Go to full page →

Tsy Mila Hakamoana ny Asa TF 296

Milaza amintsika ny teny nomena tamin’ny alalan’ny tsindrimandry fa tokony “Hazoto, fa tsy malaina, ary tokony hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.” — Rôm. 12:11 - isika. Aoka ireo izay mifandraharaha amin’ny toeram- pitsaboantsika mba handray amim-pahalianana sy amim- pahamatorana ny asany. Raha toa ka tsy nianaran’ireo mpitsabo mpanampy ny fomba fiasa tsy mitaredretra, dia aoka izy ireo hanomboka hanefy ny tenany avy hatrany amin’izany, raha tsy izany dia tokony hahatsapa izy ireo fa tokony hampifanarahina amin’ny saran’ny asa vitany ny karamany. Tokony hamokatra misimisy kokoa sy ho mailaka misimisy kokoa ary ho tsapa fa tena ilaina misimisy kokoa izy ireo. Azon’izy ireo atao ny hanampy ny tenany hanatratra ny sehatra avo kokoa amin’ny maha-tanana mpanampy an’Andriamanitra azy ireo. Aoka ireo izay efa manana ny tarazon’ny fahavotsana hanazatra ny tenany isan’andro isan’andro hanatanteraka ny asany amin’ny fomba haingana kokoa nefa amim-pitandremana koa. TF 296.2

Tokony hahay hampiasa tsara ny fotoana ireo izay mandray karama amin’ny asa ataony. Tokony ho mpamokatra kokoa izy ireo fa tsy ho mpanjifa. Raha nandray fanabeazana momba izany izy ireo dia hivelatra hatrany hatrany amin’ny fahafaha-manaony mba hanao ny asa nankinina taminy amin’ny fomba tonga lafatra sy voakaly kokoa. Amin’izay dia ho vonona handray an-tanana ny asa izy ireo na aiza izany na aiza. - L 87, 1901. TF 296.3