Go to full page →

Fizarana Fahasivy - Vakiteny Sy Mozika HAT 235

Ry tanora zazalahy sy zazavavy, vakio ireo boky firaketana manome fahalalana marina sy ho fanampiana ho an’ny ankohonana. Lazao amin’ny fahitsiana: tsy handany andro amin’ny famakiana izay tsy misy antony sy hahalavo ahy aho mba hanampiana ireo mitovy amiko. Hanokana ny fotoako sy ny heriko ho amin’ny fampivelarana ny asan’Andriamanitra aho. Akimpiko eo anatrehan’ny zava-poana sy ny mahameloka ny masoko. An’Andriamanitra ny sofiko ary marenina aho eo amin’ny fisainana malemin’ny fahavaloko. Tsy hodidinin’ny hery tsy eo ambany fahefan’ny Fanahin’Andriamanitra ny feoko. Tempolin’ny Fanahy Masina ny tenako ka ampiasaiko amin’ny heriko rehetra mba hanatrarako tanjona ambony sy goavana. — TFC, b. 7, t. 64. HAT 235.1