Go to full page →

Tolona tsy Mifandanja TF 25

Amin’ny fihetseham-pon’ny olombelona rehetra dia ny fitiavan-tena no fihetseham-po matanjaka sy mahafaoka ny olon-drehetra indrindra.Ary ny tolona ifanaovan’ny fangorahana sy ny fieremana eo amin’ny fanahy dia tolona tsy mifandanja; satria raha ny fitiavan-tena no firehetam-po matanjaka indrindra, dia matetika loatra ny fitiavana sy ny fahalalahan-tanana no firehetam-po malemy indrindra, ary amin’ny kapobeny dia ny ratsy no mahazo ny fandresena. Noho izany, eo amin’nyasantsika sy ny fanomezana atolotsika ho an’ny asan’Andriamanitra, dia mampidi-doza ny mamela ny tena hofehezin’ny fahatsapan’ny tena manokana na ny fihetseham-po. TF 25.3

Fanao tsy hendry sy mampidi-doza ny manolotra na ny miasa rehefa voahetsika ny fangoraham-pontsika, na ny mamihina ny fanomezantsika na ny fanompoantsika rehefa tsy voahetsika ny fihetseham-po. Raha fehezin’ny fihetseham-po na ny fangorahan’olombelona fotsiny ihany isika, dia trangan-javatra kelydia ho ampy hampitsahatra ireo loharanon’ny fanaovan-tsoa, toy ny hoe rehefa valiana amin’ny tsy fankasitrahana ny ezaka ataontsika ho an’ny hafa, na raha araraotina na lanilaniana foana ny fanomezana atolotsika. Tokony hiasa miaraka amin’ny foto-kevitra tsy miovaova ny Kristianina, ka hanaraka ny ohatra nomen’ny Mpamonjy teoamin’ny fandavan-tena sy ny fanoloran-tena. — RH, 7 Des. 1886. TF 26.1