Go to full page →

Mitondra Zioga tsy Antonona HAT 399

Zava-doza ny manao fanekena amin’ny olon’izao tontolo izao. Fantatr’i Satana tsara fa ny ora izay vavolombelon’ny fanambadian’ny zatovolahy sy zatovovavy maro no hamarana ny tantaran’ny fanandramana ara-panahan’izy ireo sy izay mety hilana izany. Misy fotoana iezahan’izy ireo hiaina amin’ny fiainana kristianina, kanefa izany ezaka izany dia toherin’ny hery miasa mangina mifanohitra aminy. Raha tsapan’izy ireo taloha fa tombontsoa ny miresaka momba ny fifaliana sy ny fanantenan’izy ireo, vetivety atỳ aoriana dia tsy mazoto ny hiresaka izany lohahevi-dresaka izany intsony izy, satria mahafantatra fa ilay olona izay nampifamatorany izay hiafarany dia tsy liana amin’izany resaka izany. Amin’izany fomba izany no handrarian’i Satana tadin’ny tsy finoana manodidina azy ireo, ka maty tsikelikely ilay fahamarinana tao am-pony. - MYP 453.4. HAT 399.1

Miezaka mafy i Satana ny hitazona ny tanora ao anatin’ny fahotana, satria izany no ahazoany antoka fa azony ilay olona. Ilay fahavalon’ny fanahy dia feno fankahalana mafy hanohitra ny ezaka rehetra hitarihana ny tanora ho any amin’ny lala-marina. Halany ny zavatra rehetra izay maneho marina an’Andriamanitra sy i Kristy. Mifantoka manokana any amin’ireo izay eo amin’ny toerana ahafahana mahazo fahazavana avy any an-danitra ny ezaka ataony satria fantany fa ny fihetsika rehetra ataon’izy ireo hifandraisana amin’Andriamanitra dia hanome azy ireo ny hery hanoherana ny fakam-panahiny. Tahaka ny anjelin’ny fahazavana no ahatongavany eo amin’ny tanora miaraka amin’ny fitaka manodoka, ary mazana dia mahomby izy amin’ny fahazoana azy ireo miandalana hiala amin’ny lalan’ny adidy (...) - MYP 454.1. HAT 399.2