Go to full page →

Mandalo Fizahan-Toetra ny Tsirairay TF 236

Nitovy ny fisedrana natao tamin’i Matio teo amin’ny hareny sy tamin’i Andrea sy Petera teo amin’ny fahantrany; fanoloran-tena mitovy no nataon’ny tsirairay. Tamin’ny fotoana nisian’ny fahombiazana ka feno hazandrano ny harato ary mafy indrindra ny faniriany hiverina amin’ilay fiainana taloha, dia nangataka ny mpianatra handao ny zavatra rehetra ho amin’ny asan’ny filazantsara i Jesôsy. Toy izany koa no hisedrana ny fanahy tsirairay avy mba hahitana izay mahery indrindra ao aminy na ny faniriana ny tombontsoa ara-nofo na ny fiarahana amin’i Kristy. TF 236.1

Misy zavatra takin’ny foto-kevitra mandrakariva. Tsy misy olona afaka hahita fahombiazana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra afa-tsy ao amin’ny fanolorany ny fony manontolo ho amin’ny asa ka ahatsapany fa fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny fahalalana an’i Kristy. Ny olona mametraka fepetra dia tsy mety ho mpianatr’i Kristy ary tsy mety ho mpiara-miasa Aminy koa. Rehefa mankasitraka ny famonjena lehibe ny olona dia tsy maintsy hita eo amin’ny fiainany ny fahafoizan-tena teo amin’ny Tompo. Na aiza na aiza hitarihany azy dia ho faly hanaraka Azy ireo. — IFM, t. 280. TF 236.2