Tanteraka amin’ny fahafenoany ny asan’Andriamanitra satria tanteraka amin’ny ampahany rehetra, na bitika manao ahoana aza. Namolavola ny tsirin’ahitra tamim-pikarakarana fatratra toy ny ho nampiasainy tamin’ny nanaovana izao tontolo izao Izy. Raha irintsika ny ho tanteraka tahaka ny fahatanterahan’ny Raintsika any an-danitra, dia tsy maintsy ho mahatoky amin’ny fanaovana zavatra madinika isika. Ny zavatra izay mendrika ny hatao dia mendrika ny hatao tsara. Na inona na inona mety ho asanao, ataovy amim-pahatokiana izany. Milaza ny marina mikasika ireo zavatra madinika indrindra. Manaova asa maha-te ho tia sy mitonona teny mahafinaritra isan’andro. Aparitaho manaraka ny lalan’ny fiainana ny tsiky. Koa raha miasa amin’izany fomba izany ianao, dia apetrak’Andriamanitra eo aminao ny fankasitrahany, ary hiteny aminao i Kristy indray andro any hanao hoe: “Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky.” HAT 120.2
Amin’ny andro fitsarana, ireo izay nahatoky teo amin’ny fiainany isan’andro, ireo izay mahita haingana ny asa tokony hataony ary manao izany, tsy mihevitra izay dera na tombony, no handre ireo teny hoe: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao. ” Tsy midera azy ireo i Kristy noho ny lahateny tsara lahatra nataony, na ny herin-tsaina nasehony, na ny fanomezana tamin-kahalalahana natolony fa noho ny fanaovana ireo zavatra madinika izay amin’ny kapobeny atao tsinontsinona no hamaliana soa azy ireo. “Noana aho dia nomenareo hanina”, hoy Izy, “Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. “—YI, 17 Jan. 1901. HAT 121.1