HAT 225.1