Go to full page →

Hanokatra ny Lalana Andriamanitra TF 205

Mihasarotra ny fotoana, ary sarotra ny mahazo vola; saingy hanokafan’ny Tompo lalana any amin’ireo olona ivelan’ny mambrantsika isika. Tsy azoko hoe ahoana no ahafahan’ny olona manisy fanavakavahana eo amin’ny fandraisana fanomezana avy amin’ireo tsy iray finoana amintsika. Manao izany izy ireo noho ny fandraisany fomba fijery maka an-tendrony, sy noho ny famoronany resaka izay tsy nahazoany lalana akory ny fanaovana azy. An’Andriamanitra ity izao tontolo izao ity; koa raha azon’Andriamanitra atao ny manetsika ny fon’olombelona fitaovana mba ho eo am- pelatanantsika ny harena teo am-pelantanan’ny fahavalo, ka dia ho voatory any amin’ny faritra lavitra rehetra any ny hafatry ny filazantsara, dia hosakanan’ny olona manana fomba fijery tery ve ny lalana? Fisainana tena tsy mahatsara mihitsy izany Tsy mitarika ny olona hanao izany ny Fanahy Masina. - TM 210. TF 205.2