Go to full page →

Toko 128 — Fomba Tsara amin’ny Fahatanorana HAT 330

Tokony hotarihina amin’ny fahazarana hentitra ny tanora mba hahafahany mampivelatra ny vavahadin-tsaina nomen’Andriamanitra azy. Kanefa ny tanora dia manaraka ny filàny ary amin’ny fahajambana, amin’ny tsy fiheverana ny fahazarana izay mitera-doza ho azy ireo. Noho ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreny manotrona azy ireo na ny mpiandraikitra azy, dia ilainy ny mifehy sy mitondra ny tenany. Tsy maintsy ampianarina azy ireo ny misaina sy miasa araka ny fomba tsara. HAT 330.2