Go to full page →

Ilaina ny Fahalalana Vokatry ny Fanandramana HAT 115

Te hiangavy ny tanora aho mba hanapaka ny kofehy madinika indrindra izay mamatotra anareo amin’izao tontolo izao, eo amin’ny fomba fanao sy fomba fisainana. “Koa mivoaha eo aminy hianareo, ary misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio, Ary izaho dia handray anareo, ary ho Rainareo aho ary hianareo ho zanakolahy sy zanakovavy, hoy Jehovah Tsitoha.” HAT 115.2

Moa hihaino tsara izany feo miantso izany ny tanorantsika? Endrey manao ahoana ny hakelin’ny fahatsapan’ny tanora ny ilana ny hametrahana eo anoloan’ireo tanora namany ny ohatra manahaka an’i Kristy eo amin’ny fiainana sy ny toetr’izy ireo. Maro amin’ireo tanorantsika no mahatakatra ny foto-kevitry ny fahamarinana, kanefa manao ahoana ny fahavitsian’ireo mahatakatra izany amin’ny alalan’ny fahalalana vokatry ny fanandramana ny fampiharana ny fahamarinana eo amin’ny asa rehetra ataon’izy ireo. Aiza ireo misiônera ao anatin’ny fahatanorany izay manao ny asa rehetra miseho ho azy amin’izy ireo eo amin’ny saha mahavokatra be? Aiza ireo mpianatra isan’andro isan’andro eo amin’ny sekolin’i Kristy? HAT 115.3

Aza avela hahatsapa mihitsy izy ireo fa nahavita ny fianarany ka voaomana handray ny diplaoma. Aoka izy ireo hiandry eo an-kianjan’ny Tompo, mba hahazoan’izy ireo tari-dalana ny fomba tokony hiasana amim-pirindrana amin’ireo masoivohon’ny lanitra. Ry tanora malala, maniry ny hiteny tsy amim-pisalasalana aminareo aho satria tiako ho voavonjy ianareo. Aza mandany fotoana intsony. Tsy afaka ny hanompo an’Andriamanitra sy Mamôna ianareo. Mety ho toa Kristianina ianareo eo ivelany, kanefa rehefa tonga ireo fakam-panahy, rehefa sedraina mafy, moa tsy milefitra ve ianareo amin’ny kapobeny? HAT 116.1