Go to full page →

Toko 90 — Sakafon-Tsaina Tsara Indrindra HAT 242

Inona no boky vakin’ny zanatsika? Fanontaniana tena manan-danja tokoa izany ary ilàna valiny amim-pisainana. Tena miahiahy mihitsy aho rehefa miditra amin’ny tokantrano kristianina ka mahita gazety mirakitra fampianarana tsy ilaina. Nandinika akaiky ny fiainan’ny olona izay tena nifantoka tamin’ny famakiana ireny tantara noforonina ireny aho. Nanana tombontsoa nihaino ny fanambarana ny Tenin’Andriamanitra izy ireo ary nianatra mikasika ny foto-pinoantsika kanefa rehefa tonga teo amin’ny fahatanorany dia tsy mba nihevitra intsony ny tena fivavahana marina. HAT 242.2

Mila fitaovana tsara indrindra ireny tanora malala ireny teo am-pamolavolana ny toetrany: dia tsy inona fa ny fitiavana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra ary ny fahalalana an’i Jesôsy Kristy izany. Kanefa maro amin’izy ireny no tsy nanana fahiratam-pahalalana toy ny an’i Kristy. Faly niaina tao anatin’ny tontolon’ny tantara noforomporonina izy ireo ka tsy voaomana hiatrika ny adidy eo amin’ny fiainana. HAT 242.3