Go to full page →

Manana ny Toetra Maha-Izy Azy HAT 167

Tsy misy na dia iray aza tokony hanaiky ho fitaovana fotsiny, ampiasain’ny sain’olon-kafa. Nomen’Andriamanitra fahafahana ny hisaina sy hanao zavatra isika, ary amin’ny alalan’ny fampiasana izany amim-pitandremana, mikatsaka ny fahendrena avy Aminy, no hahatonga antsika ho afaka hitondra ireo enta-mavesatra. Mijoroa amin’ny toetra maha-izy nomen’Andriamanitra anao. Aoka tsy ho aloky ny olona hafa ianao. Andraso fa ny Tompo dia hiasa ao aminao sy amin’ny alalanao. HAT 167.1

Aza mihevitra mihitsy fa ampy izay ny zavatra nianaranao, ary afaka ny maka aina amin’ny ezaka ataonao amin’izay ianao ankehitriny. Ny saina voakolokolo no fandrefesana ny olona. Tokony hitohy mandritra ny androm-piainanao ny fanabeazana; tokony hianatra isan’andro ianao, ary hampihatra ny fahalalana azo. HAT 167.2