Tsy misy na dia iray aza amin’ny fironan’ny vatantsika, amin’ny fahaizan’ny saintsika, amin’ny fanirian’ny fontsika, izay tsy tokony ho eo ambany fifehezan’ny Fanahin’Andriamanitra isa-minitra. Tsy misy fitahiana atolotr’Andriamanitra ny olona, na fitsapana avela hihatra aminy, izay tsy hohararaotin’i Satana hakana fanahy, hampahoriana ary hanimbana ny fanahy, raha omena lalana hanao izany izy. Noho izany, na lehibe manao ahoana aza ny hazavana ara-panahy, na mahita fitia sy mandray fitahiana avy amin’ny lanitra manao ahoana aza ny olona, dia tokony handeha amim-panetren-tena mandrakariva eo anatrehan’ny Tompo, manga taka amim-pinoana mba hitarihan’Andriamanitra ny eritreritra rehetra sy hifehezany ny fironana rehetra. HAT 45.2
Manana andraikitra masina indrindra hiambina ny fanahiny sy hifehy tena eo anatrehan’ny fihantsiana faran’izay lehibe ireo izay maniry ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Lehibe ny andraikitra niantsorohan’i Mosesy; vitsy ny lehilahy hozahan-toetra tahaka azy; tsy nanala tsiny ny fahotany anefa izany. Nomen’Andriamanitra izay rehetra ilainy ny vahoakany, koa raha mitoky amin’ny heriny ireo, dia tsy ho resin’ny zava-mitranga velively Tsy hanala tsiny ny fahotana ny fakam-panahy faran’izay mafy. Safidintsika ny fandikan-dalàna na manao ahoana ny hamafin’ny fitaomana. Tsy afaka hanery ny olona hanao ratsy na ny tany na ny fiainan-tsy hita. Ny faritra malemy amintsika no asian’i Satana mafy, nefa tsy voatery ho resy isika. Nanomana fanampiana ho antsika Andriamanitra ary ao amin’ny heriny ny fandresentsika, na henjana sy tsy nampoizina manao ahoana aza ny fanafihana. — PP, t. 421. HAT 45.3