Go to full page →

Boky Mampaniasia HAT 241

Maro ireo boky natokana ho amin’ny ady sy ny vonoan’olona no mampaniasia ny tanora! Gejain’i Satana eo am-pamakiana ireny boky ireny izy ka ampirisihiny hanana toe-tsaina mpiady ary hanosika azy hanao ireny habibiana mahatsiravina ireny. Firifiry ireo boky miteraka faniriana maniratsira no mikolokolo ao aminy toe-tsaina tia fahafinaretana tsy masina, mampirehitra ny fitiavana rendrarendra ka mampanalavitra azy amin’ny zava-madio sy masina! HAT 241.1

Eo an-tananao ihany koa ny bokin-tsikidy izay ahitana sary avy amin’ny tsindrimandrin’ilay anjely mahery nefa lavo tany an-danitra (...) HAT 241.2