Ny zatovolahy izay mankafy ny fikambanana amin’ny zatovovavy iray ary mahazo ny fisakaizany kanefa tsy fantatry ny ray aman-drenin’ilay zatovovavy izany, dia tsy mitondra tena tahaka ny Kristianina mendrika manoloana ilay zatovovavy sy ny ray aman-dreniny. Amin’ny alalan’ny fifandraisana sy ny fihaonana miafina dia mety hanana hery miasa mangina eo amin’ny sain’ilay zatovovavy izy, kanefa amin’izany dia tsy miseho ilay fahamendrehana sy fahitsiam-panahy izay tokony hananan’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Mba hahafahan’izy ireo manao izay tian’izy ireo hatao dia lasa tsy milaza ny marina sy tsy manaraka ny fenitra voalazan’ny Baiboly izy ireo, ary maneho izy ireo fa tsy mahatoky amin’ireo olona tia azy ireo sy miezaka ny ho mpiambina mahatoky azy ireo. Ny fanambadiana aterak’izany hery miasa mangina izany dia tsy mifanaraka amin’ny tenin’Andriamanitra. Izay mitady ny hamily ny zanakavavy iray hiala amin’ny adidiny, ka manakorontana ny eritreriny momba ny didy tsotra sy mahasoan’Andriamanitra ny hankatoavana sy hanajana ny ray aman-dreny, dia olona izay tsy marina eo anoloan’ny fepetra takin’ny fanambadiana. - MYP 445.2. HAT 390.3
Mipetraka ilay fanontaniana: «Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto?” ary omena ny valin-teny: “Ny fitandremana araka ny teninao. ” Ny zatovolahy izay manao ny Baiboly ho mpitari-dalana azy dia tsy tokony ho diso amin’ny lalan’ny adidy sy ny lalana azo antoka. Io boky voatahy io no hampianatra azy ny fitandrovana ny fahitsian-toetrany, ny mba ho marina hatrany, ary tsy hamitaka. “Aza mangalatra”, no voasoratry ny rantsan-tanan’Andriamanitra teo amin’ny vato fisaka; indrisy anefa fa betsaka ny fangalarana fitiavana miafina tanterahina sy ny hamarinina. - MYP 446.1 . HAT 391.1
Voatazona ny fisakaizana feno fitaka, tohizana ny resaka any ambadimbadika, hany ka ny fitiavan’ilay mbola tsy ampy fanandramana eo amin’ny fiainana ka tsy mahafantatra hoe hatraiza no hivoaran’ny toe-javatra, dia miala amin’ny ray aman-dreniny ary mipetraka any amin’ilay olona izay, amin’ny alalan’ny zavatra ataony, dia maneho fa tsy mendrika izany fitiavana izany. Manameloka ny karazana tsy fahamarinana rehetra ny Baiboly, ary mitaky ny fanaovana ny marina amin’ny fotoana rehetra izy. Ny olona izay mametraka ny Baiboly ho mpitari-dalana ny fahatanorany, ho fahazavan’ny lalany, dia hankatò ny fampianarany amin’ny fotoana rehetra. Tsy handika na dia tendron-tsoratra kely indrindra amin’ny lalàna izy mba hahafahany manao zavatra, na dia tsy maintsy manao sorona lehibe aza izy ho vokatr’izany. Raha toa ka mino ny Baiboly izy, dia mahafantatra fa tsy hitoetra eo aminy ny fitahian’Andriamanitra raha miala amin’ny lalan’ny fahitsiana izy. Na dia mety hiroborobo aza izy amin’ny voalohany dia tsy maintsy hijinja ny vokatry ny nataony. - MYP 446.2. HAT 391.2
Mipetraka eo amin’ireo fifandraisana tsy mety izay miforona amin’izao vanin’andron’ny tany izao ny ozon’Andriamanitra. Raha toa ka tsy nohazavain’ny Baiboly tsara ireo fanontaniana ireo dia nety ho azo nialana tsiny ihany ny fironan’ny tanora hitady fifandraisam-pitiavana. Kanefa tsy natao zara fa vita ireo zavatra takin’ny Baiboly; mitaky fahadiovana tanteraka amin’ny saina sy teny ary asa izy ireo. Mankasitraka an’Andriamanitra isika fa fanilon’ny tongotra ny Teniny, ary tsy misy tokony handiso ny lalan’ny adidy. Tokony hataon’ny tanora anton-draharaha ny mandinika ny pejiny sy manaraka ny toroheviny; satria ny fahadisoana mampalahelo dia matetika vokatry ny tsy fanarahana ny fitsipiny. - MYP 446.3. HAT 392.1