Na betsaka na kely ny fananan’ny olona iray, dia aoka hotsaroany fa nankinina taminy fotsiny ihany izany; ary ny heriny, ny fahaizany, ny fotoanany, ny talentany, ny tombony fanararaotra eo anoloany, ary ny hoenti-manany, dia tsy maintsy hanaovany tatitra amin’Andriamanitra. Asa ataon’ny isam-batan’olona izany; manome antsika Andriamanitra mba ho lasa tahaka Azy isika - izany hoe malala-tanana, andrian-toetra, mpanasoa - amin’ny alalan’ny fanomezana ho an’ny hafa. Mety hahazo ny tombontsoa sy ny fahafinaretan’ity tontolo ity ireo izay manadino ny iraka nampanaovin’Andriamanitra azy ka mikatsaka fotsiny ny hanangona na handanilany,amin’ny fampanaranam-po ny avonavona na ny fitiavan-tena; saingy eo imason’Andriamanitra, raha tombanana amin’ny zava- bitany ara-panahy izy, dia malahelo, ory, mahantra, jamba, ary mitanjaka. TF 21.2
Rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy ny harena, dia lasa fatorana volamena hanehoana fankasitrahana sy fitiavana eo amin’ny olombelona sy ny mpiara-belona aminy, sy fatorana mafy izay mamatotra azy amin’ny Mpanavotra azy. Mitaky fanehoam-pankasitrahana azo tsapain-tanana avy amin’ireo mandray ny fahasoavan’Andriamanitra ilay fanomezana mandrakizay ny Zanaka malalan’Andriamanitra. Izay mandray ny fahazavan’ny fitiavan’i Kristy dia manana ny adidy lehibe indrindra, noho izany, ny hampiely io fahazavana voatahy io amin’ireo fanahy ao anatin’ny haizina. - RH, 16 May 1882. TF 22.1