Go to full page →

Toko 154 — Mampakatra sy Manome ho Ampakarina HAT 401

Napetrak’Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao ny olona, ary tombontsoany ny mihinana, ny misotro, ny manao raharaham-barotra, ny mampakatra ary ny ampakarina; nefa eo ambany fahatahorana an’Andriamanitra ihany vao azo antoka ireo zavatra ireo. Ny fiainantsika eto amin’ity izao tontolo izao ity dia tokony ho fanomanana izay ho tontolo mandrakizay. Ny heloka bevava teo amin’ny fanambadiana tamin’ny andron’i Nôà dia ny nanaovan’ireo zanakalahin’Andriamanitra fanekena tamin’ireo zanakavavin’ny olombelona. Ireo izay nilaza fa nahafantatra sy nanaja an’Andriamanitra dia nikambana tamin’ireo izay nanana fo maloto; ary tsy nisy fanavakavahana fa samy nanambady izay tiany. Maro amin’izao fotoana izao no tsy manana fanandramana ara-pivavahana lalina, izay hanao mitovy tsy misy hafa amin’ny zavatra izay natao tamin’ny andron’i Nôà. Miditra ao amin’ny fanambadiana tsy misy fiheverana amim-pitandremana sy amim-bavaka izy ireo. Maro no mandray ny voady masina tsy am-pieritreretana toy ny miditra amin’ny fandraharahana ara-barotra; tsy tena fitiavana no manosika azy hanao fanekena. HAT 401.1