Go to full page →

Fijoroana ho Vavolombelona HAT 323

Hahita fotoana sy fahafahana hijoro ho vavolombelona mandrakariva ianao raha tena an’i Kristy marina. Raha sendra fotoana hanasana anao handray anjara amin’ny fahafinaretana ianao dia hanana fahafahana hijoro ho vavolombelon’i Kristy. Raha tena mahatoky ao amin’i Kristy ianao, dia tsy hitady fomba hafa hialana tsiny sy hanaovana sarintsarim-pialana, fa hiteny mahitsy sy amim-pahatsorana kosa hilaza fa zanak’Andriamanitra ianao ary ny fitsipi-piainanao tsy mamela anao hanao izany fahafinaretana izany na dia indray mandeha akory aza amin’izay toerana tsy ahafahanao manasa ny Tompo. — YI, 4 May 1893. HAT 323.1