Go to full page →

Toko 22 — Fampitandremana amin’ny Tsy Finoana HAT 66

Feno fanahiana lehibe mikasika anareo aho, ry tanora. Mampitandrina anareo aho, toy ny anankiray mahafantatra ny loza, mba tsy ho voasambotr’i Satana amin’ny fahalalana kely mety ho nianaranareo. Aleo lavitra manao fo madio sy fo manetry tena toy izay ny fahalalana rehetra mety ho azonareo nefa tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra. HAT 66.1

Tsy maintsy hifanena amin’ny tsy mpino sy jentilisa na aiza na aiza alehany ny tanora ankehitriny, koa ilainy ny ho vonona tsara, ho afaka hilaza ny anton’ny fanantenana ao anatiny, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana. Any am-pasana i Thomas Paine, nefa mijanona manozona izao tontolo izao ny teniny, ary ireo izay misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra dia hametraka ireo asan’ny tsy mpino ireo eo am-pelatanan’ny tanora sy tsy manana fanandramana, hameno ny fony amin’ny rivotry ny fisalasalana feno poizina. Miasa amin’ny alalan’ireo ratsy fanahy i Satana hana tanteraka ny fikendreny hanimba ny olona. HAT 66.2