Go to full page →

Toko 86 — Fanajana HAT 231

Nomena fahafahana hanome voninahitra an’Andriamanitra ianao ry tanora. Noho izany dia mila mihodina tsy hijery ny zavatra manidintsidina, maivan-danja ary zava-poana fa ho amin’ny zavatra mandrakizay ny fisainanao sy ny fijerinao. HAT 231.2

Miaina amin’ny taonjato izay tokony hiankohofantsika amin’ny Mpamonjy isika. «Miareta tory sy mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy”. Iray amin’ny fakam-panahy mahazo ny tanora ny faniratsirana ny zava-panahy. Masina loatra Andriamanitra ka ho toy ny vavahadin’ny lanitra ny fanahy tsirairay izay mino sy mivavaka ary koa ny trano sy ny toerana hanaovana fanompoam-pivavahana. Ireo hira fiderana, ireo tenin’i Kristy ambara, dia samy fomba ampiasain’Andriamanitra hanomanana ny vahoakany ho amin’ny fiangonana any an-danitra, izay tsy ahazoan’ny tsy masina sy ny mpaniratsira handraisany anjara (...) HAT 231.3