Go to full page →

Toko 123 — Fihaingoana Marina HAT 313

Na aiza na aiza dia samy ahitana fandanilanian-karena mihoapampana ary maro ny fanahy very noho ny fitiavana rendrarendra sy fisehosehoana. Lainga avokoa ny sivifolo isan-jaton’ireo andevon’ny lamaody. Fitaka sy halatra no iainany andavanandro mba hanakonany ny tena endriky ny tenany. HAT 313.2

Ny fahambonian’ny fanahy, ny fitiavana, ny fahalalahan-tanana no atao sorona amin’ny fitsiriritan-dratsy maro samy hafa. Mba hahafahana manara-damaody dia olona an’arivony maro no mivarotra ny fahadiovam-pitondran-tenany. Mila andian-tafika lehibe ny fanavaozana ny foto-pisainan-damaody eto amin’ity izao tontolo izao ity ka hampisy fanovana ho amin’ny fihaingoana tsotra sy mendrika. Tsy mitsahatra manao fikarohana i Satana hamoronana lamaody vaovao handaniana ny vola sy ny fotoana ary ny fahasalamana. HAT 313.3