Go to full page →

Andosiro Tahaka ny Habokana ny Trosa TF 300

Tokony hampiharina amin’ny sehatra rehetra mifandray amin’ny sekoly ny fitsitsiana sy ny fahaiza-mitahiry. Matetika mantsy ireo izay tonga hianatra eo amin’ny sekoly no nipoitra avy any amin’ny tokantrano somary sahirana, sy nanana fahazarana mihinana sakafo tsotra tsy dia misy karazany. Saingy efa zatra mihinana sakafo betsaka amin’ny antoandro izy ireo. Ka tsara kokoa ho an’ny rehetra ny tsy mihinana afa-tsy sakafo tokana sady tsotra amin’ny alina. Tsy maintsy manao izay fomba rehetra hahafahana mitsitsy isika raha tsy izany dia tsy maintsy hidiran’ny trosa mavesatra. Aoka tsy hihoatra ny fetra. Andosiro toy ny fandositra habokana ny firobohana amin’ny trosa. TF 300.1