Go to full page →

Toko 20 — Manohitra ny Fakam-Panahy HAT 62

Tsy hanome lalana ho an’ny fakam-panahy ireo izay mpiombona amin’ny toetran’Andriamanitra. Miasa amin’ny heriny rehetra ny fahavalo handresy ireo izay miezaka hanana fiainana kristianina. Tonga maka fanahy azy ireo izy, manantena azy ireo hanaiky, manantena ny hampivalaketraka azy. Saingy tsy hanaiky ny famitahany kosa ireo izay nametraka ny tongony eo ambonin’ny Vatolampy mandrakizay Hotsarovan’ireo fa Andriamanitra no Rainy ary i Kristy no Mpamonjy azy. Tonga teto amin’izao tontolo izao misy antsika ny Mpamonjy hanome hery ireo fanahy sedraina handreseny tahaka Azy. Fantatro ny herin’ny fakam-panahy, fantatro ny loza eny an-dalana; nefa fantatro koa fa ny hery ampy amin’ny fotoana ilana azy dia homena izay mitolona amin’ny fakam-panahy. HAT 62.3