Go to full page →

Mitandrina mba Tsy Hanao Fahadisoana amin’ny Fandraisana ny Tendrony Roa TF 309

Ny fanontaniana mipetraka eo anoloantsika dia ny hoe: “Azontsika atao ve ny manao ezaka mividy tany raha toa ka manintona ilay toerana ary mora koa ny vidiny, na dia mbola tsy fantatra aza hoe aiza moa no hahazoana izany vola izany?” Ny anadahy ------, ------, sy ny sasany dia nanohitra ny hidirana amin’ny trosa. Kanefa ny tenako dia tsy nomanina hilaza hoe tsy azontsika atao, na manao ahoana na manao ahoana toe-java-mitranga, ny hikaroka fomba hahazoana ny tany, izay hita fa irin’Andriamanitra hitarihana ny saintsika, raha toa ka tsy misy sakana hafa ankoatra ny tsy fahavononan’ny vola eo am-pelatanana, kanefa izany tany izany, noho ny fitantanan’Andriamanitra dia ho azontsika aloa tsy ho ela. Mila miala amin’ny fandraisana ny tendrony roa amin’ireo isika. - L 167, 1902. TF 309.2