Mety hiteny ny sasany hoe: “Vitsy loatra ny mpianatray.” Mety ho izany tokoa ny zava-misy; fa ny azonao atao dia ny hanao izay hahatonga azy ireo hahay hanararaotra sy hisitraka ny fotoany, ka hahita ny mahasarobidy ny fanaovana asa amim-pahazotoana mba hahatonga azy ireo ho mendrika hiantsoroka ny andraikitra tsy maintsy hotontosainy. Raha omen’izy ireo toerana eo alohany Andriamanitra mba ho Izy no Ilay hany azon’izy ireo hatonina hanoro hevitra azy, tahaka izay nataon’i Daniela, dia handray fahalalana sy fahendrena avy Aminy koa izy ireo. Amin’izay izy rehetra dia ho tonga toy ny tara-pahazavana. Asehoy eo anoloan’ny mpianatra izany zavatra izany. Fantaro hoe iza amin’izy ireo no tena afaka miaina fandavan-tena marina ka haneho fahafoizan- tena hiala amin’ny trosa izay efa namatotra azy. Ho an’ny mpianatra sasany dia ny fahazotoany sy ny fahatsaran’ny sitrapony fotsiny no ilaina. TF 297.2
Hanampy ireo mpitantana ny sekolintsika anie Andriamanitra mba tsy hamelan’izy ireo ny fandaniana hihoatra noho ny fidiram-bola na oviana na oviana, na dia sanatria aza ka efa tokony hakatona ny sekoly. Tsy ananantsika ny talenta sy fahaiza-manao ilaina hitantanana ny ara-bolan’ny sekolintsika. Izany zavatra izany no takin’Andriamanitra amin’ireo mpitantana ny sekolintsika. Ireo fahazarana mandanilany vola foana amin’ny zavatra tsy misy dikany dia tokony hosorohina hiala lavitra, ary ireo haitraitra tsy mahasoa rehetra dia tokony hialana avokoa. Raha tena noraisina am-pahamatorana araka izay tena tokony ho izy tokoa ireo fitsipika voizina ao anatin’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy hitombo intsony ny trosa. - L 137, 1898. TF 298.1