Tian’Andriamanitra ny hisondrotan’ny toe-panahy avo dia avo. Tsy azon’ny fiangonana atao ny hanao tsinontsinona ny asany raha tsy hoe angaha efa nolaviny ny Tompony. Tokony hatsangana amin’ny toerana maro samihafa ny fiangonana. Ka moa ve azo lazaina ho fahaiza-mitantana ny tsy fahombiazana manangana fiangonana eo amin’ny tanàna misy antsika mba hahafahan’ny mpamonjy mihaona amin’ny olony? Aoka tsy hataontsika mihitsy izay hahatsapana fa tena fandaniana mihoapampana ny fividianana tany hahafahana mandray ireo vahinin’ny lanitra. TF 310.2
Ilaintsika ny fahendren’Andriamanitra eo am-panaovana drafi-panorenana. Marina fa tsy tokony hidi-trosa amin’ny tsy misy dikany isika, nefa tiako kosa ny hilaza fa amin’ny toe-javatra rehetra dia tsy voatery ho eo am-pelatanana alohan’ny hanombohan’ny asa avokoa akory ny vola rehetra ilaina izay vao afaka hanao fanorenana. Tsy maintsy mihetsika sy mandroso amim-pinoana mandrakariva isika, eo am-piasana haingana araka izay azo atao. Noho ny tsy fahampian’ny finoana no mahatonga antsika tsy hahomby amin’ny fandraisana amin’ny fahafenoany ny teny fikasan’Andriamanitra. Tsy maintsy miasa sy mivavaka ary mino isika. Natao handroso amim-pahamatorana tsy misy fisalasalana isika, eo am-pianteherana amin’ny Tompo, ka hilaza hoe, “Tsy hangozohozo na ho kivy isika.” - RH, 7 Sept 1905. TF 310.3