Tsy azo sokajina ho drafitra feno fahendrena mandrakariva akory ny fironana tsy hanao izay zavatra mitaky fampiasam- bola raha toa ka tsy mbola eo am-pelatanana ny vola rehetra hahafahana mamita hatramin’ny farany ilay asa. Matetika ny Tompo no tsy manao izay hampahazava ny zavatra rehetra ilaina eo anoloan’ireo mpanompony. Matetika izy no misedra ny fahatokian’ny vahoakany mba hahitany azy ireo mandroso amim-pinoana mandrakariva. Matetika izy no mitarika azy ireo amin’ny lalan-tery sy toerana sarotra, mangataka azy ireo izy mba handroso eo amin’izay hirobohan’ny tongony ao anaty ranon’ny ranomasina mena. Amin’izay fotoana izay indrindra raha mampiakatra vavaka amim-pinoana feno fahamatorana ny mpanompony, dia hosokafany ny làlana eo anoloany, ary dia hoentiny eo amin’ny toerana malalaka izy ireo. TF 307.1
Tian’Andriamanitra ny hinoan’ny vahoakany velona amin’izao vanim-potoana izao fa mbola hanao zava-dehibe ho azy ireo hatrany Izy toy izay efa nataony tamin’ny Zanak’Isiraely nandritra ny diany mala avy tany Egypta handeha ho any Kanana. Tsy maintsy manana finoana voatefy tsy misy fisalasalana hanaraka ny toromarika omeny ao anatin’ny fanandramana sarotra lalovany izy ireo. “Mandrosoa” izany no baiko omen’Andriamanitra ny olony. TF 307.2
Ny finoana sy ny fankatoavana am-pifaliana no ilaina hampandehanana araka ny tokony ho izy ny sitrapon’Andriamanitra. Raha vantany vao asehon’Andriamanitra ny maha-zava-dehibe ny hanitarana ny asa amin’ny toerana iray izay azo antoka fa hahomby, dia tokony handroso sy hiasa amim-pinoana tsy misy hatak’andro ny vahoakany. Amin’ny alalan’ny fifampiresahana feno fahamasinana, ny fanetren- tena sy ny vavaka ary ny ezaka feno fahamatoranana ataony, no hahafahan’izy ireo mitarika ny olona haneho fankasitrahana ny asa tsara ataon’Andriamanitra ho azy ireo. Tena sitrapon’Andriamanitra mihitsy no nahatonga ny ivontoeram-pitsaboana ao Loma Linda ho lasa fananantsika ary izany dia notanterahiny tamin’ny fotoana izay toa nampiakatra avo dia avo ny reniranon’ny fahasarotana. TF 307.3
Zavatra iray ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny tena manokana. Manao araka izay sitraky ny fony mihitsy ny olona amin’io lafiny io. Fa zavatra hafa mihitsy ny fandraisana an-tanana hampandroso ny asan’Andriamanitra eto an-tany. Rehefa Andriamanitra no miteny fa tena ilaina ny mividy tany hanaovana fanorenana ho fampandrosoana sy ho fanitarana ny asany, na ivontoeram-pitsaboana izany na sekoly, na sehatra inona na sehatra inona, dia Izy mihitsy no hanao ny fomba rehetra hahatanteraka izany asa izany, raha toa ka mampiseho ny finoany sy ny fahatokiany ny sitrapon’Andriamanitra ireo izay manana fanandramana manokana amin’ny fiarahana aminy, ary mandroso tsy mitaredretra hanao izay hahazoana ny tombontsoa ampahafantariny. Na dia tsy mitady izay hakàna ny tanin’olona aza isika, dia tokony ho vonona faingana hikaroka ny fomba rehetra kosa ka hanao drafitra hahafahana manitatra ny asa rehefa misokatra eo anoloantsika ny tombontsoa fanararaotra. Ary tokony hampiasaintsika avokoa ny hery rehetra mba hahazoana ny fahalalahan-tanana avy amin’ny fanatitra ataon’ny vahoakan’Andriamanitra hahafahana manohana izany tetikasa vaovao izany. - 9T 271, 272. TF 308.1