Go to full page →

Endriky ny Sampy HAT 276

Miendrika fiandaniana amin’ny sampy avokoa na ny fanomezana na ny fifanakalozana na koa ny fanangonana sary. Ataon’i Satana avokoa izay hanakonana ny fahitantsika tsy hahita ny lanitra amin’izany. Aoka mihitsy isika tsy ho babony amin’ny fanaovana sampy ireny sary ireny. Aoka mihitsy isika hanana foto-kevitra ambony tsy ho toy ireny olona ireny. Hoy ny Tompo amintsika: «Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao». Ireo izay milaza azy ho mpino an’i Kristy dia tokony hahafantatra mandrakariva fa mitaratra ny endrik’Andriamanitra izy ireo. HAT 276.4

Izay endrika izay no tokony hanana ny toerana ambony indrindra eo amin’ny fiainantsika. Ireo teny avoaky ny vavantsika dia tokony ho tenin’ny lanitra ihany koa (...) HAT 277.1